tanasie

1. xxx ( 14/03/2008 17:44)
Ho an'ny mpino, ny tanasie ve izany dia fahotàna ihany koa satria mamono olona, ka raha olona mijaly ara-pahasalamàna tanteraka kosa ve no manao fangatahana io "tanasie" io tsy ho normale ihany???
ahoana ny hevitrareo.....
2. xxx ( 14/03/2008 17:52)
tanasie? inona izany? euthanasie no haiko mantsy :°)
3. xxx ( 14/03/2008 18:27)
etanasia fa azafady!
4. mbaliana ( 14/03/2008 20:54)
:-D:-D:^):^)
5. fijo ( 14/03/2008 21:04)
za tsy kristianina de za momba an'io
6. pissoa ( 14/03/2008 21:10)
:-D:-D:-D
7. fijo ( 14/03/2008 21:11)
ka za manaiky fa hilaina io ka
8. Fody ( 16/03/2008 16:25)


Tsy mila mampiditra resaka kristiana dia efa afaka milaza fa mety na tsy mety ny "euthanasie" .
Misy fanontaniana misimisy ireto tiako mba hapetraka amintsika hijerena miaraka raha mety na tsy mety io fomba iray io.
1 - Moa anao ve ny ainao?
Raha eny satria nahoana?
Raha tsia kosa, moa afaka mandray fanapahan-kevitra ny aminy ve ianao?

2 - Inona ny olona ho anao?
Hatraiza ny fahefana hananany?

3 - Moa misy mahasamihafa ny famonoana olona sy ny euthanasie ve, izay samy famonoana an-tsitrapo avokoa?
Raha mandà ny famonona olona ianao, ahoana kosa no manaiky ny euthanasie?
Angamba ianao hiteny hoe: ka ilay marary mijaly, no mila an'izany sy mangataka an'izany. Dia hoy aho hoe: raha ny zanakao no mangataka aminao hoe: omeo pozina aho ho faty, moa sahinao tokoa ve ny hanome pozina azy?

Hatreo aloha fa sao be loatra ka manjary sahirana ny sasany te hamaly.

Misaotra anareo!
9. ikaretsaka ( 16/03/2008 19:28)
fanontaniana eritreritra ihany..
rehefa atao "tanasie" tokoa moa izany dia tsy maintsy heo ho faty?

misy manko le hoe mamono olona fa tsa nahafaty .. satria tsy mbola "voasoratra hoe izay no datin'andron'ilay olona"
fa ny "tanasia no tsary haiko hoe ahoana
10. Mandefitra ( 18/03/2008 07:07)
ty misy fanampiana sao mahaliana antsika :
http://www.egliselutherienne.org/bibliotheque/pastoral/curedame/CDAm_5.htm#1
11. ikaretsaka ( 18/03/2008 14:42)
fa tena mba eritreritra ny ahy.. mety possible tokao ve hoe ny oilona na biby natao euthanasie dia tsy maty satria tsy mnbola izay no tapitr'androny??

tahakan'ny ireny heo olona voatifitra nefa tsary maty ireny..

satria hoe resaka famonoana ilay izy
12. fijo ( 19/03/2008 22:02)
hoy fody:"3 - Moa misy mahasamihafa ny famonoana olona sy ny euthanasie ve,

misy tokoa ry fody.
ny maha samy hafa azy dia ity.
ny iray tsy sitrapony no hamonoana azy.
ny faharoa izy no mangataka ny hofaty.samy hafa be ireo.

ary amiko dia za no tompon'ny aiko.matoa aho mikaly dia mbola tiako hosalama ny aiko.fa rehefa itako fa simba kosa izany ,tsy olan aamiko ny manala ny fijaliako,rah aizay na hanafahako azy
13. ikaretsaka ( 20/03/2008 05:37)
ary raha tena tian'ialahy sy irin'ialahy ho salama ny ain'ialahy dia mikaly ialahy sns.. nefa tsy poinsa intsony fa vao mainka ialahy sanatria miha osa.. dia ahoana?
14. fijo ( 20/03/2008 22:26)
eo no hilakao fahalalahana hofaty.rehefa itako fa tsy zakako intsony,dia tiako raha za no mifidy ny fotoana hafatesako.fa tsy avela hijaly eo fotsiny
15. Rasiligaoma ( 23/03/2008 05:15)
ary raha fidiana anefa fa tsy mbola amin'iny ihany?
ohatran'ilay hoe mamono tena ireny dia tsy mety maty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0824