Loi réctificative et ses conséquences!!

1. badboy ( 19/02/2008 10:40)
Raha ny tantara no jerena dia hita fa "loi réctificative" no nametrahana ny fanendrena ny filohampokotany eo anivon'ny "préfet de police", izay teo ampelatanan'ny maire taloha. Ny tena mahagaga dia nofidiana ilay lalàna tao aorian'ny nahalany an'i TGV!

Ka ny fanotaniako dia hoe tsy azo foanana ve io lalàna io satria

  1. Tsy mifananraka @ lalampanorenana.
  2. No sady mahatonga "insécurité juridique".

novalian'i badboy ny 20/02/2008 11:03
2. simplex ( 19/02/2008 12:56)

badboy:
Raha ny tantara no jerena dia hita fa "loi réctificative" no nametrahana ny fanendrena ny filohampokotany eo anivon'ny "préfet de police", izay teo ampelatanan'ny maire taloha.
decret noraisina tao @ conseil de ministres io fa sy loi rectificative akory ka...

badboy:
Tsy mifananraka @ lalampanorenana.
mety mifanohitra @ zay ngambany ny tena marina. Organe deconcentrEe an'ny fanjakana ny Fokotany, noho izany prerogative an'ny fanjakana ny manendry an'ny representant-ny ao (filoham-pokotany).
Teo aloha ny Maire no nanao izany, satria nankatoavin'ny fanjakana izany (satria koa tim le maire no tena marina e)... fa en premier lieu, ny fanjakana no tokony manendry, izany hoe ny prefet de police.

badboy:
No sady mahatonga "insécurité juridique".
velabelaro kely hoe :P
3. badboy ( 19/02/2008 17:58)
Etat de droit DAGO, dikany dia hoe ny lalàna no mifehy ny olondrehetra. Raha toa ka hovaina isaky ny tsy mifanaraka @ tian'ny mpitondra ny lalàna iray, dia midika hoe ny mpitondra no manao ny lalàna fa tsy ny solombavambahoaka! Izany hoe ny mpitondra mbola ambonin'ny lalàna fa tsy voafehiny!

Ra toa ka "décret" marina no novaina mba hahafahan'ny préfet manendry ny filohampokotany, dia tokony alohan'ny fifidianana ilay izy no natao. Ilay izy moa nefa natao taorian'ny fifidianana dia mitondra any @ io "insécurité juridique" io satria ny fahefan'ny "maire" mihintsy no miova sy lasa mihatery!!! Dia raha io ary vitany ny nanova azy nefa tsy "légitime" no sady "inutile" de ho inona ndray koa ny manaraka???
Izay ilay hoe "insécurité juridique"!!!
4. simplex ( 20/02/2008 10:17)

Voalohany aloha, tsy lalana tsotra hataon'ny solom-bavam-bahoaka no manome alalana ny fanjakana hanendry ny filoham-pokotany fa ny lalam-panorenana, izay lalana ambony indrindra. Tsy afaka manao lalana manohitra ny lalam-panorenana ny solom-bavambahoaka...

Faharoa, mety tsy mazava tsara ngamba ilay nolazaiko fa zao, ny prefet manendry filoham-pokotany no legale fa tsy ny maire manendry akory. Izany hoe le teo aloha izany no diso fa tsy ilay vaovao.

Marihiko etoana fa any @ faritra sy distrika hafa rehetra any dia ny prefet sy sefo de distrika no nanendry hatr@ zay fa ny teto Tana hoe manana statut manokana no tsy nanaovana an'zay. Ka zay le izy hoe efa tsy tim tsony ny maire dia averina @ laoniny le izy satria ilay prefet manaraka baiko kokoa noho ilay maire vaovao e... mety hoe degueulas zay fa tsisy zavatra illegal mintsy zany.

Tsy misy "insecurite juridique" araka ilay nazavainao izany ilay izy satria tsy fahefan'ny maire hatr@ voalohany ilay izy. Le resaka statut manokana no tokony no-negocier-na nefa otran'ny tsy nahay nanao fifandrarana lery fa tena niziriziry hoe tsy maintsy izy. Tsy hahazo rariny mintsy izy eo anatrehan'ny lalana ra zay no zizoiny... mangataka faveur kosa ve dia izy ndray no hoe tsy maintsy izao sy izao :)
5. badboy ( 20/02/2008 11:03)
De ilay fomba fanendrena taloha izany azo lazaina hoe "tradition constitutionnelle" ka tokony hitohy!!

Manarak'izay, naninona no naka "décret" hanovana ilay izy ra tena ilay taloha marina no "illégal"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3096