nanasa tanana i Pilato

1. Rasiligaoma ( 17/03/2008 05:09)
Mba nanaitra ahy kely io Evanjely androany io:

Satria nony niala i Pilato ka niteny fa tsy te ho tompon'antoka amin'i famonoana an'i Jesoa (Matio 27:24) dia namaly ny Jiosy hoe aoka "hiraraka aminay sy ny taranakay ny rany"
Dia tsy ny jiosy ary ve hono no tena avotra fa voadion'ny ran'i Kristy?
novalian'i fijo ny 20/03/2008 22:22
2. ari.malala ( 17/03/2008 06:33)
ts haiko fa ny fandraisao ny tenindry zarei jody io d hoe avelao hivaly aminay ny namonoanay azy (toy ny miantso tody amintsika malagasy e) ts haiko alou fa zya ny fahazoaok azy e!
3. Rasiligaoma ( 18/03/2008 05:37)
ny tsy azoko manko dia ity isika mitomany fa voasasa amin'ny ran'i kristy.
ny jiosy koa io manko efa nitsotra mazava tsara hoe avelao hitondraka aminy sy ny taranany iznay ra izany.
ka samy tompon'antoka izany isika ko inona no maha samihafa antsika sy ny jiosy?

1) samy hoe vahoaka voafidy
2)samy voatondraka ra!
4. ari.malala ( 18/03/2008 07:31)
Rasiligaoma, ka Izy mintsy anie no nilaza t@ namorona ny Eokaristia ny alakamisy masina hoe ny Rany dia alatsaka hoan'ny be sy ny maro e, ka isika ataoko fa tafiditra ao anatin'ilay be sy ny maro nandatsahany ny Rany
5. Rground ( 18/03/2008 10:09)
...Rasiligaoma, mitovy amin'ny hevitry ari.malala etsy ambony ihany
...raha ny namaly an'i Pilato ny jiosy hoe: "Ho aminay sy ho amin'ny zanakay ny rany."..dia nivonona ny handray izay hovalin'ny safidiny ny jiosy ny amin'ny hamonoana an'i Kristy (na dia nohon'ny fialonana aza)
... Nefa moa amin'i Kristy, efa lalana tsy maintsy ho diavina ny ho faty hisolo-heloka ho an'ny rehetra, ka ny Ràny nalatsaka, dia ho Fanadiovana ho an'ny rehetra, eny fa na dia ho an'ireo jiosy aza..
..voadio tamin'ny Rà isika rehetra, ary ho an'izay mino Azy sy manaraka Azy ary miaina ny Teniny dia ho mafy ny sedra eto an-tany, fa kosa hanana fiadanam-po mandram-pihavin'Ilay Mpamorona ny zavatra rehetra.

Raha ny ahy manokana aloha mbola tantara be ihany ny mandeha amin'io lalan-tery io, satria raha hoy ny filaza hoe:"naha-feno ny kapoaka ny ota", ny ahy angamba ry zareo efa bariaka be mihitsy no efa ni-déborde...fa mino aho fa "ny fahadalàko tsy isainy ho fahotako" (araka ny hiran'ilay ra-zoky iray izay.
6. niryna ( 18/03/2008 12:14)
Rground:

miombokevitra aminao koa aho.

Raha ny ahy manokana aloha mbola tantara be ihany ny mandeha amin'io lalan-tery io, satria raha hoy ny filaza hoe:"naha-feno ny kapoaka ny ota", ny ahy angamba ry zareo efa bariaka be mihitsy no efa ni-déborde...fa mino aho fa "ny fahadalàko tsy isainy ho fahotako" (araka ny hiran'ilay ra-zoky iray izay.
,raha miaiky ny fahotantsika isika dia marina Kristy ary hanafaka antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra,tenin'Atra io ary aza kivy satria hoy ny tompo"avy hifandahatra amiko :arrow: mamkanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana.Na inona fahoriana,fahotana,fahatezerana,alahelo,tsy famelankeloka ny hafa,aretina sns,,omeo azy ,ataovy eo am-pelantanany.
Ary dia mbola notohizany ihany koa hoe "na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala :arrow: na inona na inona izany ,tsy misy exeption an, raha tena miaiky fa nanao,ka mitantara sy mangataka famelana aminy dia ho voavela ary dia tsy ho tsarony intsony raha tena mino an'izany hianao dia tena tanteraka tokoa izany .

7. Rground ( 18/03/2008 13:14)
...mampitràka izany ry niryna.
8. fijo ( 19/03/2008 21:29)
nanasa tanana i pilato satria raha ny niampangana an'i lery teo anatrehany dia tsy nitombona.

nampangainai lery fa mikasa hanonga-mpanjakana.

taktr'i pilato nefa fa,ny lehiben'ny mpisorona no natahotra sao lasan'i lery ny kil.ka nitady izay fomba hanilihana azy.tsy nanana zo hitsara sy hamono nefa ry zalahy,fa ny romana ihany no nanana i ozo io.ka izay no nahatonga an'i pilato nanasa tanana.
toa midika io hoe "aferanareo io ry zalahy,ka alamino any ,ny anareo."
9. ikaretsaka ( 19/03/2008 23:34)
dia nandamina ry zalahy dia ry zalahy hono voasasa t@ ra izany...
dia tena ery zalahy izany no voavonjy ko
voasasa t@ ra tokoa, taranaka voafidy,
10. fijo ( 20/03/2008 22:22)
tsy azoko mihintsy anie ity resaka "voafisy" ity e.ny tena marina dia vahoaka nahay nifehy ny "serasera"hatrany ampiandohana ry zareo jiosy.hany ka lasa nifantoka tamin'ny tanatarandry zalahy ny mason'izao tontolo izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0812