azafady mba mivilia

1. pongy ( 05/03/2008 16:19)
tsy misy hafatra
novalian'i Nanoo ny 04/06/2008 10:15
2. ni81 ( 05/03/2008 19:38)
Mba lazao kely ny tohiny raha toa ka ity hoe azafady!

Azafady mba mivilia
O ry voron-tsara dia...

Raha toa ka io no tohiny dia ho soratako @ manaraka.
3. Nanoo ( 06/03/2008 07:06)
Fa tena tohanako tanteraka raha izay tokoa no tadiavina... alefaso!!!
4. Nanoo ( 07/03/2008 09:45)
Nankaiza toa tsy nivily??? Mba alefaso moa ny tononkira ry ni81!!! Aza avela ho sasa-miandry eto aho!:lol
5. ni81 ( 07/03/2008 17:13)
Azafady ry Nanoo fa tsy azoko hoe mila io tonony io koa ianao a!Miala tsiny raha misy diso fa efa somary harafesina koa ny fitadidiana satria efa ela no tsy nandrenesako azy intsony e! Mampahatsiaro ny any lavitra mihitsy ty an!:cry:

Azafady mba mivilia
O ry voron-tsara dia
Raha mba sitrakareo
Ny hanala izany toreo

O ry voron-tsara dia
Tsy afaka miriaria
Takona any irony havoana
Lavitra anefa tsaroana
Lay tanĂ na iray izay nihaviana
Onenan'ireo havan-tiana

Veloma ihany hono hoe antsoiny
Ka masina koa fa mbola hihaona soa
Veloma hono hoe: tsy ho mandrakizay
Antsoin'ity vitsika momba kitay
6. Nanoo ( 04/06/2008 10:15)
Merci merci merci, ni81! Aza fady fa izao vao hitako ity valin-kafatra fa za efa nihevitra we adino taty!!! D tsy nijerijery tsony... :))))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0387