Naneno tao an-kibon’ilay rangahy ilay akoho nohaniny!

1. ronaldo09 ( 15/02/2008 12:47)
Hatairana ny an’ity rangahy ity nony natory ny alina rehefa avy nisakafo tamin’ny fandrenesana feon’akoho tsy an-kijanona tao an-kibony. Tsy nety nijanona izany na dia efa maraina aza ny andro. Ny volana desambra 2007 lasa teo no nitrangan’izany tany amin’ny kaominina Doany- Andapa. Araka ny fanazavàna azo dia akoho novidiny teny an-tsena ity nohaniny ity. Lehilahy iray tokony ho 43 taona eo no nivarotra ity akoho ity taminy tany an-tsena ka akoho telo no niaraka novidiny tamin’io. Ny iray tamin’ireo ihany no nataony sakafo ary namonjy fatoriana izy avy eo.Akory anefa ny hatairany tamin’ny fandrenesana io akoho naneno tao an-kibony io. Tsy naharitra izy noho izany fa nokarohiny avy hatrany ilay olona nivarotra izany taminy. Rehefa hitany io dia nilaza fa halatra ireo akoho namidiny. Nambarany ihany koa fa tsy mahafaka ilay “feon’akoho” raha tsy ny tompony ihany. Nony hitan’ilay rangahy ny tompon’ireo akoho dia natao ny fifanarahana ka nampisotroan’ity farany ranon-javatra izy avy eo. Nijanona niaraka tamin’izay ilay akoho naneno tao an-kibon’ilay rangahy.
Aza mangalatra (didy faha 7)sa aza mividy halatra???
2. ari.malala ( 15/02/2008 13:34)
ko izy nge tsy nahalala we halatra le akoho e!ratsy le izy naneno tany ankibony! loza kou zany!
3. simplex ( 15/02/2008 14:56)

tokony mba natao video zany le :)
4. penina ( 15/02/2008 15:43)
Raha nikapa izao izy dia izay vao tena nahita

Mr Hanky

[center][/center]
5. tess ( 15/02/2008 16:19)
tokony nihinana prune bdb de nivoka niparitaka toy ny tsy teo izany akoho izany ! tsy nisy ny hirahira sy ny maneno tao ankibo:°)
6. naughtyboy ( 16/02/2008 23:47)
ra za maintsy no mpividy de aleo kalo anotanina tsara ny mpivarotra oe misy le karazan'akoho tsy maneno any anaty kibo v ato aminao?:roll:de asakasakao mividy avy eo:-D:-D
7. endrika01 ( 17/02/2008 12:50)
nena indray trondro no efa henoko ,nande
nde be tao ankibon'ny le olona de sady
niteny hoe avereno any @fianakaviako aho,de toa maty lay rangahy dia natsipy tany anaty rano ny fatiny!:cry::cry::cry:
8. jiolah ( 18/02/2008 09:13)
le amalona ngamba zay.Nojonoin'le rangahy hono le amalona defa nilazan'ny olona izy hoe misy zavatra io rano io fa aza mankeo.De notetehiny hono le izy avy eo nandrahoiny.velona be tao an-kibony @ zay ary le biby.Nandoa razoky de nivoaka avy ao amalona velona be , lery maty.De nobataina le biby de naverina tany @ le rano.
Gravy zany an, teo ampihinanana amalona mitsy a t@zay no nitantaran-dry zalahy an'io.
9. naughtyboy ( 19/02/2008 00:54)
ary ahona zany tony:roll: akoho tapadoha..http://www.youtube.com/watch?v=ATz3AdbjyRI#
velona foana na efa tapadoha aza:-D
10. naughtyboy ( 19/02/2008 00:55)
fanitsina
11. naughtyboy ( 19/02/2008 00:59)
f... mila fanampina @ fanitsiana ny fandefasana tony ry mpiandraikitra namana rehetra sotra:D8)
12. penina ( 19/02/2008 01:27)
http://www.youtube.com/v/ATz3AdbjyRI&rel=1

gravy kosa zany ry naughtyboy, saika tsy nino raha tsy nijery google. Tadidiko koa tamin'izahay mbola kely dia nasaina namono vorotsiloza, dia efa tapaka ny lohany dia mbola nitsangana indray ilay izy avy eo dia nitsoaka. Dia notorahan'ny zokinay tamin'ny antsy tonga voa dia izay vao maty.
13. ari.malala ( 19/02/2008 11:20)
asakasakareo mahafaty biby fa za ts mahafaty akoho zany:P
14. naughtyboy ( 19/02/2008 18:16)
thx penina:wink:
ny nahatonga anty akoho tapadoha de tezitra ony le rangahy(avy any mexico)tompony t@ le akohony fa de tapakevitra fa hovitainy ny momba le biby fa tsy hohanina na andrahona ,nokatsanany avy atrany lohany de io no tohiny avy eo:-D:-Dtaolana ny nify ka:-D
ny lohany zany efa maty fa vatany fotsiny velona nandritra ny 2 taona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6793