Démocratie = Liberté d'expression sans censure

1. rrgmt ( 28/02/2008 14:15)
Izany ve mo mitranga eto amin'ny seraresera.org, sa misy censure kosa ny lahatsoratra.
Mbola tsy zakantsika ve izany ny Démocratie marina sa.........:oops:
novalian'i Jeankely ny 29/02/2008 08:50
2. tess ( 28/02/2008 15:16)
aiza ilay hoe izany fa tsy hitako....
3. kiadi ( 28/02/2008 15:26)
ka ze tin'ny tompony ihany io ko!! :lol::lol:
4. ikaretsaka ( 28/02/2008 15:45)
samy manana ny fomba fanehoany ny heviny kosa aloha eto e...misy ny mivantana misy ny misangojy misy ny mahery vaika.. misy ny maika tsy faingana.
rehefa miseho ilay hevitra .. izay no important. sady tsy mbola nisy totohondry be nivoaka ny ecran dia hoe hospitalise fa tratran'ny "mawasian-tsera"
aoka le
5. Jeankely ( 28/02/2008 15:54)
Arakaraka ny haavon'ny mpifanerasera no ahafahana manao izany. Ny Demokrasia dia samy manana ny hamaritany azy daholo ary tsy mitovy eran'izay aleha rehetra erantany. Ny Malagasy sasany ohatra mihevitra fa fiainana ao anaty ala tsy misy fetra no atao hoe fahafahana sy demokrasia.
Raha manimba ny sain'ny sasany dia mendrika ny hanalana azy satria tapitra ny fahafahanao rehefa mitsabaka ny fahafahan'ny sasany. Eto ohatra hialako tsiny mamerina ilay ratsy, ny zavatra mba tian'ny sasany avoatra dia ny resaka adim-poko, fotsy sy maty sns. Raha tompon'andraikitra ianao dia feranao izay tsy hitarany satria manimba saimbahoaka. Ilaina ny "Censure" ary misy dingana io.
6. penina ( 28/02/2008 16:53)
rrgmt> mamerena mamaky ny filozofy politika
democratie = demos (vahoaka) + cratos (fahefana)

tsy misy mihitsy amin'io hoe "Liberté d'expression sans censure".

raha resaka liberte (fahafahana) indray, misy ny hoe liberte civile sy liberte sauvage.

Amin'ny demaokrasy, izay maro an'isa ihany no mitondra azy, raha censure no lany dia izay izany.

Faharoa, misy koa ny atao hoe lalana anatin'ny fikambanana. Rehefa nanaiky ny hiditra mpikambana ianao dia nanaiky ny lalana mifehy azy.
7. Veloo ( 28/02/2008 18:11)
penina efa nivadika ny dikan'ny democratie kle...
novaina hihihi:-D:-D:-D:-D
8. niryna ( 29/02/2008 06:25)
rrgmt:

Izany ve mo mitranga eto amin'ny seraresera.org, sa misy censure kosa ny lahatsoratra.
Mbola tsy zakantsika ve izany ny Démocratie marina sa.........:oops:


inona no tian'i rrgmt tenenina :roll::lol:
9. Jeankely ( 29/02/2008 08:50)
Ilay "rrgmt" manokatra hevitra fotsiny fa tsy miaraka mifanjevo mifanakalo. Ny Demokrasia mihintsy vaomaika tena mila Censure. Mazavabe ny nomen'ny "penina".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7202