KAMBO-TENDA

1. tess ( 06/03/2008 21:21)
Hono ho aho????? ny kambo-tenda ve misy hamantarana azy???ohatra hoe marary manaintaina be ny ati-tenda , rehefa mitelindrora, dia maheno zavtr lavalava any am lanilanitenda any rehefa manelindrora?????? herin'andro izao narary foana ny tendako dia izany no reko izao...mbola tsy tany am doko aloha fa tsisy fotoana mitsy.
misaotra meloha!
novalian'i kalasnou ny 16/04/2008 11:40
2. ikaretsaka ( 06/03/2008 22:09)
mety angine fotsiny izany fa ataovy mafana tsara
3. tess ( 06/03/2008 22:15)
ka tena otran'ny misy zvtr mitarika any am lanilany any fa tsy itako knou! efa ho erinandro ve zao eto iany:x ny fanafody hanina ihany anefa otran'ny henoko mikombona be zany ny tenda:{
4. veromahefa ( 07/03/2008 08:26)
raha mparary tenda matetika ianao dia mety misy kambon-tenda.
Afaka ianao ihany dia mahita azy, mankanesa eo anoloan'ny fitaratra dia atrangao lavabe ny lela...raha misy kambon-tenda ianao dia ahita nofo mivoitra be amin'ny andaniny roa toy ny hanery ilay nofo lavalava midina iny.
Mankanesa dokotera raha vao misy fotoana fa izy no mamaritra na azo levonina na mila didina na avela amin'izao.Mirary soa
5. ni81 ( 07/03/2008 08:27)
Ny kambo tenda t@ zà nisy taloha dia hitako mivongana kely anankiroa toy ny voan'anamamy eo @ ankavia sy ankavanana ao anatin'io tenda io; ary dia marary tenda matetika aho t@ zany fotoana izany.
6. lantokely ( 07/03/2008 10:21)
indraindray koa mety ho allergie no mahatonga ilay izy.
ohatra hoe alergie amin'ny voanjo, raha vao mihinana voanjo dia mibotsina ilay izy.
dia ny fanafodiny dia tsy mihinana voanjo fotsiny.
raha tsy mijery dokotera aloha tsy fantatra hoe inona no mahatonga azy.
7. ravakamalala ( 07/03/2008 11:08)
mandra pandeha any amin ny dokotera dia manaova ny fomban ny bebenay :

tantely + voasary makirana + sakamalaho tetitetehana.

ataovy "bain marie" dia sotroy mafana.

Na koa ampangotrahy ny thym dia ataovy gararaka
8. arialy ( 07/03/2008 12:33)
marina ny tenin'ireo namana etsy ambony fa otry ny dongona roa am havia sy havanana ny kambotenda, makanesa any am dokotera refa miahiahy e, rah amanao dokotera tena eo sao de mapisy complication.
courage nji
9. tess ( 07/03/2008 12:40)
misaotra ry zareo tam toro hevitra ah:-*

izaho aloha mbola tsy nesorina kambotenda mitsy
ary marary enda lava
ary misy alergik ihany koa fa paoma de raha vao mihinana iny dia efa otran ny kenda
raha tsy esorina ve di mety hahafaty? misy miteny mantsy fa miaro ny mikraoba tsy iditra any anaty any lay kambo:roll:

10. niryna ( 08/03/2008 22:16)
Arakarany io fa raha mbola kely ny ankizy dia mety ho marary lava izy(ny sofiny,ny tendany )ka rehefa miaina izy dia mitrosona be.Dia jerevan'ny dokotera avy eo ka omeny antibiotique foana ilay zaza,farany vao hitany hoe misy kambotenda.Matetika ilay sofina misy nana sy ilay tenda kendakenda tsy avy miaina dia aretina roa miaraka.Dia tsy mety mahazo aina ilay zaza fa mahia kely ary raha tsy voatandrina dia ireny misy miteny hoe alofisaka ireny na dia tsy izy aza.Rehefa misanasana be ny tenda ka jerena amin'ny fitaratra dia misy zavatra mivonto be ery amin'ny faran'ny tenda.Levonina aloha ilay izy ary rehefa tsy levona intsony dia tsy maintsy didiana.Tsy mitovy anefa ny fomba any amintsika sy ny any ivelany.Ny aty ivelany raha vao vita ny fandidiana tonga dia omena zavatra mangatsiatsiaka,sy ranon-tsakafo,ny any amintsika iray volana mbola tsy mahazo mihinan-kanina ihany.
Tess a rehefa tsy levona intsony dia tsy maintsy esorina.Ny hoe miaro ny mikroba indray ilay izy zavatra maniry ao anaty ku.Fa tsy toy ny hoe volon'orona na volo-maso
11. Rasiligaoma ( 14/03/2008 04:56)
mampihena ny systeme immune ny tsy fisian'ny kambotenda a
12. tess ( 14/03/2008 05:51)
ka raha lasa kronik lay aretitenda dia tsy maitsy hoe esorina ihany ny kambotenda, mosy miteny aza hoe ny kambon'orona kou!:?
13. xxx ( 07/04/2008 11:36)
Mifangaro ny resaka :

kambo-tenda = ilay kambo ao @ tenda io, amygdales

inflammation des amygdales no aretina , izany hoe marary ilay amygdales , fa ny antsika gasy dia ny aretina no ataontsika hoe kambo-tenda

Rehefa mitahiry otrik'aretina loatra ny kambo-tenda dia mi s'inflammer ==> manavy (40°)+ marary tenda foana ==> mila esorina ny kambo-tenda

Tsy ny habeny ihany no milaza hoe marary ny kambo-tenda na tsia fa ny lokony koa

Miaro @ otrik'aretina koa anefa ny kambotenda, mampihena ny systeme immune ny tsy fisian'ny kambotenda hoy Rasiligaoma

Raha toa ka voan'ny angine h@ in-4 isa-taona i Tess dia asain'i Dr esorina io, dia esoriny avy hatrany koa ny végétation na marary na tsia, lzain-drizareo fa tsy misy ilàna azy loatra ny kambon'orona

14. kalasnou ( 14/04/2008 10:30)
salut tess
tena marina ny zavatra tenenin'i xxx eto ambony eto. raha ohatra maharary anao ilay amygdales dia tsara ihany ny anaesorana azy raha ka chronique ny douleur,izy io koa anefa miaro antsika ihany @ angents infectieux rehetra izany hoe : @ microbes sy virus satria izy mipetra alohan'i lalan-kanina sy lalan-drivotra dia izy mba manao barrage kely e!
ny operation anie ka hatao sous anesthésie générale , mijanona iray alina any @ hopitaly ianao ary miandry eo @ 10 andro izay vao afaka ny fery. tsy maintsy haharary ihany aloha fa omen'i dokotera "antalgiques" ihany
bis

15. tess ( 14/04/2008 18:38)
:{ :{ :{ :{ hay operation goavana! fangah tsy misy hoe alevona?????
mci xxx sy kalasnou! :-*
16. bida ( 14/04/2008 18:55)
Tsy misy kianina ny fanazavany xxx, ary tsy mety intsony aminy kambotenda izany ilay manao gararaka ranon-tsira ?
17. tess ( 14/04/2008 19:15)
ny ahy ravina balsam vonikazo ravina any dago ireny no fataoko gararaka de toa efikasy fa aty tsy misy anreny zava-maniry ireny! tanehana otran'ny manao dité....
efa kronik mitsy ny ka ! izao de mararirary ndray fa mino aho fa harary ato ho ato,
bida hay ranotsira koa mety?
18. bida ( 14/04/2008 19:49)
rano matimaty (tsy mafana be) izany de asina sira, de atao gararaka
19. kalasnou ( 16/04/2008 11:40)
ny oona rehetra ka tsy maintsy misy kambo-tenda aby satria io no manao barrage, fa matoa izy maharary dia misy infection ao izay. ny olana tsara oloha raha maharary ary raha manakana anao rehefa misakafo dia anesorana azy.avy eo izy afaka maniry normalement @ habe normal (de nouveau : rôle: barrières)
izay ihany no azoko ambara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3014