Miadana, lasa mpanana dahalo sa nofy vaovao rehefa mitolona?

1. Jeankely ( 15/02/2008 07:50)
Malaza ho mpampanonofy mitsangana ireo mpitondra ankehitriny. Mahatsapa ny mpiresaka fa mbola sahirana ary vao mainka mijaly nefa mitohy mampanonofy ihany ny mpitondra. Ny fanontaniana koa dia hoe avy eo tsy maintsy hiadana ary mba lasa Ngetroka koa ve izaho mafy ady ity rehefa mifampitarika tolona sa vao mainka nofinofy vaovao indray no tonga. Ho voa impiry izany ny mafy ady? sa mba fotoana hakany sasatra io? Mba lazao re tompoko hoe samy mpampanonofy sa ahoana e???
novalian'i Jeankely ny 18/02/2008 00:54
2. rahiratra ( 15/02/2008 07:56)
Sao misy tonga dia vavany kosa ry havana. Tsy mandaralo nofy fa avy dia ho tanteraka. Nefa koa ilay hoe ho midika mbola nofy.
3. Jeankely ( 15/02/2008 12:06)
Sao mba ny mpimenomenona kosa aza no tena mitetika hampanonofy tsy misy dia ny sahirana miasa no hampiresahany? Mba homeo ny mivaingana ny vahoaka fa aza omena habobo e. Sa vizana?=))=))=))
4. madera2 ( 17/02/2008 18:39)
sahirana ny vahoaka , ny fiadanana izany de mbola ara-toe-karena sy fandriam-pahalemana de mbola nofy daholo:roll:
5. Jeankely ( 18/02/2008 00:54)
Misy andraikitra lehibe ho an'ny tsirairay ireo fa tsy an'ny fanjakana irery. Na tany aiza na tany aiza misy hatrany ny tsy fitoviana satria tsy mitovy ny ezaka vita na ny lova voapetraka na ny firaisankina sns. Rehefa tratra ny mpangalatra harovana avy eo mitaraina. Tsy maintsy miasa ary tsy i Madagasikara no ahavita hanome vola ho an'ny tsy an'asa. Tsy ny mahantra efa reraky ny asa no tenenina hoe miasa mafy fa ny toe-tsaina tokony ahay mivoatra amin'ny fomba fiasa rehetra. Ny Mpitondra tsy mahavoa mbola ho avy ny anjarany fa ny vahoaka samy vahoaka mila mahay miaramiasa fa tsy mifamely ambadika. Hita foana ny hanaovana ny mpitondra raha tena vahoaka mitsinjo ny rehetra fa tsy ny azy irery. Ny anjaranao ve dia ny mampivalaketraka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0404