Andriamanitra ve sa Kristy no hivavahana?????

1. karinah ( 15/03/2008 12:45)
Miarahaba ,
Lasa saina aho satria raha mino an'i Jesoa Kristy dia izy ihany koa hivavahana, ary misy teny ilay milaza oe raha misy vavaka ataonareo dia ataovy amin'ny anarako (Kristy) izany fa ho tanteraka, dia ahoana izany Andriamanitra? tsy mila hangatahina zavatra intsony izany izy fa Kristy ihany no angatahina? Dia hivavahana fotsiny izany izy, ary rehefa hangataka zavatra aminy fa tsy amin'ny anaran'i Jesoa kristy dia tsy ho tanteraka ve izany? mety tezitra ve izany Kristy raha tsy natao taminy ilay fangatahina? mmmmhhhh:roll::roll::roll::idea::?::?::?::?:
2. Fody ( 15/03/2008 15:23)

Ny hoe: vavaka dia resaka iafanaovana amin'Andriamanitra (ny Ray, na ny Zanaka, na ny Fanahy Masina) no dikany. Tsy voatery hangataka ianao anatin'izany vavaka izany, ary tsy voatery koa izy Andriamanitra hanome izay angatahinao ao. Donk, raha tsy azonao izay nangatahinao (na tamin'Andriamanitra Ray izany, na tamin'i Kristy) dia tsy midika hoe diso adresy akory ny vavakao. " Izaho sy ny Ray, hoy Jesoa, dia iray ihany".

Ny hany tadiavin'Andriamanitra amintsika dia ny hanokanantsika fotoana hihaonana aminy, hiresahana aminy.
Ao anatin'ny resaka dia misy Fifanakalozana sy fifampihainona.

Misaotra anao!
3. ikaretsaka ( 15/03/2008 16:01)

anatin'ny resaka dia misy Fifanakalozana sy fifampihainona.

izay! tsy blibli vavaka ihany fa mila mihaino koa (meditate)
4. karinah ( 15/03/2008 17:04)
Fody:

Ny hoe: vavaka dia resaka iafanaovana amin'Andriamanitra (ny Ray, na ny Zanaka, na ny Fanahy Masina) no dikany. Tsy voatery hangataka ianao anatin'izany vavaka izany, ary tsy voatery koa izy Andriamanitra hanome izay angatahinao ao. Donk, raha tsy azonao izay nangatahinao (na tamin'Andriamanitra Ray izany, na tamin'i Kristy) dia tsy midika hoe diso adresy akory ny vavakao. " Izaho sy ny Ray, hoy Jesoa, dia iray ihany".

Ny hany tadiavin'Andriamanitra amintsika dia ny hanokanantsika fotoana hihaonana aminy, hiresahana aminy.
Ao anatin'ny resaka dia misy Fifanakalozana sy fifampihainona.

Misaotra anao!
Eny e, haiko tsara ny dikan'ny hoe mivavaka, ka izay indrindra no nanaovako hoe raha tsy amin'ny anaran'i Kristy izany dia tsy tanteraka? Tsy voatery mangata-javatra ankory rehefa mivavaka, misaotra ihany koa Tsy hadino ô!:lol:

5. ikaretsaka ( 15/03/2008 17:34)
amiko manokana aloha hoe rehefa mivavaka akory dia tsy hoe mangataka foana..
misy manko manao hoe rehefa mivavaka=mangataka izay..
ataovy an zao omeo an zao....
6. Veloo ( 16/03/2008 01:10)
oy i Karina,
ka izay indrindra no nanaovako hoe raha tsy amin'ny anaran'i Kristy izany dia tsy tanteraka?

ny antony hivavahan-tsika @ anaran'i Jesosy dia satria izy no namonjy antsika teo @ hazo fijaliana izay nanvotra antsika sy namonjy antsika ka nomen'Atra azy ny honneur rehera.
Ary @ alalan'i Jesosy ihany no voa ankasitrahana ny fivavahan-tsika.
7. fahamarinana ( 16/03/2008 09:14)
Fody:

Ny hoe: vavaka dia resaka iafanaovana amin'Andriamanitra (ny Ray, na ny Zanaka, na ny Fanahy Masina) no dikany. Tsy voatery hangataka ianao anatin'izany vavaka izany, ary tsy voatery koa izy Andriamanitra hanome izay angatahinao ao. Donk, raha tsy azonao izay nangatahinao (na tamin'Andriamanitra Ray izany, na tamin'i Kristy) dia tsy midika hoe diso adresy akory ny vavakao. " Izaho sy ny Ray, hoy Jesoa, dia iray ihany".

Ny hany tadiavin'Andriamanitra amintsika dia ny hanokanantsika fotoana hihaonana aminy, hiresahana aminy. Ao anatin'ny resaka dia misy Fifanakalozana sy fifampihainona.

Misaotra anao!

:arrow:Miombon-kevitra tanteraka amin'ny fody koa aho eto.(l)
8. razaordira ( 16/03/2008 09:31)
Andriamanitra retsy no ivavahana ah.
Ary izany fivavahana atao amin' Andriamanitra izany anefa dia atao "amin' ny anaran'i Kristy". :roll:

Fampitoviana:
Imaginéo hoe ianao izany hono no Prézida-n'ny repoblika. (Imaginéna fotsiny io an.:lol: )
Dia ahoana no ataonao mba ahazoana vola be ?

Ny bailleurs de fonds no angatahanao vola.
Rehefa mangataka any anefa ianao, dia "amin' ny anaran' ny firenena malagasy" no angatahanao vola any amin' ireo bailleurs de fonds ireo fa tsy amin' ny anaranao manokana, raha tsy izany ianao tsy hahazo eo mihitsy. :lol:

Mitovitovy am'zay letsy lé izy a.:^)
9. johnnyandri ( 16/03/2008 09:56)
hahaha... bien koa ilay resaka zoridira an-Drazaoridira an. :lol::-D
tonga dia mazava tsara manitsiny...
10. sariaka ( 16/03/2008 13:31)
Tadidio foana fa Andriamanitra dia tokana olona telo dia ny Ray ny Zanaka ary Fanahy Masina . Hoy i karinah hoe raha mangataka amin'Andriamanitra Ray fa tsy amin'i Kristy dia tsy tanteraka ve izany, tsy izay kah, fa misy mampiantefa ny vavaka ataony amin'i Kristy na amin'ny Ray na amin'ny Fanahy Masina araka izay ivavahany eo . Zany tsy midika fa samy maka ho azy ireo olona telo ireo fa tena miray sitra-po sy miray aina tokoa. Fa dia miankina amin'ny fampiantefanao ny vavakao io.:):(
11. pissoa ( 16/03/2008 17:40)
Cf Fody ! :-D:-D:-D
12. ikaretsaka ( 16/03/2008 18:04)
dia rehefa mivavaka izany dia ashio :
amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina Amen foana er..

dia tsary misalasala tsotry
13. pissoa ( 16/03/2008 18:07)
iny njay no tsy hitako :-D:-D:-D:-D:-D
14. vale ( 16/03/2008 18:15)
ikaretsaka:

dia rehefa mivavaka izany dia ashio :
amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina Amen foana er..

dia tsary misalasala tsotry
:-D:-D:-D:-D tena tsy arakao indray iny!:lol: tena marina mahintsy kah!!!:-D:-D:-D=D:-*

15. vale ( 16/03/2008 18:16)
oajyyyy: Tsy arakao===} tsy arako.:lol:
16. niryna ( 17/03/2008 04:36)
Veloo:

ny antony hivavahan-tsika @ anaran'i Jesosy dia satria izy no namonjy antsika teo @ hazo fijaliana izay nanvotra antsika sy namonjy antsika ka nomen'Atra azy ny honneur rehera.
Ary @ alalan'i Jesosy ihany no voa ankasitrahana ny fivavahan-tsika.

=D=D
Midera an'Atra isika ,misaotra Azy noho ny nanomezany tombon'andro indray,ary dia misaotra Azy noho ny nanomezany ny Zanany hanavotra antsika ary ny fanahy masina izay miaraka amintsika.
---------------------------------
Misaotra an'i kristy isika noho ny famonjena izay nomeny antsika,noho ny sorona nataony mba hanavotana sy hanadiovany ny fahotantsika ary noho ny nanomezany antsika ny fanahy masina hiaraka hipetraka amintsika mandrakizay.Izay nangatahiny tamin'ny rainy ny andefa azy ho an'ireo izay mino an'i kristy irery .

Misaotra ny fanahy masina isika izay mitaridalana antsika,manoro ny mety sy tsy mety ary mampianatra antsika mba hanana fiainana vaovao,ahay handefitra,hizara ny fahasoavana izay nomen'Atra antsika,nanoro antsika ny hamela ny fahavalo sy hanova ny toetra ratsy rehetra,raha tsy miaraka amintsika tokoa mantsy ny fanahy masina ,ny tenantsika tsy mahavita na inona na inona ary dia mitovy ny tsy mpino ihany isika,mety tsara toetra,tsara fanahy fa tsy misy joy,peace,love ary hope na fifaliana ,fiadanantsaina,fitiavana fanantenana ,Ireo no mampiavaka ny mino an'i kristy irery.

Izany no hivavahantsika hoe Ry rainay izay any an-danitra ....Any an-danitra izy ary ray araka ny fanahintsika ,Atra izay lolohavintsika,hajaintsika, ary Atra tokana izay rain'i kristy.
na hoe Ray o.....
Ny vava no mitalaho sy miantso izay tiantsika ary tsy misy na iray aza mandra tsy hiantso azy ireo,ny fahany izay miaraka amintsika ohatra dia azo antsoina amin'ny fotoana rehetra,Kristy izay nanome an'izany koa dia manambara amintsika fa any aminy 'ny lalana mankany amin'ny rainy ka dia ny fanahy masina no mampita ny hafatra,miaraka ny anjeliny ary noho i kristy izay avocat antsika,satana dia mpanoro voana na accuser ,dia i kristy no mitaraina amin'ny rainy raha misy vavaka ataontsika ary izy no mifona amin'ny rainy amintsika:"Ray o efa voavidin'ny rako i..." dia manaiky Atra ary dia voavela ny helok'izay mangataka amin'i kristy na ny fanahy masina na ATra Jehovah .
Izy telo ireo ihany fa tsy misy hafa.
Izay no fahafantarako azy

17. Rasiligaoma ( 17/03/2008 04:57)
ikaretsaka:

dia rehefa mivavaka izany dia ashio :
amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina Amen foana er..

dia tsary misalasala tsotry

Voafehin'io daholo tokoa ilay adihevitra.

Fa maninona tokoa kay ny katolika no tsy manao an'io amin'ny Anaran'ny Ray io e?
18. Rasiligaoma ( 17/03/2008 04:59)
ny TSY katolika (sy ny TSY anglikanina) no tiako holazaina fa mihinan-datsaka aza misy vary e:oops::oops::oops:
19. Mandefitra ( 17/03/2008 06:19)
Ny nampianaran i Jesosy aloha de hoe:
"Rehefa mivavaka ianareo dia ataovy hoe Rainay zay any an-danitra"
sy ny hoe
"na inona na inona hangatahinareo @ Ray @ anarako ..."
Zany hoe mivavaka @ Andriamanitra Ray @ anaran iJesosy Kristy ...
Ny hoe @ anaran'i Jesosy Kristy dia zao : isika zay vita Batisa, ka mino an'i Kristy, dia mitafy an'i Kristy.
Ka raha mijery antsika Andriamanitra, na mihaino ny vavaka ataontsika, dia manana an'i Kristy isika ho antoka eo anatrehany fa zanak'Andriamanitra koa isika @ alalan Ilay tia antsika sy efa namonjy antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0495