ny kristiana sy ny fisaonana

1. todisoa2 ( 19/02/2008 07:46)
fanontaniana tsotra: '' mety amintsika mpanara-dia an' i Jesosy Kristy ve ny fisaonana raha sendra fahoriana?''
hivelatra koukou hatreo ny adihvt arakaraky ny fanoloranao hvt.:lol::lol::lol:
novalian'i fijo ny 22/02/2008 21:36
2. hery ( 19/02/2008 08:22)
Arakarak'ilay atao hoe "misaona" aloha.

Raha toa ka fanehoana fitiavana an'ilay olona nandao ilay fisaonana... dia angamba mety amintsika ny maneho fitiavana :-)
3. veromahefa ( 19/02/2008 08:38)
tena tiako be lay fipetraky ny fanontanianao...
Amin'ny fisarahana an-tany dia tsy maintsy misy ny alahelo.Lazaiko anao fa ny olona taloha, rehefa misy fianakaviana akaiky maty, dia 6 volana tsy mandefa radio, ary miakanjo mainty foana ; ataoko hoe hatramin'ny taona 1995 teo raha ny fanamarihako azy no tena mbola nisaona ny olona, fa avy eo nihalefy tsikelikely izany...na niova ho bokotra mainty na fotsy sisa ;

Tetsy andaniny, nahafantatra mpivady aho, maty nianjera avy eo amin'ny fandriana ny zanany vao herintaona sy tapany, fa toy ny tsy nivoaham-pahoriana zareo, dia gaga ny olona hoe "tena manana finoana matanjaka rizareo zany"!

Fehiny :tsy maintsy misy ny alahelo amin'ny fisarahana an-tany,nefa kosa hoy aho fanomezan-tsiny an'Andriamanitra ny tsy fanekena ny fandaharany.
Tsy izay miseho ivelany koa no midika inona...
4. moi ( 19/02/2008 10:56)
Zaho manao hoe mety raha tsy fombafomba fotsiny. Tsy ny fanajana ny fomba isan-karazany, toy ny mitondra bokotra mainty, manao akanjo mainty, na fotsy, tsy mandefa radio sy ny sisa no ratsy ho azy, fa raha tsy amin'ny fitiavana no anaovana izany dia lasa fihatsaram-belatsihy fotsiny.
Ny fiaraha-monina tokoa no manahirana fa raha tsy asiana mari-pisaonana dia sahala amin'ireny hoe tsy raharahanao izay fahoriana any.

Fa amin'ny maha lohahevitra finoana azy ity dia tsy vao maika ve tokony hifaly isika satria hiditra ny lanitra izany ilay nandao ? Tsy fifaliana ve no tokony ho setrin'izany ? arôzazy ? Sao dia tsy mino akory ary isika fa lasa any ilay maty e ?
Eny e, tsy ny maty rehetra akory no mankany fa izay efa Azy ihany.

5. todisoa2 ( 19/02/2008 13:21)
d in a n tena iz, fonds sa forme?
6. ikaretsaka ( 19/02/2008 15:02)
hery:

Arakarak'ilay atao hoe "misaona" aloha.

Raha toa ka fanehoana fitiavana an'ilay olona nandao ilay fisaonana... dia angamba mety amintsika ny maneho fitiavana :-)


miombona hevitra @ hery


7. rakaroka ( 19/02/2008 18:27)
Ilay "saona" amiko, dia mariky ny fo emboka maratra!fa nilaozana "malala": tsy négligeable izany! Fa ny olona ivelany mety tsy ahatsikaritra izany fahanjombonan'ny fiainana izany donc ilaina asiana significatif aty ivelany fa mbola ao anaty "phase de transition" mamoy ilay olona: mila fotoana sy fahanginana sy "états" isan-karazany arakaraka ilay olona izany! 'zaho rehefa malahelo izay , dia ilaiko mihitsy ny "fahanginako"...rehefa afaka izany vao
miatrika zavatra hafa aho...
8. fijo ( 19/02/2008 22:36)
amiko ny fisaonana dia ao anaty.alahelo io ary ianao irery no mahalala azy ao.

za ohatra tamin'ny fatin'ny raiko sy ny reniko dia tsy mba nanao akanjo fotsy na mainty izany mihintsy.ary tsy mba nitsahatra nihaino hira izany koa.dia niaraka nisotro tamin'ny namana koa aza.saingy tsy midika izany fa tsy nalahelo ny ray amandreniko aho.
9. ikaretsaka ( 19/02/2008 22:38)
rakaroka:

Ilay "saona" amiko, dia mariky ny fo emboka maratra!fa nilaozana "malala": tsy négligeable izany! Fa ny olona ivelany mety tsy ahatsikaritra izany fahanjombonan'ny fiainana izany donc ilaina asiana significatif aty ivelany fa mbola ao anaty "phase de transition" mamoy ilay olona: mila fotoana sy fahanginana sy "états" isan-karazany arakaraka ilay olona izany! 'zaho rehefa malahelo izay , dia ilaiko mihitsy ny "fahanginako"...rehefa afaka izany vao
miatrika zavatra hafa aho...


izay
10. fijo ( 19/02/2008 22:48)
ka izay no lazaiko hoe arakaraky ny olona io.
11. niryna ( 20/02/2008 07:19)
Arakaraky ny toerana misy azy sy ny finoana raisin'ilay fianankaviana koa io.Mitovy ny hevitry ny rehetra hoe malahelo ny tena,ary ilay fombafomban'ny olona nodimbiasin'ny rar no teneniny amintsika dia toa manaraka koa isika.
Misy hoe tsy manasa loha mandritra ny volana maro,misy mirandrana koa fa tsy mahazo asarakorako ny volo.
Fomba io ka izay mety sy hitan'ny mason'ny tena dia izay .Misy izy mianakavy manao akanjo fotsy daholo fa tsy mainty,izy rehetra no nifanaraka dia izay.
Ny hivavahana fotsiny dia ny ahavoavonjy ny fanahin'ilay maty satria raha tsy nangataka famelan-keloka tamin'ny fahavelomany izy,raha tsy nandray an'i kristy ho tompo sy mpanavotra azy dia tsy ho voavonjy velively ny fanahiny.

14 Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.

15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.

16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory. Heb 4
12. fijo ( 20/02/2008 21:57)
fomba io ary endrika ivelany.ka amiko tsy misy dikany loatra amiko ilay fisehoana ivelany fotsiny.fa amiko dia ao anaty io
13. ikaretsaka ( 21/02/2008 00:23)
izay
14. todisoa2 ( 21/02/2008 07:46)
miombon-kvt tanteraka @ Fijo. Zay n tn msaona: fonds alou vô forme:lol:
15. moi ( 21/02/2008 08:48)
Raha fanehoana fitiavana ilay olona nandao, aseho ho an'iza ilay fisaonana ?

Ny olona velona ve no hanehoana fa tiana ilay efa maty, sa ilay maty no tiana hahita fa misaona azy ianao ?
16. fijo ( 21/02/2008 21:32)
za no mahatsapa fa malahelo aho.fa tsy sarihako hiara manjonitra amiko ny rehetra manodidina ahy
17. ikaretsaka ( 21/02/2008 22:12)
izay!
18. booboo ( 21/02/2008 22:47)
hihihihihi azon'Ikaretsaka ndray ity " zay " isaka ny mihetska ity
19. ikaretsaka ( 21/02/2008 22:49)
ka manao namaste za bedy.. mitehaka za lazaina fa mananihany manao amena aho tsy mivavaka... manao ekaouzz aho lazain'ny olona mangala tahaka..
de aleoko mi zay zay
20. ravakamalala ( 21/02/2008 23:51)
izay hevitra fonosiny marina e!

ikaretsaka > fa maninona hono ilay namaste?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0408