fandriampahalemana

1. Lantoer ( 08/03/2008 21:35)
Miarahaba antsika,
Miantso ny Admin aho.
Manoloana ny tsy filaminana mitranga eto amin'ny firenena malagasy, isan'ny fitaovana ifaneraseran'ireo jiolahy ny internet, ka iriana tokoa raha afaka manampy ny fanjakàna ny site serasera.

novalian'i Lantoer ny 13/03/2008 09:57
2. tess ( 08/03/2008 22:09)
ampio fanazavàna lalindalina kokoa hoe fa tsy mazava no mahaliana ry lantoer;-)
3. Papoose ( 08/03/2008 23:17)
8O misy jiolahy zany ato v?8O
4. jemimah ( 09/03/2008 13:33)
angaha ny adm polisy lol
5. ravatorano ( 10/03/2008 05:50)
papoose
6. Rasiligaoma ( 10/03/2008 06:04)
azo azavaina lalindalina kokoa ve ny tian'ilay mpanokatra sujet hahatongavana?
7. ANARIM ( 10/03/2008 06:25)
azavazavao hono ny tian'ny mpanoratra ambara e!
8. ari.malala ( 10/03/2008 07:52)
papoose, jemimah, =))=))=))=))=))=))=))=))
9. Papoose ( 10/03/2008 11:25)
:-D

ka le le mpanoratra nanjavona nefa tena raharaha be ho an'ny firenen'ny serasera ty!!!
nga tsy manana sekretera i lantoer hitatitra?
10. Lantoer ( 10/03/2008 23:26)
Miala tsiny fa tsy manana sekretera re a, sady amin\'izay manampy trotraka ny \"Jiro tsy mandeha, Telefaonina tapaka\".
Miarahaba antsika,
Asa aloha raha ao amin\'ireo liana ireo ny Admin e.
Tohizako ary ilay foto-kevitra.
Maro ny fomba ifaneraseran\'ny olona rehetra: hetsika, teny, jery, soratra,... Raha fifaneraseràna lavitra (x Km no mihoatra) dia ny teny sy ny soratra no raisintsika.
Raha ny \"teny\" na resaka dia efa azo tsongoina ankehitriny ny antso an-tariby ataon\'ireo jiolahy.
Ny amin\'ny \"soratra\" no iantsoako ny Admin raha afaka izy.
Hitako ilay volazan\'ny Hery momba io fa mba apetraka ihany ny adihevitra satria mety hanova zavatra be ihany ny fivoarany.
Ekeko fa tsy fanajàna ny zon\'olombelona ny fihainoana resaka ohatra fa raha atao hoe resaka hamonoana olona na handrobàna ve...?
Miandry ny hevitsika rehetra.
11. Papoose ( 13/03/2008 03:44)
fa iza no maty tato t@ resaka ndray aloha aza e!:-w
12. tess ( 13/03/2008 06:36)
raha ny fahazoako azy zany dia ny resaka virtuel no etnina hifampiresahana hanatanterahana ny teti-dratsy n'ireo jiolahy.....
de amitony net itony izy izany no mifanome morse!
tsy fotoana lany ve?????azo hatao am gsm izany kou sa?????:roll:
13. Lantoer ( 13/03/2008 09:57)
Ka ny gsm mety efa mora tsongoin'ny mpitandro filaminana, fa aty amin'itony karana site isan-karazany itony ry zareo no mety mialokaloka. Sarotra kokoa raha ny ahafantarana ilay ol, noho ny fahafahana miafina ambadiky ny ps isan-karazany.
Raisiko ohatra ilay vaovao nitranga izay:
"Misy fiara tena tsara tarehy any, mbola tsy niditra garazy" Io dia phrase nampiasain'ireo ol mpangala-jaza sy pédophile tany Frantsa sy Roumanie.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.575