"Success vs Failure": Ny tsirairay fa tsy Fanjakana ihany

1. Jeankely ( 14/03/2008 06:11)
Raha tsy tafavoaka ny Fanjakana tafavoaka ve ny maro anisa? Ary raha ny vondron'olona vitsy mpanao politika ihany no mahalala ny eritretiny atao tafavoaka koa ve ny vahoaka? Raha nanampy tosika ny tolona rehetra izay nifanesy ny vahoaka mahatsiaro tafavoaka sa mahatsiaro manenina? Raha asaina miezaka milaza tsy tafavoaka fa mila fanjakana. Noho izany tokony samy manao ny andraikiny fa samy tafavoaka rehefa mahalala ny asany ny tsirairay. Raha maty ny tomponorin'asa aleo ny fikambandry zareo no hanambara ny fahavoazany fa tsy ny tsy manana orin'asa. Ny mpianatra mila mianatra tsara ary manao ny fiakarohany fa tsy variana manitsy Mpitondra nefa ny fanadinana aza tsy afaka. Hatrany @ sehatra rehetra fa tsy tafiditra eto daholo. Ka ahoana misy omena tombondahany sa mba ilaina ampahalalana zavatra ny vahoaka rehetra?
novalian'i Jeankely ny 15/03/2008 10:28
2. rahiratra ( 15/03/2008 03:35)
Ny hisongadina tampoka no andraisan'ny mpanao politika sehatra hitenenana na hanoratana @ gazety ary izay manaitaitra ny sain'ny vahoaka ao anaty fahasahiranana no ataony. Tsy tia ahalala izay ampivoatra vahoaka izany izy fa hevitra manaitra ary mety handrodana fanjakana no avoakany. Rehefa azony ny fanjakana dia eo fa tsy tafavoaka ihany koa.
3. Jeankely ( 15/03/2008 10:28)
Tsy mahatsapa diso ve ny vahoaka mifanenjika, miady, mifandrafy, voakarama manao barazy, mandrera tetezana, nefa ataon'ny olona tohatra fiakarana? Ny Fanjakana sahirana, ny vahoaka diso fanantenana, ny mpanohatra avy nitondra tsy nahay dia ahoana? Iza no tena voa mafy @'ireo? NOHO IZANY TSY TOKONY HANAIKY LAOVIN'NY ANDANINY ROA NY VAHOAKA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0445