inona indray hono ity???

1. fijo ( 04/03/2008 20:33)
Ambondrombe
Nifanandrina tamin’i Belzeboba ny Apokalipsy
mardi 4 mars 2008, par Hery A.
Imprimer cet article Enregistrer au format PDF envoyer l'article par mail title=

Nihantsy an’i pastera Mailhol i « Belzeboba » sy ny ekipany.

Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana Apokalipsy tany Ihosy, notarihan’i Pastera Mailhol no nifanenàny tamin’ny olona iray nipetrahan’ny fanahin’ireo devoly ao Ambondrombe. Tovolahy nianatra nanao « magie » izy ity, saingy tsy nahatody hatramin’ny farany ka mora tamin’ny fanahy ratsy no niditra tao aminy. Teo Ambalavao no nifanehatra ny ekipan’ny Apokalipsy miisa 20 mianadahy, sy ity tovolahy nipetrahan’ny fanahy ratsy ity. Rehefa nampiresahan’i Pasitera Mailhol ity devoly ity dia nilaza fa irak’i Belzeboba, ary any Ambondrombe no misy ny foibeny.

Nitarika ireo ekipany i Pasitera ka nananika an’Ambondrombe. Araka ny fitantarany sy ny horonan-tsary nentiny nanaporofoana ny zava-niseho dia nahazo ny sarin’ny ao Ambondrombe izy ireo. Nitoeran’ny fanahy maro sy fanahy ratsy tokoa any an-toerana, araka ny filazany ihany. Nifanandrina tamin’i Belzezboba i Pastera ka teo no namoahan’ny devoly tsiambaratelo maro. « Misy anay daholo ny andrim-panjakana, ary misy manana fifanarahana aminay amin’ireo mpitondra firenena amin’izao fotoana izao ». Io no nambaran’ny fanahy ratsy. Voalaza fa nisy amin’ireo mpitondra no nasainy namono ny zanany, nefa tsy nahatanteraka izany, ka ho avy izy hamono azy. « Hiaro an’ireny aho » hoy Pasitera Mailhol.

Naseho ny mpanao gazety omaly ny horonan-tsary andiany voalohany, ary haseho amin’ny manaraka ny tohiny.
répondu par fijo le 05/03/2008 21:56
2. fijo ( 04/03/2008 20:34)
de misy hino,de hanely fa tena marina ary dia tsy hoay intsony ny tohiny.tssssss
3. rakaroka ( 04/03/2008 20:48)
Ny "blem" am lé olona tsy nandia fiainana anie dia mi-dramatise ny tranga efa fahitan'ny olona rizareo.
Hi!hi!hi! Anontanio 'reo zokiolona fa efa nanao "reportage" mikasika an'Ambondrombe Mosé Latimer fahiny. Taoko tsy vao2 anie io tranga io8O:roll:Dia firy taona aty aoriana ny hafa vao gaga:roll::?::roll:
Ny resaka "pacte satanique" koa tsy vao2 mihitsy io,
ary araka io voalaza io hoe manenika ny andrim-panjakana. Fa dia niondrika nivavaka sy nandinika ny baiboly moa ary manantena an'i Jesoa no tena nimasoana:?





4. rabilabila ( 04/03/2008 21:52)
NY tena olana dia : Mailhol a pignon sur rue ,voaasa any amin'ny prézidansa sns.........rehefa misy hetsim-pirenena .
Masaka ny voaloboka any Madagasikara ka mioty daholo izay te-hioty ary hita amin'izay fa nahazo tso-drano tany amin'ny mpanao gazety .
Amin'ny tany toa Madagasikara dia : les votes s'achetent avec des ariary ,ary ny royaume des cieux par la peur .Avy eo dia mbola misy guerres de chapelles , guerre d'influence.
Mampalahelo ny Mpiray tanindrazana , ny etat mi-demissionne na complice .Tsy misy feo (na artista , na mpanao gazety ,na ireo lazaina fa intellectues )miakatra na iray aza .
5. fijo ( 04/03/2008 22:50)
io voalazan'i rabila io no ten atiako hiaviana.lasa atao resaka fampihorohoroana le finoana.
"nisy nifanaraka taminay ny ao;..."nifanaraka ahoan amoa izany ry maihlol??????nazavain'i belzeboba ve le fomba fifanarahana???ary tena efa mitetika ny ho filo marina lery io an???tazana le hetsika
6. ikalamako ( 04/03/2008 22:52)
misy raha la tera :roll:
7. fijo ( 04/03/2008 22:55)
izay marina le
8. ikaretsaka ( 04/03/2008 23:38)
ahitan-draha marina... fa marina kao ny an'i bila io an

Amin'ny tany toa Madagasikara dia : les votes s'achetent avec des ariary ,ary ny royaume des cieux par la peur
(misy hiran'i samoela sy i sareraka milaza an'io raha tsy diso aho)
9. fijo ( 04/03/2008 23:39)
ary tea mbola ampiasaina be mihintsy io ,izay no tena ratsy.
10. rakapy ( 05/03/2008 04:33)
=))=))=))=))=))Zazakely any @ T3 mino ny tantaran'i Trinobe sy ry Darafify ary ireo izay matahotra no mino an'io=))=))=))=)) mifangaro ny politiky sy Kristy :-D:-D:-D maninona moa rehefa mifangaro ny rano sy menaka ao @ fiara? Mitaby biel!
11. ours ( 05/03/2008 05:25)
tssss...!!! tsy hita intsony izy ity re-olona fa izay ampiety ny fiainana sisa imasoana a, aleo izy hilaza izay tiana ho lazaina eo.
12. razaordira ( 05/03/2008 11:25)
Normal kosa ny vahoaka raha voatarika hino resaka devoly-devoly ohatran' io eto Madagasikara e.

Ny hopitaly eto amintsika aza anie (hopitaly loteriana) ka mampiasa ny exorcisme (= fandroahana devoly) ho anisan' ny fomba fitsaboana ny marary-saina e.
Taiza koa no mbola nisy firenena sahala amin' izany ? Eto Madagasikara ihany e.

Finoana ==> ampiasaina hampihorohoroana sy hanaovana lavage de cerveau.
13. fijo ( 05/03/2008 21:56)
indrisy fa mihemotra ianao ry firenenko.ary loza satria ny finoana no lalana entina hanemorana anao lavitra ny hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0573