samborinahono izay manaofanamiana miaramila

1. salopard ( 22/02/2008 15:39)
nefa i dadatoavalo,lohany indrayno manondrana, sy manao izany ;dia ahoana io ?
Tsy misy manao bizina raha tsy izaho;
tsy misy manao fanamiana miaramila raha tsy izaho;

ny manaraka?

saotra valo a! ataovy mamaka mihintsy ireo e!

toa hanao travesti indray hono zoky valo ato ho ato

tsy ampy d^zy aloha e!
tchouff, sniff, ....
sao misy any ra-jeankely sy badboy a!




novalian'i Jeankely ny 25/02/2008 00:44
2. Jeankely ( 22/02/2008 17:55)
President mahazo manao akanjo Miaramila satria lehiben'ny miaramila fa Salopard tsy azo atao satria manendaka. Sniff tsy ampy dozy salopaka.
3. badboy ( 22/02/2008 18:00)
Jeankely [ Valio ] 22-02-2008 16:07:06
Lohateny : Re : B Oubama sy H Clinton
Izaho mifidy an'i Ravalomanana


:^):^):^)
4. Jeankely ( 22/02/2008 18:01)
Allo Derika
5. xxx ( 22/02/2008 22:09)
salopard:

nefa i dadatoavalo,lohany indray no manondrana ...


Colonel Pierre Sajy, sénateur de l’Arema ao @ :

http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=15085 : Le port de tenue militaire est réglémenté. A mon sens, seuls les militaires en exercice ont le droit de l'arborer
...
Est-ce que la loi a changé, se demande-t-il. Pourquoi le gouvernement interdit le port des effets vestimentaires proches de ceux de l'armée en couleur, alors que le chef de l'État en personne fait le contraire ? Cela veut-il également dire qu'il peut porter la toge parce qu'il est le président du Conseil supérieur de la Magistrature



Raha ireo no kritika mba heno dia hoy aho hoe : misy dia olona faly manakiana fotsiny 'kay.
Ny filoham-pirenena ange ka filoha faratampon'ny foloalindahy e ( chef suprême des armées ). Izany hoe ao anatin'ny tafika izy , na dia tsy miaramila aza.

Fantatro tsara fa hain'ny colonel Pierre Sajy izany fa dia ataony fotsiny izay ahitàna fanakianana, sy handrebireby an'ireo tsy manam-pahalalàna. Vao miaramila vatatay dia efa io no isan'ny lesona voalohany, ( le president est le chef suprême des armées) ka mampalahelo ahy ny ahasahian'io colonel io miteniteny foana tahaka io. Io no mahatonga ahy hiteny hoe : misy dia olona mitady ny hanakiana sy handrebireby fotsiny. Mampalahelo :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: .

Izaho manokana dia takatro tsara ny antony nanaovan'ny filoha iny fanamiana iny. Alaivo sary an-tsaina ange hoe : akanjo fotsy, na costard no nanaovany e! Ho toy ny inona ny kritikan'ny gazety rehetra maneran-tany (ny mpanohitra @zany tsy lazaina intsony): "ny vahoaka rovi-damba nefa ny filohany tsy kasihan-dalitra", sns

Ny "treillis" moa amin'ny miaramila dia manambara "état de detresse" ( par opposition aux tenues de ceremonies ou de travail, qui , quant à elles, se portent pendant les cérémonies et le travail de chaque jour) : izany hoe "tena nampiseho ny filoha fa miara-miosina @ vahoaka".

Mbola ho ela re tsika vao tafarina zareo a. Ireo ray aman-dreny andrandraina indray no mampivandravandra! marina e :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry:
6. xxx ( 22/02/2008 22:18)
fangah mbola any ihany i colonel sajy???? namana akaiky ny fianakams taloha, olona tsara...ilay lehiben'ny pompier taloha ve aloha io???
7. badboy ( 22/02/2008 23:58)
Fa ra film XXX ty ve schyzophrène sa tratran'ny dédoublement de la personnalité sa ahoana fa otran'ny sady manome hevitra no sady mamaly aveo! 8O8O8O

Sa fomba (méthode) fanodikodinana ny lohan'ny forumiste njay io??:roll::roll::roll:

Fantatro tsara fa hain'ny colonel Pierre Sajy izany fa dia ataony fotsiny izay ahitàna fanakianana, sy handrebireby an'ireo tsy manam-pahalalàna.


fangah mbola any ihany i colonel sajy???? namana akaiky ny fianakams taloha, olona tsara...ilay lehiben'ny pompier taloha ve aloha io???


:?::?::?::?::?::?::?::?::?::?:
8. kanota ( 23/02/2008 03:01)
Tsy mahagaga fa Colonel tsy nandalo Guerre. Ny nandalo sy mahalala Guerre mahalala ny voninahitry ny President. Ny resaka no betsaka ary tsy mety hitovy @ miaramila @ firenena hafa. Galonabe fotsiny.
9. pika ( 23/02/2008 04:39)
:-w:-w:-w
avy be ny orana dia sao potika eo kosa ny ankanjony koa :D:D
10. mmmhh ( 23/02/2008 06:13)
tsisy lamba tsony izy fa naloto dôly de nampindram-dry zalà akanjo!! :-D:-D:-D=))=))
11. Jeankely ( 23/02/2008 11:42)
Efa hoe tsy mahita ho resahina dia izay no marina. Ny tsy fantatra ho Miaramila ary mampifangaro no enjehina koa tsy fantatra angaha ny President? Fitavozavozana ihany no mahatonga an'io. Afaka anaovana io fa rehefa tsy mahefa ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana dia "faux problemes" no avoaka. Izaho tsy hino fa ny President no nilaza hoe sambory ny miakanjo Miaramila fa ny Mpitandro filaminana no mitady hevitra hifehezany ny asany.Dia azo hinoana ve fa ny President daholo no mibaiko izay rehetra hatrany @ fokontany madinika any fa tsy ny Mpikambana @ fokontany ao no manao izay hampety ny asany. Ilay lasa andafy indraindray manao resaka maizina ampototry ny mazava.
12. xxx ( 24/02/2008 13:41)
Jeankely:

Ilay lasa andafy indraindray manao resaka maizina ampototry ny mazava.


Marina ny teninao jeankely a! Zah mahafantatra gasy namako aty france aty : tsy manana bacc izy nefa mieritreritra ny hanao minisitra any Mkara hono :wink:. Tena misy manao ny gasy ho vendrana mihitsy.

Fa dia tsy ny rehetra kosa aloha an :wink:. "indraindray" araky ny teninao :)

13. Jeankely ( 24/02/2008 14:44)
Izaho tsy manenjika ny lasa andafy ary na ny tenako aza tsy any antoerana. Fantatro tsara fa misy Malagasy mpampianatra @ Université any Japan, US ary ny ao Frantsa tsy resahina intsony. Ireny olona ireny tsy be vava ary tsy mihevitra ny mandeha ho azy fa ry mpijapy machine sahalan'ny tena mahay amin'ity politika mandanderoka. Izay ahakivy ny vahoaka no tena tiany fa tsy ny hampiakarana ny herimpo hilofotra. Amin'ny fomba ahoana no ampitoviana ny Président sy ny olona eran'ny lalana? Ny haja sy zavatra azon'ny President atao tsy ho azoko atao. Ny Président hisolo any aoriana fa tsy misy milaza olona iray ho mpanjaka akory. Mba hajaina izay toerana sahaza ny toerany fa manjary sahirana ny Président manaraka.
14. Mio21 ( 24/02/2008 22:11)
Mpamaky fotsiny an'ity dinika forum politika ity a, rehefa misy fotoana mazavament, fa mba te-hamaly kely fotsiny aho androany. Marina tokoa fa ny Filoha dia "chef suprême des armées ", na izany aza anefa, tsy midika hoe tsy maintsy manao fanamiana miaramila izy. Ankoatr'izay, tsy hanaovanaovana foana iny fanamiana iny fa voalohany, manana ny valeur-ny sy ny engagement rehetra mifanaraka aminy iny fanamiana iny rehefa hanaovana, dia ny lalàna mifehy @ maha-mmiaramila izany rehetra izany; faharoa, rehefa mitafy an'iny fanamiana iny ny miaramila iray dia tsy maintsy mipetraka eo antsorony eo ny Galonany (Grade), dia tsy haiko hoe mba fantatrareo ve hoe inona izany no grady napetraka teo antsoron'ny Filoha teo ampanaovana ilay fanamiana, Jeneraly ve sa Kôlonely ve, sa Vatatay (ilay mbola tsy manana Grady ho apetaka io an)? Mety mbola misy fahatelo sy fahaefatra sy fahadimy fa mino aho fa efa ampy aloha ireo. Misaotra.
15. rakapy ( 24/02/2008 22:15)
Mio21> jereo tsara ny sary @ gazety fa sachet-na yaourt a boire Tiko no galona teo an-tsorony!
16. Mio21 ( 24/02/2008 22:25)
Fampahatsiahivana :

Ingahy Ratsiraka, t@ fotoana naha-filoha azy dia nanao Fanamiana, ara-dalana zany satri miaramila izy, Amiraly.

Ingahy Zafy Albert, t@ naha-filoha azy dia tsy nanandrakandrana nanao fanamiana izany, mety tsy tao antsainy akory aza angamba izany.

Ingahy Filoha ankehitriny, misy antony manokana tsy mety tsy ho takatry ny saintsika ve nanaovany an'io fanamiana io, sao dia enga anie sanatrian'izany, ka mba te-hanindry fotsiny an'ilay voalohany. Mino aho fa tsy izay ka.
17. Jeankely ( 25/02/2008 00:44)
Anisany tsy hisian'ny fandrosoana ny mandany andro amin'ny resaka tsy hinanankanina hoy ny rehetra. Raha manao akanjo miaramila ny Filoha dia izay ve no hitarika ny olona hoe manaova daholo? Fantatry ny olona ny lazaina azy hoe tsy azony atao ary tsy izay anaovan'ny Président no harahina. Raha Colonel no miresaka ka arahina antsipiriany ny zavatra ataony sy hiainany dia ho hita koa ny kilemany rehetra. Rehefa tia hanjera fitondrana dia ampiasaina daholo izay hita rehetra ary hitarina sy atao hisainan'ny olona. Misy aza no mifidy ny "Anarchisme" rehefa miala aminy ny fahefana ary faly @'ny gaboraraka. Aza adino fa na hiverina aminao aza ny fitondrana dia sarotra ny hanamboatra ny saimbahoaka voakolokolo amin'ny samy mandeha samy mitady.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0932