WESTERN UNION

1. tafita ( 17/03/2008 08:19)
Manahoana daholo e
Mba nandefa vola kely t@ WESTERN UNION aho teo ( herin'andro lasa izay ) , tsy haiko tsara na ahoana fa de nakan-dry zareo vola 2 alina mahery indray tonga tany Madagascar, (AMBOSITRA ). Nilaza ry zareo fa saran' ny andefasana azy hono satria nantsoiko an-taro-by mihintsy mba hifanazavana .. avy eo nahodiny indray hoe , ny sandan' ny vola miovaova foana ka izay no mahalatsaka ny vola rehefa tonga any ...
Asa aminareo raha mba misy tratran'izany fa raha araka ny tokony ho izy de tsy maka na ariary amin'io vola alefa io intsony ry zareo , fa izay compte voasoratra avy @ andefasana azy iny no raisin'ilay olona andefasana azy .. GAGA aho e
Malagasy ihany angaha no manao tahaka izany ..

novalian'i fafamimi ny 28/04/2008 21:24
2. diamondra27 ( 17/03/2008 08:28)
efa misy le emadex io zao ka

andramo indray e!

jereo am pub fa itanjy eto am serasera le lien sinon any am sobika (io ambony am fandraisana io le pub)
3. veromahefa ( 17/03/2008 08:35)
Tanà lou no fandefasako,tsy mandoa vola zany intsony fa efa mandray vonona izay maka azy, ny cours koa de izay nandefasana azy ihany fa tsy manova ilay totalim-bola tao am taratasy na miakatra ny cours na midina na afaka 3 herinandro aza ny volanao vao raisina ! zany hoe raha vao tsy mahalala ilay olona dia ambakainy aloha e!
4. hery ( 17/03/2008 08:58)
Azo toriana amin'ny Western Union izany agence maka vola izany fa tsy normal.
5. yonikafopl ( 17/03/2008 09:20)
Fa le dolara midina midina ihany wa eee, za vao nandefa omaly de 1667Ariary. tena :(:(
6. razaordira ( 17/03/2008 09:26)
Rehefa mandefa vola @ western union dia mila préciséna tsara hoe:
- "aloha mitokana ve ny saram-pandefasana", sa
- "alaina amin' ilay somme voalazanao".
Mety tsy ampy angamba ny fanazavan' ilay olona tao amin' ilay agence nandefasana an' ilay vola.
tafita:

Mba nandefa vola kely t@ WESTERN UNION aho teo ( herin'andro lasa izay ) , nakan-dry zareo vola 2 alina mahery indray tonga tany Madagascar, (AMBOSITRA ). Nilaza ry zareo fa saran' ny andefasana azy hono satria nantsoiko an-taro-by mihintsy mba hifanazavana .. avy eo nahodiny indray hoe , ny sandan' ny vola miovaova foana ka izay no mahalatsaka ny vola rehefa tonga any ...



7. yonikafopl ( 17/03/2008 09:42)
nt tokony hatao koa dia mila fantarina hoe ohatrinona ilay vola raisiny any Dago am Ariary, de iny no lazaina ny western union fa tsy le dolara na euro
8. Ralay ( 17/03/2008 09:52)
Tena tsy mety izany fa izay voalaza ao @ taratasy ihany ny vola tokony ho raisina.
Izaho manokana aloha dia tsy mandefa vola @ W.U izany fa mandat-express interationale ao @ poste no fandefasako ary misy special dago mihintsy ka raha vao azonao ny code d'envoie dia afaka milaza @ ilay olona handray ny vola any dago ianao haka io vola io any @ poste.Asa raha mety mahasoa antsika io fa mba andramo ihany.
9. xxx ( 17/03/2008 10:04)
Ralay, dia azo alaina eo no ho eo ohatra ny an'ny WU koa ve ilay vola ?

Ary ny saram-pandefasana indray, raha possible, manao ahoana raha miohatra amin'ny WU ? (mety azo anontaniana any @ paositra, fa anontaniako eto ihany sôdémbà )
10. tititiana ( 17/03/2008 10:49)
Mba azo lazainao ve hoe avy izay ianao no mandefa ilay WU fa ohatra ny ahy dia avy eto la reunion aho no mandefa any dago nefa tsy misy an' izany fa rehefa mandoa ny sarany ianao dia soratany hoe ny vola tokony ho raisina any, vola gasy
11. ni81 ( 17/03/2008 11:40)
Izaho manokana aloha dia tsy mandefa vola @ W.U izany fa mandat-express interationale ao @ poste no fandefasako ary misy special dago mihintsy ka raha vao azonao ny code d'envoie dia afaka milaza @ ilay olona handray ny vola any dago ianao haka io vola io any @ poste.Asa raha mety mahasoa antsika io fa mba andramo ihany.

Mitovy hevitra @ Ralay. 10j eo ho eo no tonga @ zay andefasana azy, ary tsy mandoa vola intsony ny any dago. Taloha io imprimé fandefasana vola io mavokely, fa izao lasa mangamanga ny soratra eo aminy.
12. milaibe ( 17/03/2008 12:05)
Tsisy an zany miova2 fôna zany ny sandam-bola fa lay valeur misoratra le jour j iny ihany no raisina ,tena azo torina @ w.u zany agence zany!!! Be loatra kou ny frais alain'ny w.u fa ny ah dia madachange eto paris no fandefasako,misy société générale koa ao cachan dia ny comptenao aty azo alaina any mada
13. tess ( 17/03/2008 12:47)
non! mpangalatra izany! tokony hangalàna tsony ny vola tonga any! na ny pitiny aza!
oshhhy aho hoe ramalagasy tsy miova mitsy:x
mpandefa matetika aho mantsy ka! tsy nangalàna mitsy na ny ariary aza....
izay voaosratra tanaty tts avy taty ihany no tokony raisin'ilay oul nandefasana aza! donko afaka torina:?
14. rapala ( 17/03/2008 13:39)
MARINA DAHOLO ireo voalaza ambony rehetra ireo.
15. Veloo ( 17/03/2008 16:15)
yonikafopl [ Valio ] 17-03-2008 10:20:32
Lohateny : Re : WESTERN UNION
Fa le dolara midina midina ihany wa eee, za vao nandefa omaly de 1667Ariary. tena


angaha tsy loza mihitsy retsy a,
zao zao ry zareo sady ambanivohitra no tsy manambola intsony,
taloha mantsy ambanivohitra manankarena hihihih
16. tess ( 17/03/2008 16:47)
ié toa resini euro ny dolard tao ho ao izay!
17. ikaretsaka ( 17/03/2008 17:08)
angaha efa misy emadex kao any ambositra le?
18. ari.malala ( 18/03/2008 07:00)
WU no any Ambositra, vao nisokatra vao haingana
19. yonikafopl ( 18/03/2008 07:48)
veloo ka iza mou retsy no hanana'ny any ambanivohitra vola tsony aa, ny cyclone mandravarava ny fambolena kou:(

Ny aty aminay de tsy mba misy afa tsy Western Union, misy an'ilay Moneygram mba mora ny frais, toa efa henohenoko fa hisy hanokatra any Dago tam herintaona nefa tsy mbola hita ze izy eo.
20. joace91 ( 18/03/2008 11:27)
ny eto region parisienne efa misy anlé "madachange" aloha hitako oé mety tsara mihoatra aminy western union ty e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5542