Andry Rajoelina:Matoky ny kaominina ny mpanohana frantsay

1. ronaldo09 ( 15/02/2008 13:09)
Tamin’ny talata lasa teo no tafaverina an-tanindrazana, avy any Frantsa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Vaovao tsara no nentin’Ing Andry Rajoelina satria nambarany fa resy lahatra amin’ny tetikasa hanatsarana ny renivohitra ary matoky ny kaominina ny mpanohana frantsay. Ao anatin’izany ny RIF (Région Ile de France), ny AFD (Agence Française de Dévéloppement), ny AIMF. Betsaka ny tetikasa hovatsian’ny any ivelany vola, raha tsy hitanisa afa-tsy ny tetikasa hanorenana kianja fanaovana fanatanjahantena eny amin’ny fokontany, ny hanatsarana an’i « Marais Masay » ho kianja fanaovam-baolina, hanatsarana ireo tsatoka famantarana natao handrindrana ny fifamoivoizana, ny fanatsarana ny fivarotana zava-kanto malagasy, izay efa tapaka fa hovatsian’ny RIF vola, ny fanatsarana ny sehatry ny fifamoivoizana. Toy izany koa ny fanatsarana ny lalan-kely, izay ny AFD no handray an-tanana izany.

Trosa miavovona!

Hatramin’izao izany dia famatsiam-bola avy any ivelany no mampandeha ny kaominin’Antananarivo Renivohitra, noho ny kitapom-bola foana. Ary tsy misy aloha hatreto ny teti-bola avy amin’ny Fanjakana hampandehanana izany.
Efa nitondrana fanazavana ombieny ombieny ny fisian’ny trosan’ny kaominina miavovona napetraky ny Pds teo aloha. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna fa “inspecteurs 12” ao amin’ny kaominina no am-perinasa hanao ny fanadihadiana rehetra. Ary tsy voafetra ny fotoana hanatanterahana izany satria miankina amin’ny fahavitan’ny asa.
Mikasika ny fifidianana mpanolotsaim-paritra dia nanamarika Ing Andry Rajoelina fa tsy handray anjara ny fikambanana TGV. Ny fampandrosoana an’Antananarivo aloha, hoy izy, no mbola laharam-pahamehana
Source:gazetiko
novalian'i Jeankely ny 18/02/2008 00:59
2. Jeankely ( 15/02/2008 17:16)
Harabaina rehefa misy ny ho avy hamiratra. Fa nisy volabe lanindreo tao sa ny kely no laniny? Nanana volabe hampadrosoana hatrany ve ny komininina fa lanindreo foana. Mba omeo ny marina dada a?
3. madera2 ( 17/02/2008 18:34)
zay zany!
4. Jeankely ( 18/02/2008 00:59)
Matetika ny samy mpangalatra no tena be resaka ary mbola mitetika hangalatra aza. Firifiry no tsy faly rehefa hoe tsy maintsy manara-dalana. Mba samia manatsara ny tandrify azy ary samy manana ny andraikiny fa ilay mifampitsabaka koa manimba zavatra. Ny andraikitrao tsy efanao fa ny an'ny hafa no ampiresahanao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0452