Ahoana no atao hampiakarana ny feo

1. ni81 ( 14/03/2008 12:43)
Nampidramin'ny namako MP3 aho. Ambany be ireo hira rehefa henoiko eto @ ordi na dia efa akariko faran'ny ambony aza ny volume. Ahoana ny tokony ataoko mba hampiakarana io feo io @ lay CD vaovao? Misaotra betsaka mialoha.
novalian'i sariaka ny 02/04/2008 14:47
2. xxx ( 14/03/2008 13:45)
http://mp3gain.sourceforge.net/download.php
3. ni81 ( 14/03/2008 14:05)
Misaotra fa saingy tsy misy @ teny frantsay angaha azafady fa tsy mahay miteny anglisy ?
4. xxx ( 14/03/2008 14:13)
Tsisy fika fa tsy afa-miala @ teny anglisy ianao e!
Tsisy version fr io logiciel io

Izay teny vitsivitsy eo amin'ny interface koa ve moa dia hatao manahirana, fa reveo miaraka amin'ny diksionera vetivety fotsiny e.
5. xxx ( 14/03/2008 14:48)
Diso kely aho :
- ataovy download fotsiny aloha ilay version stable farany: http://prdownloads.sourceforge.net/mp3gain/mp3gain-win-1_2_5.exe?download
- rehefa mi-install azy ianao toa afaka mifidy ny teny frantsay ihany
6. penina ( 14/03/2008 15:06)
lol

ny ahy audacity. Tsy haiko raha misy teny frantsay. http://audacity.sourceforge.net/

Rehefa avy nosokafana ny mp3 dia selectioneo izy rehetra.
ctrl+a
dia avy eo eo amin'ny menu
effect> amplify

dia vita.
Ny ahy io logiciel io foana no ampiasaiko raha vao feo izany. Na hangalatra hira mandeha aza. :°)
7. pissoa ( 14/03/2008 17:06)
penina : mba atoroy ahy ny fangalarana hira mandeha mampiasa audacity ! :oops:
8. xxx ( 14/03/2008 18:52)
penina > ny avantage @ le mp3gain, raha manana fichiers 20 ohatra hatao an'izay daholo. Tsy haiko ny audacity raha misy batch processing ahafahana mi-normalize ny hamafin'ny feo.
9. ni81 ( 14/03/2008 20:09)
Misaotra fa dia ho jerena ary ireo e.
10. sitlo ( 17/03/2008 03:02)
pissoa>

[center][/center]

aza adino ny mampidina ny volume any amin'ny wave out mix raha ambony loatra.
11. sariaka ( 02/04/2008 14:47)
Izaho koa mampiasa io audacity io fa mahafa-po aloha e, mila manao ny reglage ilaina dia izay. selectionner-na ny hira tiana hampakarina feo dia mandeha any amin'ny effets, misy teny frantsay kah. Raha te hanisy basse koa dia atao amplification basse, dia ao amin'io effets io ny reglage izay tianao hatao rehetra. Mazotoa e. Ny wavelab koa tsara sady azo hanaovana zavatra betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1138