Fantaro ny momba anao sy Planeta.

1. soanja ( 18/02/2008 23:47)
Variana dia variana ny momba anao aho Raolombelona. Manaitra ahy ny fijoronao ary manintona ahy ny asanao.

Tsinotsinona tokoa aho manoloana ny teo aloha ary adidiko ny mikajy ny hatsaran'izay nomena ahy!

Misaotra ny namako Artist Frans Lanting aho amin'ny zavabitany!

Goavana ianao ry Tany! Mizotra ny dia.

Rehefa mijery ato ianao dia aza adino mi-click ilay View the slide show amin'izay hitanao tsara ny hatsarany.

Efa ela ny nisian'ny tany ary mahavarina ny fivoatran'ny "Aina"
13.7 billions taona lasa izay ny azony atolotra anao an-tsary ny fisehony.

Mazahoa fafiny ary!

http://www.lifethroughtime.com/experience.html



novalian'i soanja ny 19/02/2008 08:31
2. LazaDaddy ( 19/02/2008 00:07)
mahavariana sy mahasondriana tokoa ny zava-boary (fa tsy zava-niforona ho azy) fa misaotra an'i Soanja.
Soanja:
13.7 billions taona lasa izay
Io kosa dia laviko ny fahamarinany...mba anisan'ny nianatra sy nanao fikarohana momba ny "datation radioactive" aho, fa na ny valim-pikarohana siantifika momba io aza dia betsaka adihevitra sy tsy fifanarahana ao...
3. zamanoro ( 19/02/2008 00:25)
tsara eh, bis eh
4. soanja ( 19/02/2008 08:29)
LD> Araka ny fanadihadihana aloha dia niforona teo amin'ny 4.54 billions taona eo ny tany.

Ny baiboly sy ny tantarany kosa dia nilaza fa nanomboka entre 5500 BC SY 4004 BC taona no namoronana ny tany mandra-panahavitan'i Jesoa batisa teo amin'ny ranon'i Jordany.

Io 13.7 billions io dia tsy ny niforonan'ny tany fa ny fiatombohan'ny zavatra mipoapoaka sy fiodiny ary ny niafarany tany amin'ny Universe na cosmos nitondra ny fisian'ny tany.

Ka anjaranao ny hino na tsia fa tsy nisy teraka nahita an'io akory isika ka afaka hilaza fa manana ny marina. Ny fandihadihana kosa dia mitohy ary hitohy hatrany.
5. soanja ( 19/02/2008 08:31)
zamanoro:

tsara eh, bis eh


Ahoana ilay resaka iry!:-*:-*:-*
Hitako ao ny gidrontsika. Manja be!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1189