Efa nihinana ati-dohan’olona i Andry

1. ronaldo09 ( 19/02/2008 08:20)
Tovolahy 25 taona i Andry, nitantara ny fiainany hatramin’ny fahakely. “Anisan’ny tiako ny nankao amina tranom-paty satria niasa tamin’ny hopitaly aho; maharomotra ahy tokoa ny mahita faty satria alaiko ny ati-dohan’ilay faty ohaniko. Miresaka amina faty ihany koa ny tenako. Tsy sitrapoko anefa no nahatonga izany fa noho ny zavatra mitoetra ato amiko”, hoy izy. Fony mbola kely i Andry dia efa nahay be ary natsilo saina teo amin’ny fianarana, araka ny filazany. Ny sampam-pianarana fitsaboana no tiany hatao.
“Tokony ho 7 taona lasa izay, tany Toliara, raha sendra niala sasatra ny tenako dia nandeha tany Beraketa. Tonga tao an-tranon’ity rangahy iray izay mpimasy fanta-daza. Raha voa nigadona tao aminy aho, hoy i Andry, dia nilaza ilay mpimasy fa izaho mihitsy no nandrasany mba hitsabo ny vadiny momba. Gaga aho tamin’izay kanefa niteny izy fa raha miteraka io vadiny io dia homeny ahy ny antsasaky ny hery ao aminy. Niteny izy fa afaka roa andro dia hitoe-jaza ilay ramatoa sady nosafoiny ny kibony”. Nafindran’ilay mpimasy tamin’i Andry koa ny hery tao aminy.
Tapa-kevitra i Andry tamin’ny volana novambra 2007 fa hiala amin’ny maha mpitaiza olona azy. Nanatona mpiandry ny tenany. Araka ny fitantaran’ireo mpiandry roa isan’ny mikarakara azy, rehefa mandalo toerana misy doany i Andry dia mihetsika ny fanahy ao aminy. Efa toerana maro, hoy i Edmond sy i Elie (mpiandry sady loholona) no nitondrany anay. Toy izany ny tany Andrebabe, Alaotra sy ny maro samihafa. Rehefa mihetsika ny fanahy ratsy ao aminy dia tsy mahatazona azy raha tsy olona 20.
source:gazetiko
novalian'i mansoor ny 10/04/2008 16:32
2. Mandefitra ( 19/02/2008 09:01)
Omena an'ireo mankamamy ny fomban-drazana ny fitenenana.Dia ireo zay mikasa ny hampiasa ny tromba, na ny doany sns mba entina hampandrosoana an'i Gasikara.
Ny ahy moa tsotra, Fanahin'iKristy no ato amiko, tsy mila fanahy hafa ankoatry ny Azy aho.
3. tslem ( 19/02/2008 09:08)
kay, kay, kay:{:{:{
4. Papoose ( 19/02/2008 11:45)
Tompo oh!
5. Celest1 ( 19/02/2008 18:42)
Rehefa maty ny havany dia mba tokony hohaniny koa:-D:-D:-D:-D
6. tsiambaratelo ( 20/02/2008 19:35)
Ka mba tsy fidiny azy ny nahatonga azy ihinana izany!Tokony izy anefa tsy nanaiky ny famindran\'ilay mpimasy taminy ny herin\'ny fanahy hafa2 tao aminy,satria vao maika hiampy fanahy hafa ndray!Hangeja azy tanteraka!Mety hiteniteny ao anatiny ao koa ny fanahin\'ny tompon\'ireo ati-doha nohaniny!Mampalahelo beh!Mivavaha hoazy!
7. tsiambaratelo ( 20/02/2008 19:37)
Ka mba tsy fidiny azy ny nahatonga azy ihinana izany!Tokony izy anefa tsy nanaiky ny famindran\'ilay mpimasy taminy ny herin\'ny fanahy hafa2 tao aminy,satria vao maika hiampy fanahy hafa ndray!Hangeja azy tanteraka!Mety hiteniteny ao anatiny ao koa ny fanahin\'ny tompon\'ireo ati-doha nohaniny!Mampalahelo beh!Mivavaha hoazy!
8. jiolah ( 22/02/2008 14:19)
mbola mihinana ve lery @zao? de endasina sa andrahony le atidoha sa pehana manta? gay gay gay gravy an!!:{
9. mansoor ( 10/04/2008 16:32)
dain! :^) :miam:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3942