NY Bôlina KITRA GASY

1. eisy ( 03/03/2008 14:00)
Ny hevitro no ho lazaiko ka asa raha ho tohizanareo
Tato ato dia toa izao ny fandehan'ny baolina kitra gasy

1-isaky ny mba manao fifaninana iraisam-pirenena any ivelany dia mitondra faharesena fôôôna

2-Tsy mba misy tafakatra amin'ny dingana avoavo mihintsy na iray aza fa de resy lava

3-Mazava ho azy fa de tsy nitondra Amboara ho an'ny Firenena ihany koa izany.... na de teto Madagasikara aza no nanaovana ny lalaon'ny nosy

Nefa anie ka

1-ry lerony ireo no tena atao manakoako hoby ery amin'ny samy federasionina e!

2-nanafarana expert manokana mihintsy (GER) avy any an-dafy

3-ireo lazaina fa Pro any an-dafy de nafarana daholo

4- ary ny vola nolanianana tamin'ny rediffusion'ny CAN izay tsy nandraisany anjara akory..

5-Ity rotaka be teo mahamasina noho ny tsy fahatomombanan'ny fikarakarana lalao...

TSy aleo ve foanana tanteraka ny kitra Gasy e! de mba samy miverina milalao eny an-tanimbary... fa eny no sahaza antsika
1-Foanana ny federasionina sy ireoclub be de be nefa tsy handraofana akory
2-De omena ny taranja hafa i Mahamasina sy ny vola tokony homena an-dry lerony.
3-Aleo mba izay zavatra hay ihany no atao

novalian'i eisy ny 05/03/2008 07:52
2. Jeankely ( 03/03/2008 14:57)
Izaho moa tsy mpanao kitra ary tsy manaraka firy intsony. Tena anisany nankafizin'ny Directeur-n'ny sekoly hatrany aho ary lany foana taloha saingy niala mihintsy satria ny foko no marary nohon'ny ataon'ny namana. Nanao lalaon'olo-tokana ary tany no nanamafy satria rehefa mitandrevaka dia vaky ny vava ary tsisy namana ialana pas. Mbola tsy lasa alavitra koa na anasiny favy ihany hoy ny Gasy. Ny tiako lazaina dia hoe samy sahirana ary faobe saika @ sehatra rehetra io tsy fahombiazana io ka tsy mety ny dia tena manome tsiny. Aleo hitohy ny lalao fa sao lasa manendaka na mpangalatra indray koa ny mpilalao.
3. Tokinao ( 03/03/2008 20:58)
eisy > tokony ho sainintsainina mihitsy ireo voalazanao ireo. Izaho moa dia lasa tsy tia an'ity lalao iray ity (ny foot) satria dia tsy mbola ao mihitsy ny ekipantsika 'ko.


Jeankely:
Aleo hitohy ny lalao fa sao lasa manendaka na mpangalatra indray koa ny mpilalao.[/b]


:lol: :lol::lol: :lol: :lol:


4. Veloo ( 03/03/2008 21:17)
isaky ny mba manao fifaninana iraisam-pirenena any ivelany dia mitondra faharesena fôôôna


so dia tsy ampy sakafo ry zalahy?
5. ikaretsaka ( 04/03/2008 02:48)
petanky izao tsara ampiroboroboana fa tombondaka eran-tany ny gasy, ny hazakazaka ambisikleta sy atletisme mba misy tsaratsara plasy ihany..
saingy tsa hita mihitsy
6. eisy ( 04/03/2008 06:47)
Fa angaha moa rehefa tsy avela hanao foot de hanao mpanendaka????
ka na ho any ary anie ry lerony mbola mety ho resin'ilay olona tadiaviny endahina koa e!
7. Jeankely ( 04/03/2008 10:45)
eisy eeee. Ny mpanendaka aza efa manana basy, manafika toby koa mbola hampian'ny mpanao baolina ho laninao aiza. Efa mitaraina daholo ny rehetra hoe tsisy fandriampahalemana koa aiza indray ny mpanendaka resy izany. eisy eeeeeeeee. Inona no taranjanao sa mpankafy mijery. Manaova mba ahitanao izany hoe vaky vava nefa mbola resy.
8. ikaretsaka ( 04/03/2008 14:51)
de maninona kosa hoe rehefa tsy hanao foot intsony kosa izy de lazaina hoe hanampy isa ny mpanendaka??
mba hafa koa izany eritreritra izany
9. andryrabe ( 04/03/2008 23:23)
f'angah kosa rehefa ratsy de tonga de ariana e, raha mba mahatsapa fa tompony de manamboatra ihany ary mitady izay fika rehetra hanatsarana azy fa tsy hanary. io ny antsika naratsy na tsara, tsy maintsy tadiavina izay hanamboarana azy. zahay aloha de malahelo foana rehefa resy e, fa mba faly kosa rehfa misy fandresena kely. ny kiana azo atao fa tsy ravana izany kaaaaahh.
10. eisy ( 05/03/2008 07:52)
hoy Jeankely:
Manaova mba ahitanao izany hoe vaky vava nefa mbola resy.
Bobaka noho ny vaky vava ry lery no efa hitan'ny bandy a!.. vava vaky ve de atahorana.. aiza izany e!.Izahay de nanao fanatanjahan-tena mahery vaika noho ny baolina kitra; fa raha ny kitra gasinao de aotra beeeee! sady resy lava. tonga amin'ilay kôzy hoe "aza mijabaka amin'ny zavatra tsy hay..."

andryrabe
Izho indray ry akama de efa manatena fôna hoe resy indray ny gasy amin'ny Kitra
ka rehefa sendra mba maharesy izy de eo aho vao malahelo satria diso fanantenana.
Tadidio tsara fa raha manana bà-kiraro 5 ianao ano an-trano ka misy iray efa hita fa rovitra sy ratsy de tsy maintsy ho arinao iny fa tsy hoe hiezaka ny hanamboatra nefa misy efatra hafa mahavita azy kokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3854