Vavaka ho an'ny Jody

1. Fody ( 16/03/2008 11:24)
Tsy fantatro na efa nandalo teto ity lohahevitra ity na tsia.

Miteraka olana ankehitriny ny hoe: "Kristiana mivavaka ho an'ny vahoaka Jody".

Ahoana no fahitanao an'io.
Mety ve sa tsy mety?
Raha mety, inona no antony?
Raha tsy mety kosa, inona no antony?

Misaotra e!
novalian'i fijo ny 28/03/2008 22:28
2. pissoa ( 16/03/2008 17:31)
Mety !

Satria ... tiava ny namanao hoy i Jesoa dia ahoana koa moa ilay iray misy hoe raha izay manao soa ihany no soavina iny ? :-D:-D:-D
3. ikaretsaka ( 16/03/2008 17:59)
(Mbola alahady sampankazo androany fa tsy zoma masina ry zareo an:wink:)
Fa angaha moa tsy efa mampiasa "motu proprio" isika??

Mety ve sa tsy mety?
Raha mety, inona no antony?
Raha tsy mety kosa, inona no antony?

tena sarotra aloha io satria isika samy miresaka tsy misy jiosy na 1 aza: "Put your feet inside their shoes"

fa taoko io efa nahitsy? (azafady fa fitadidiana fotsiny ny ahy fa tsy manana missal akaiky aho an).. efa namboarina le hoe infidele sy le teny feno fankahalana rehetra .....toa nesorina ilay teny latinina taloha hoe "perfidis"(=izay lazain'ny Jiosy fa mamely azy akaiky ...perfide=traitre)



Aoka isika hivavaka ho an'ny vahoaka Jody, Ireo izay naheno voalohany ny Tenin'Atra, Mba hitohy hitombo ao @ fitiavan'Atra sy ny fifanekena nifanaovaovany izy ireo..... (dia manao ilay hoe) Atra mandrakizay o, Nomenao fampanantenana i Abrahama sy ny tarananay taloha ela izay, dia mivavaka izahay ho an'ireo olona nofinidinao taloha ireo, mba homenao ny famindramponao tanteraka...

toa efa novana tahatahak'izay izy io

4. rijadolly ( 16/03/2008 18:08)
Mety dia mety tokoa satria http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IMPANJAKA&toko=8&andininy=28-53&dika= ange é!
5. fijo ( 19/03/2008 21:37)
za moa tsy mpino,fa raha nanao izany aho,inona mo ano olana raha mifampivavaka ianareo samy mpino????tsy izay aza ve no tanjona.
6. Rasiligaoma ( 24/03/2008 05:38)
misy vavaka ho an'"ireo tsy mahalala sy ireo minia tsy mino" koa kay amin'io zoma masina io:^)
7. fijo ( 28/03/2008 22:28)
asa ko,nareo mpivavaka ihany no mahita izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0967