HENDRY VE NY HENDRY RAHA TSY MISY NY ADALA

1. kolyh ( 07/03/2008 09:08)
Lasa saina be za rireto hoe :Misongadina ve ny hendry raha tsy miaraka eo adala, na hoe koa ahoana no hamaritana hoe hendry raha tsy misy adala...
Mba eritreritra ny ahy io.......:roll:8O:roll:8-);-):-o:x:cry:
de lasa kely indray za aloa fa mandra-pisera indray e!!!
novalian'i RAKVOL ny 16/04/2008 19:48
2. tsiafoi1 ( 07/03/2008 11:15)
hihihih andraso aky fa mbola hikaroka le cahier na philo t@'ny terminale reny za vao mamaly an'ity
fa inona ary ty malasa saina anjiko ty e?
3. xxx ( 07/03/2008 13:44)
ny adala tsy adala ra tsy misy manadala ,nefa iza no anadala ny adala tsy ny hendry v ? lol
4. diamondra27 ( 07/03/2008 13:49)
misy hoe: adala
de olona mametraka fanintaniana kidaladala
de misy ny manadala de
misy ny adalaina
de etc etc


"ny hendry mody voky nby adala manesika ihany"
fakafakao io zany = 4H

:-D:-D:-D
5. diamondra27 ( 07/03/2008 13:51)
miy ihany koa heo: " tsy bodo sy adala"...

de misy ny hoe: adala tena adala ary ny adala fomba fiteny

fa zanyrehetra zany de voarara ao @ baiboly hoe: aza manao olona hoe : adala ianao ...

misy miteny we mitapy de adala ve ny dikan'zany?
6. kallie ( 07/03/2008 14:38)
ny endry tsy endry raha tsy manana adalana ary ny adala tsy adala fa fahendrena tsy voalanjalanja ;-)
Taàka ny tsy fisiana dia efa fisiana
Ny tsy fanaovana resaka adala dia efa resaka adala :wink:
7. ikaretsaka ( 07/03/2008 14:49)
izay! ny fahaizana mandajalanja ilay fahendrena sy fahadalana no tena zava dehibe..

Misy ny atao hoe fahadalan'ny hendry ary fahendren'ny adala manko!
(philo be koa io)
8. diamondra27 ( 07/03/2008 14:56)
le néanttsy fisiana) devient vide

tena lasa filo sy maths tampokja le izy
9. kallie ( 07/03/2008 15:36)
ka ny néant dia fisian'ny vide donc efa fisiana
10. Kwasi ( 07/03/2008 19:30)
Ny ataon'ny hendry hoe adala dia izay tsy manaraka sy manaiky an'ilay lazainy hoe fahendrena.
Dia ny ataon'ny adala hoe hendry dia izay manaiky ny ataony.

Dia mba tazano kely ao koa ange ry tsiafoi1 ny theorie de relativitE an'i Einstein raha hijery kahie ihany ianao a! Ilay hendry ve mijery ao anaty wagon sa aty ivelan'ny wagon?:roll::wink:
11. Rojoukel ( 08/03/2008 08:49)
Ka diso daholo nge zany eritreritrareo zany e ! filazana @ andavanandro fotsiny ny teny hoe "hendry" fa raha adala no resahina de "salama saina" no tokony hakana ohatra.
Ary raha "Hendry" de tokony ho "Maditra" no mifanohitra aminy.
Ka ny toetran'ireo "olona salama saina" manadala ny adala no tokony ho resahina eto zany. Azonareo ngamba le tiko holazain'e !
Zay fa bye ary e !
12. tess ( 08/03/2008 08:54)
kanefa indray matetika matetika mitranga eo amin'ny fiaraha-monina, ohatra entre samy mpinamana, raha diso hendry loatra ilay ranamana dia hoy ilay ankisy sasany hoe diso hendry loatra ilay io dia tsy hatao namana fa ilay mikidaladala no mahafaty azy ho hatao namana.....noho izany tsy azo adalo no adala be loatra na hendry be loatra fa mba asiana humour ny fiainana de manja:wink:
13. kallie ( 08/03/2008 10:23)
ka zay lé fahaizana mandanjalanja nge
14. tsiafoi1 ( 10/03/2008 06:17)
kwasi:
Ny ataon'ny hendry hoe adala dia izay tsy manaraka sy manaiky an'ilay lazainy hoe fahendrena.
Dia ny ataon'ny adala hoe hendry dia izay manaiky ny ataony.


Lalina be izy zany Kwasi, fa za koa natory teo ambony kahié sady rarakivy teo hahahah

Zao no fandinihako azy, mba ahafahana manasongadina ny hendry zany, de aleo misy ihany ny adala, de mba hampahendry ny adala, aleo eo akaikin'ny ihany ny hendry.
15. diamondra27 ( 10/03/2008 16:16)
izay adala no toa an-drainy
16. Rasiligaoma ( 11/03/2008 05:44)
Dia ny ataon'ny adala hoe hendry dia izay manaiky ny ataony.

lalina tokoa

hendry be ny fiarakodia izany fa manaraja ny lalana amilian'ny olona azy
17. tsiafoi1 ( 11/03/2008 11:53)
Rasil :
hendry be ny fiarakodia izany fa manaraja ny lalana amilian'ny olona azy


Fa raha vao misy mi-coince ao anatiny de tonga de gravy be
18. rohy ( 11/03/2008 12:22)
samy manana ny ataony hoe fahendrena na ny adala na ny hendry.
Ny hendry mihevitra hoe ze tsy normal de adala nefa le adala ko mahita ilay hendry tsy normal.:@
19. RAKVOL ( 16/04/2008 19:48)
Mainty - fotsy
Ambony -ambany
Lava -fohy
Tery - malalaka ..........
de tohizo :ADALA -HENDRY , zany hoe tsy afaka miala na ny andaniny na ny ankilany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2026