Zanak'Olona

1. Kwasi ( 01/03/2008 11:24)
Jesosy Kristy, ombieny ombieny, dia milaza azy ho ZANAK'OLONA. Nefa etsy ankilany dia mampiseho @ fampianarany sy ny famantarana (fahagagana) fa izy no ilay Mesia, Zanak'Andriamanitra.

:?::!:?????
Inona no tena dikan'io OLONA io?
novalian'i fijo ny 05/03/2008 22:35
2. Johane ( 01/03/2008 12:08)
Andriamanitra i Jesoa satria zanak'Andriamanitra
3. soanja ( 01/03/2008 16:01)
Raha ny fahaizako azy aloha dia manana ny DNA toy ny olombelona rehetra azy ary mety maty tokoa.

Io no maha Zanakolona azy. Te hilaza izy fa na dia Andriamanitra aza aho dia hofaty tokoa.

Saingy ny Fanahy any aminy koa dia maharitra mandrakizay ary manenika ny tontolo iainantsika sy ny tontolo hafa saro-takarina. Ary izay no mahaAndriamanitra azy.

4. Rasiligaoma ( 02/03/2008 05:32)
Naterak'olona anie i Jesoa na zanak'Andriamanitra aza e Tsy olona ve ny Reniny?
voavaly ny fanontaniana
5. rijadolly ( 02/03/2008 05:35)
soanja:

Raha ny fahaizako azy aloha dia manana ny DNA toy ny olombelona rehetra azy ary mety maty tokoa.

Io no maha Zanakolona azy. Te hilaza izy fa na dia Andriamanitra aza aho dia hofaty tokoa.

Saingy ny Fanahy any aminy koa dia maharitra mandrakizay ary manenika ny tontolo iainantsika sy ny tontolo hafa saro-takarina. Ary izay no mahaAndriamanitra azy.


Misaotra soanja,mitovy hevitra tanteraka
Jereo any amin'Ezekiela Mpaminany betsaka ao sy Daniela 7:13 http://baiboly.org/toko.asp?boky=DANIELA&toko=7&andininy=13-13&dika=ls-web


6. Rasiligaoma ( 02/03/2008 06:23)
ho anay tsy mahay DNA izany aloha dia hoe nateraka izy fa tsy natao e, dia olona no niteraka azy
7. rijadolly ( 02/03/2008 07:10)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=DANIELA&toko=7&andininy=13-13&dika=
8. Rasiligaoma ( 02/03/2008 07:12)
fa inona ity tehaka be ity r'ise?
9. rijadolly ( 02/03/2008 07:39)
Za koa aza mba gaga andraso anie averiko raha tsy mivoaka ao indrray angamba io é http://baiboly.org/toko.asp?boky=DANIELA&toko=7&andininy=13-13&dika= izay vao azoko raha vao manao = miampy D miaraka ianao dia mivadika io mitehaka io:idea:
Ity ilay teny Daniela7:13 "Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany."
10. nandrianina1 ( 02/03/2008 10:51)
=))=)) to mampme ko ndry rija zany
11. nandrianina1 ( 02/03/2008 10:54)
manoratra we "=" sy "D" rjdll de tsis espace le iz de lasa mitehaka aniela:-D
12. nandrianina1 ( 02/03/2008 10:59)
kanefa ane na de samy zanakolona aza isika rehetr de rehetra miresaka we Zanakolona de tonga mifantoka any ny sain'ny maro e
13. yonikafopl ( 03/03/2008 08:33)
mitovy hevitra am soanja
14. rakaroka ( 03/03/2008 08:36)
Johane:

Andriamanitra i Jesoa satria zanak'Andriamanitra

Raha Andriamanitra i Jesoa ary inoantsika teny: hoy izy "raha mivavaka ianareo dia ataovy hoe : "rainay izay any an-danitra"=> zanak'Andriamanitra koa isika, En quelque sorte Andriamanitra koa izany isika:wink:.

15. yonikafopl ( 03/03/2008 08:41)
rakaroka :-w:-w:-w
16. majesty ( 04/03/2008 06:24)
Anisan'ny anarana tian'i Jesosy iantsoany azy io "zanak'olona" io,fa ankoatran'io dia maro ihany koa ny anarana fiantson'ny olona azy,ohatra hoe raby,mpampianatra,....
17. fijo ( 04/03/2008 23:33)
amiko aloha rah amisy andriamanitra dia isika ihany e.
18. Rasiligaoma ( 05/03/2008 05:15)
majesty:

Anisan'ny anarana tian'i Jesosy iantsoany azy io "zanak'olona" io,fa ankoatran'io dia maro ihany koa ny anarana fiantson'ny olona azy,ohatra hoe raby,mpampianatra,....


ny fanontaniana ange tsy hoe inona daholo ny anarana fiantsoana an'I Jesosy

fa hoe maninona izy no atao hoe "zanak'olona"

ohatra hoe nantsoina "rabi" na "mpampianatra" dia satria izy nampianatra!
19. fijo ( 05/03/2008 22:35)
zanak'olona satria dadany olona mamany olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0528