"Community Participation" ve midika Fanohanana Fanjakana?

1. Jeankely ( 11/03/2008 03:46)
Raha mandrisika ny olona handray anjara amin'ny ho aviny; hifidy; hitady ny hevitra mahasoa azy ve midika fanohanana ny Fanjakana. Rehefa tsy manohana ny Fanjakana izany ve midika tsy tia ahalala izay mitranga sy hitranga aminao sy ankohonanao ianao fa tantinao izay lany @'ny fifidianana rehetra?
novalian'i Jeankely ny 18/03/2008 10:54
2. papala ( 11/03/2008 08:28)
ZOn'i olombelona ny mifidy! fa tsy midika fanohanana fanjakana. fa enao manana ny safidinao rehefa mandrotsaka valopy na dia tsy asianao n'inon'inona aza ao anaty valopy. Fa ny fahatongavanao no maha olombelona manana fahefana anao. Jereo fotsiny ireo tany tsy manaiky hifidianan'ireo vehivavy, dia tsy manan-jo zany reo vehivavy ireo. any @ tany silamo? tsy tadidiko!
3. Jeankely ( 11/03/2008 08:57)
Misaotra an'i Papala. Tany Silamo no hiodikodinako ary ireo vao nisy fifidianana sahalan'i Malaysia, Pakistan dia afaka mifidy ny vehivavy. Talohabe io fa efa somary hafa koa ny fiainan'ny Silamo amin'ny ankapobeny. Mitsoaka miala Silamo ny olona tia halalaka dia misy efa tsy ataondreo intsony. Misy Ministra, Praiministra ilay vao maty sns amin'ireo tany silamo ireo.
Miverina amin'ny resako aho hoe voa mafy ny tsy mifidy. Tokony hanaraka antsipirihany ny zava-mitranga ny vahoaka. Lasa gaigy ny mpanao politika raha manaraka tsara ampisainana ny mitranga ny vahoaka. Tsy hampianarin-dry tia seza hisaina mantsy fa ampianariny hanaraka azy avy aoriana hitehaka sy hiandry tolotra kely.
4. rahiratra ( 15/03/2008 03:42)
Rehefa handrodana Fanjakana dia hain'ny mpanohatra ny mitady ny hery avy any @ vahoaka ary ezahiny avoitra ny
fandraisan'ny tsirairay andraikitra amin'ny ho aviny. Avy eo tapaka eo. Manenina koa ny vahoaka ary lasa mialangalana.
5. Jeankely ( 18/03/2008 10:54)
Mbola ampiako ny hoe "Public Awareness". Faly ery ry zalahy ve fa lany na tsisy mandraraha aza nefa dia tena sarotra ny ahatafavoaka satria mijery sahala ny tany nalavoana ny olona. Izy ihany koa moa no voa avy eo. noho izany dia mbola mitaona ihany aho hoe araho akaiky aza avela hanarampo fa tsy midika ho fiarovana azy ny fanarahanao ny momba ny ho avinao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0647