Simba ny toe-tsaina.

1. Fiffi ( 03/03/2008 08:11)

Io ary ilay efa nahiana. Miparitaka ny horonan-tsary vahiny, mahay maka lesona ny gasy. Arivo ariary dia efa mahazo horonan-tsary vahiny, ary samy misafidy izay heveriny fa mahamety azy ny tsirairay. Miainga amin’io ihany koa ny fiparitahan’ny kolontsaina vahiny eto Madagasikara.

Tao ho ao, dia nahitana endrin-javatra tsy mifanahaka amin’ny foto-pisainana malagasy. Firenena iza no sahy hangalatra ny taolam-balon’ireo razany ? Raha ny tarehi-marika dia ny gasy no firenena mpanary anaka indrindra. Tsy vitan’ny zaza mena vava ihany no ariana fa eo ny fisarahan-tokantrano ka samy maka ny zaza eo ankohonany ny ray sy ny reny.

Dia io iharahana mahita io ny famonoana olona saika isan’andro. Nofongorona tetsy sy teroa ireo razana izay nisy namono. Eny fa na hatramin’ny mpivady aza tsy mifandevim-belona intsony. Simba ny toe-tsaina napetraky ny razana tany tany aloha. Inona no vaha-olana ? Tsy hilaza isika fa ny fahantrana no maha-tonga io, saingy misy anjara tandrify lehibe ho entin’ny mpitondra fanjakana. Isan’io ny fanabeazana ny olona ahafantatra ny lalan-tsaina tokony handrindrana ny fiainana. Ny tsy fanomezana laka ny kolontsaina vahiny hitobaka be loatra eto. Ary hampiharina miainga ifotony ny fanabezana ny olom-pirenena hahay hitazona ny foto-pisainana teto amin’ity nosy ity. Saingy andeha amin’ny tokony ho izy ve ireo raha mbola mahantra ny isam-batan’olona ?

Madagascar Tribune (Naivo kely)
novalian'i epsedo ny 30/09/2008 18:49
2. Fiffi ( 03/03/2008 08:12)
Raha ny tarehi-marika dia ny gasy no firenena mpanary anaka indrindra.
de azo jerena am voalaza manaraka ireto......
3. Fiffi ( 03/03/2008 08:14)
Zaza menavava novonoina.

Tany an-davapiringan'olona teny Andraisoro omaly maraina, no nala-tsak'ity tovovavy kely iray, ny zanany menavava. Raha ny fanazavany tamin'ny fanadihadian'ny fokonolona azy tao amin'ny biraom-pokontany, dia nahatsiaro ho narary kibo mafy izy rehefa avy nisotra tambavy afak'omaly. Teny an-dalana anefa izy tamin'io fotoana io ka noho ny fahamaizany dia izay lava-piringan'olona hitany no nidirany.
Tao am-pivoahana tao izy, raha ny fanazavany, no nandre zavatra nidoboka be tao anaty lavaka. Ary lasa nivoaka namonjy an'ilay tovolahy niaraka taminy izy dia nankany amin'ny mpi-tsabo. Ka ilay mpitsabo nandehanany no tsy nanaiky raha nahita ny fihetsiny sy ny toetoetrany, ka nitondra azy teo amin'ny fokontany sy niantso ny polisy.
Ny zavatra hita anefa dia ilay lava-piringa natorony fa nandatsahany ny zanany, dia tsy nahitàna rà na kely aza. Ireo mpamonjy voina rahateo ihany koa, raha nilomano tao anaty maloto nikaroka an'ilay fatin-jazarano, tsy nahita na inona na inona. «Mety ho tany an-toeran-kafa no nandehanany fa tsy tato. Izahay rahateo teto an-tanàna foana ka hitanay izay miditra ao», hoy ireo tompon'ny lava-piringa.

Nirina Rakotoson
L'Express de Madagascar
4. Fiffi ( 03/03/2008 08:15)
Zaza menavava novonoin-dreniny.

Nentina nesorina tany amin’ny renin-jaza ilay zaza fito volana an-kibo nefa velona ihany. Tsy nokarakarain-dreniny ary maty ilay tsy manan-tsiny.

Tsy namelan'ity renim-pianakaviana iray raha tsy maty ilay zanany tao an-kibo. Tany amin’ny faritr'Anjozorobe, tao Anativola Antanetibe no niseho ny tantara. Fito volana an-kibo ilay zanany no nentiny nesorina tany amina renin-jaza. Dia afaka tokoa. Saingy rehefa latsaka dia tsy araka ny nampoiziny fa velona soa aman-tsara ilay zaza. Niaina sy nitempo tsara ny fony.
Dia tsy maintsy nentiny nody. Saingy rehefa tonga tao an-trano dia tsy nokarakarainy. Tsy nomeny
sakafo sy nampitafiany fa navelany ho faty.
Mbola velona 5 andro teo ihany anefa ilay zaza vao namoy ny ainy.
Manam-bady ity renim-pianakaviana ity, ary efa niteraka iray. Saingy tamin' io fotoana io izy, noho ny disadisa teo aminy sy ny vadiny, dia tsy nody tany aminy fa namonjy ny tokantranon-dray aman-dreniny.
Ny mpiara-monina tamin' izy ireo no nampahafantatra tamin'ilay rangahy vadiny ny zava-nisy nataon'ity renim-pianakaviana ity. Teo no ho eo ihany izy, araka izany, dia nampiakatra ny raharaha tany amin'ny zandary ary natao ny famotorana ka teo no namborahany ny fihetsika nataony tamin'ny famonoana an'ilay zaza.
Natolotra ny Fampanoavana tao Anosy ny
raharaha. Indray voarohirohy tamin'ity renim-pianakaviana ity tamin'izao raharaha izao moa ny reniny nampiantrano azy sy ilay renin-jaza nampiteraka. Saingy nomena fahafahana vonjimaika.

Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
5. Fiffi ( 03/03/2008 08:16)
Renim-pianakaviana nanary zanaka.

Velona soa aman-tsara ilay zaza menavava vavikely narian-dreniny tanaty ala, tany Manjaka, amin'iny faritr'i Merimandroso iny, ny alakamisy teo.
Mpaka kitay niditra tanaty ala no nahita azy. Tsy nisy fitafiana izy na dia iray aza sady efa hotsaky ny orana tanteraka. Notetehiny hovonoina mihitsy ilay zaza raha ny fahitàna azy satria mbola nahohony no nototofany hodi-kazo tsy hahitàna azy. Saingy ny feon-jaza nitomany moa tsy hay nafenina ka dia izay no novonjen'ireo mpaka kitay narahina. Novonjena aloha ilay zaza. Avy eo nokarohina ny reniny.
Avy hatrany dia tany amin'ilay renim-pianakaviana iray nitondra vohoka tao an-tanàna no niantefan'ny sain'ny fokonolona. Nozahaina tokoa taorian'izay ity renim-pianakaviana ity ka fisa-kibo toy ireny olona tsy bevohoka ireny.
Niantso ny zandary ny fokonolona avy teo ary ny asabotsy teo no natolotra ny Fampanoavana ilay renim-pianakaviana.
Ilay zaza moa dia ny toby mitaiza zaza iray any an-toerana no nandray azy vonjimaika mandra-piandry ny didim-pitsarana.

Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
6. penina ( 03/03/2008 09:17)
Tonga soa aloha. :wink:
7. paris10 ( 03/03/2008 11:29)
tonga soa fiffi,ela zany akia,misaotra ndrindra noho ny fanampiana akia ry fiffi,faly b aho niverina ianao,tohizo akia ny fanentanana, dinika matotra fa tena lasa hafhafa b ato a!:-*:-*:-*:-*:-*
8. xxx ( 03/03/2008 11:36)
mampalaelo b ilay zaza rehetra fa lé olondebe koa no efa tsy mierirteritra(c trop dégeulasssssssssss)
9. tslem ( 03/03/2008 11:58)
fiffi >>> misaotra betsaka mampita vaovao :-*:-*:-*
10. ainaheri ( 03/03/2008 13:44)
saotra nampita vao² fiffi a,fa misy oul alika mitsiny a,mahavanondoza
11. Veloo ( 03/03/2008 17:02)
aina misy olona ratsy lesy a fa tsy oe alika a hihihihi

fiffi tonga soa ndray o:-*
12. sakaizakely ( 03/03/2008 17:55)
tonga soa indray Fiffi :P:P:P

taiza foana :-P
13. Fiffi ( 03/03/2008 18:46)
penina

paris10

tslem

Veloo

sakaizakely

heu....misaotra anareo...:) :-*:-* tena sahirana be de mba nisyfotoana kely njay kalou zao de mba eto an ! :):-*:-*:-*



14. Papoose ( 04/03/2008 04:26)
:-D :-D

oops ntsooo le tantara!:cry:

8)
15. mitia04 ( 04/03/2008 11:35)
simba marina ny toe-tsaina!:(
16. fahamarinana ( 04/03/2008 12:22)
:arrow: Misaotra nampita vaovao e,tena grave be,tsy hita atao commentaires(l)
17. Veloo ( 05/03/2008 03:44)
mitia04 [ Valio ] 04-03-2008 12:35:48
Lohateny : Re : Simba ny toe-tsaina.
simba marina ny toe-tsaina


mbola ho avy ny pira:(
18. rakaroka ( 14/03/2008 07:54)
Salut akia 'njy Fiffy :-*:-*:-*:-*
Tonga soa 'ndray!:-*:-*:-*
Sssssssss Tena mampalahelo ; mahonena loatra akia
ny fitsitongan'ny fiainana toa izao. :-w:-w:-w
'zaho koa aza valalanina hoe inn aza no "possible "tant que kitay lavitry ny afo isika aty
:roll::?::oops::oops::?
19. xxx ( 07/05/2008 20:53)
salut liaby e Tsy mahagaga zany fa manaova izay hapajary anao fa izahay de tsy maintsy manao satria zahay tsy hamaky trano na hanendaka fa mba io no firam-bolanay veloma
20. epsedo ( 30/09/2008 18:49)
slt! ary nareo ve mahatsapa fa simba koa ny teny malagasy ? satria raha misy gasy indrindra fa ny tovovavy raha miresaka any andalana eny dia tsy miteny gasy nefa ny vahiny aza tonga eto @tsika mihezaka miteny gasy !!! :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0487