Hetsika namana-mad, fanampiana traboina eto an-toerana

1. zamanoro ( 29/02/2008 01:53)
Miala tsiny raha izao vao manoratra eto
Fa ho antsika izay afaka
Dia manasa antsika rehetra ny "NAMANA-MAD", mba ho tonga amin'ny fifanomezan-tanana ho an'ireo Traboina noho ny rivo-doza Ivan, izay atao ao Pleasant/Adam's Morgan.

Kelly
Friends of Madagascar's

Ny zoma harivan'ny 29 Febroary, izany hoe anio, manomboka amin'ny 6-9 alina. Eto no iarahantsika sady mba mifaly no manao adidy. Koa hisy baolina anatazana izay foy.

Ho hitanao ao daholo, ireo namana rehetra efa niasa sy nanao adidy teto Madagasikara fahizany.

Koa tongava maro fa ny adidy vita ny fahafinaretana ho azo, eny fa dia mba hitafata fotsiny aza.

Ny toerana dia ao DC, ao amin'ny HAYDEES, Mount Pleasant (Ankavanan'ny Columbia Heights Metro)
novalian'i soanja ny 01/03/2008 16:05
2. Papoose ( 29/02/2008 08:34)
Misaotra nampilaza fa sarotra ny ahatongavana any!
3. Rasiligaoma ( 29/02/2008 09:09)
hijery baolina izany ve ?
@ fomba ahoana no hanatazana zavatra @ "baolina" ........ (sa ilay baolina tsy eritreretiko io fa baolina hafa?)

namana mad???????8O8O8O8O (=namana tezitra sa namana adala?)
4. ravatorano ( 29/02/2008 09:39)
misaotra anareo manao ny hetsika ho an'y mpiray tanindrazana aty madagasikara e
=D^:^^:^=D
:wink:
5. xxx ( 29/02/2008 14:56)
zamanoro:

Dia manasa antsika rehetra ny "NAMANA-MAD"

fikambanana inona kay io e ?
zamanoro:

Pleasant/Adam's Morgan. DC, ... ao amin'ny HAYDEES, Mount Pleasant (Ankavanan'ny Columbia Heights Metro)

Misaotra manentana รด! Ilay toerana moa dia tsy haiko io na aty Japon, na any bekintana, na koa ao frantsa, na beljika, sns ka dia tsy mahakasika anay angamba :wink:


6. Veloo ( 29/02/2008 17:18)
Ilay toerana moa dia tsy haiko io na aty Japon, na any bekintana, na koa ao frantsa, na beljika, sns ka dia tsy mahakasika anay angamba


Ny toerana dia ao DC


District of Columbia (Washington ville)
7. fijo ( 29/02/2008 20:50)
maninona no atao tara be le fampilazana letsy.
tsara le hetsika fa mahereza
8. soanja ( 01/03/2008 16:05)
Mazotoa ianareo Zamanoro. Mahavita be tokoa amin'ny adidy. Misaotra indrindra amin'izay ataonareo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0904