confirmation

1. tslem ( 14/03/2008 07:30)
Mba mangataka soso-kevitra avy aminareo namana e!

Misy cousine-ko ho raisina mpandray ny fanasàn'ny tompo @ paska, dia saika mba hila hevitra kely aminareo oe inn kay no fanomezana tsara atao ankoatry ny baiboly.

Dia misaotra antsika sahady!
novalian'i kelly13 ny 17/03/2008 19:23
2. veromahefa ( 14/03/2008 08:48)
cd evanjelika,na Tenin'ny Soratra Masina vita sikotra ireny na vita tabilao, mety koa raha zavatra hojerijereny foana (vazy, cadre photo,...), poketra mihaja
3. booboo ( 14/03/2008 09:15)
pendentif croix huguenotte (croix protestante)
4. fahamarinana ( 14/03/2008 09:50)
:arrow:ary rha avalopy fontsiny dia izy no mividy zay tiany sa tsy mety ve,zay no fanaoko na homena firavaka kely :volamena,volafotsy(l)
5. yonikafopl ( 14/03/2008 09:57)
fahamarinana, raha vola njay de manjary tsy mitoetra ny maha cadeau azy sady tsy misy souvenir kou, raha ilay we volamena na volafotsy dia tsara, io hevitr'i booboo io koa tsara.:wink:
6. fahamarinana ( 14/03/2008 09:59)
:arrow:ka ilay mitady cado no olana indrindra rehefa lehibe izay ilay olona.(l)
7. mbota ( 14/03/2008 11:39)
Raha 'zaho dia manamafy ny "vola" fa tso-drano zava-mahery amintsika gasy, ary afa-tsy izany koa azony hividianana izay fahatsiarovana tiany ho-tehirizina hahatsiarovana anao iny. Sora-jandiana mantsy ny fitiavana, ka tsy azo antoka ho tiany izay heverinao fa hahasoa azy, raha toa ka fahatsiarovana no hatolotrao ...
8. ari.malala ( 14/03/2008 14:02)
tslem, firy taona ilay cousine? ankoatry ny baiboly dia afaka atao fanomezana iany koa album (afaka asiany ny sary nalaina nandritra ny ceremonie) fa mba hampitoetra ilay hoe fahatsiarovana t@ confirmation dia io havitr'i boobooo io no tena tsara. Miarahaba sahady ilay handray fahasoavana dia mirary soa haharitra @ finoana;)
9. ikaretsaka ( 14/03/2008 15:32)
miombonkevitra @ booboo sy i ari
10. tslem ( 14/03/2008 15:40)
Dia isaorako betsaka mitsy reto nareo fa dia misy hisafidianana ireo a, tena io lakroa io marina no ndeha ho ataoko.
ari >>> teraka t@ 86 izy, firy taona moa zany? zah kamo hanao kalkil :-D :wink:
11. kelly13 ( 14/03/2008 15:46)
22 ans
12. simplex ( 14/03/2008 19:57)

CD ambondrona misy an'le hoe "mandrakizay" :)
13. tslem ( 15/03/2008 07:11)
kelly13:

22 ans

kelly ho ah mahay kalkil mitsy:wink:

simplex >>> toa tsy fantany akory zany amondrona izany koh:°)
14. kelly13 ( 15/03/2008 07:48)
zesita dol zany ka, naka masinn a kalkilé za
15. yonikafopl ( 15/03/2008 22:12)
=)) hay kou njy ry kelly dondrona otrana =))=)):-$
16. booboo ( 15/03/2008 22:48)
:-D:-D
17. Papoose ( 16/03/2008 02:29)
tsy aleo v ividianana kiraro fetina mivavaka dia @zay mazoto mivavaka izy?:-D
18. tslem ( 16/03/2008 08:02)
yonika, kelly >>> :-D:-D:-D

papoose >>> ka tsy haiko ny pointure-ny sady sao d tsy antonona koa zay vidiako eo koh.
19. sipagasy ( 16/03/2008 19:33)
firavaka atao e!, iny fanomezana maharitra mantsy

dia miarahaba azy hahazo fahasoavana izany e!
20. Papoose ( 16/03/2008 23:57)
tslem, ka anontaniana re!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4495