Fiaraha-misakafo

1. Alaina ( 12/02/2008 20:05)
Raha mandinika isika dia tsy miala ny fiaraha-misakafo rehefa misy fihaonana teo amin'ny malagasy: na fahoriana izany na hafaliana. Ny fomba entina maneho azy no miva arakaraka ny zava-misy sy ny faritra. Fa inona tokoa no tena hevitra fonosin'io fiaraha-misakafo io ary iza no namorona azy io?
novalian'i soanja ny 02/03/2008 20:55
2. ainaheri ( 13/02/2008 05:11)
Ny namorona azy no tsy haiko fa ny fahalalako azy @ ankapobeny,hanehoana fihavanana sy fomba entina hiaonanana sy hifankahalalan'ny tsi11 ary ko hanaovana ady hevitra eo @ lafiny reetra!!
3. fahamarinana ( 13/02/2008 08:55)
:arrow:mitovy hevitra amin'ny ainaheri :zahay zao naika mba hoe hiara-misakafo (tsakitsaky) amin'ny asabotsy dia tsy ho afaka daholo ny olona hono,sa ahoana ainaheri:wink:(l)
4. simplex ( 13/02/2008 10:10)

ka ny gasy fetard ny tena marina eee.:P
Le ambiansa miaraka mintsy no tena manja na fifaliana na fahoriana ;-)
5. xxx ( 13/02/2008 10:30)
tsy ny gasy ihany fa na ny vazaha koa aza, rehefa mety ho communautés dia toa manao an'izay daholo : tout est occasion de fiaraha-misakafo

Ny olona iarahanao misakafo dia ny olona raisinao ho tena namana . Izany hoe raha misy milaza fa namanao kanefa mbola tsy niaraka nisakafo nareo dia tsy mbola tena mpinamana nareo izany.

Mizara ny manta sy masaka hoy isika, mifanapa-tsinay . "Convives" hoy ny vazaha , avec qui on partage les vivres.

Hoy ny anglisy hoe "the best way to get a man's heart is by his stomach" , azo raisina @ heviny rehetra io fa mety foana : affaires, namana tsotra, olo-tiana ... etc

Mazotoa miaraka misakafo aza
6. diamondra27 ( 13/02/2008 10:58)
alaina:miaramiory de miarapaly, tsy misara-mianakavy, fihavanana
izany ny cilturentsika ka tsy hay we avy taiza io fa nampianaran ny razambe de nafindra t@ taranaka fara amandimny, de mbola mi existe foana

"anamamy niaraka ihany de adrisa ve vao hifanary?"
midika izany fa na inona na inona miseho dia tokony hiarahana eny foana na ankafaliana io na ankaratsiana de ampiarahana am sakafo mazava ho azy.

Alaina: everiko fa we hi inviterny mpi-forum hisakafo ianao





7. xxx ( 13/02/2008 11:09)
Fa inona tokoa no tena hevitra fonosin'io fiaraha-misakafo io ary iza no namorona azy io?

"Izay iray vatsy iray aina"
Fihavanana ihany io e!
8. xxx ( 13/02/2008 13:53)
Misy vo mahita an'le titre de hikaly sahady ny ao an-tsaina. Tsy fantany we resaka kolotsaina ny eto fa tsy kolon-kanina.
9. xxx ( 13/02/2008 13:56)
xxx:

Misy vo mahita an'le titre de hikaly sahady ny ao an-tsaina. Tsy fantany we resaka kolotsaina ny eto fa tsy kolon-kanina.

... hoy ny sain-kanina ... :-D:-D

10. Alaina ( 13/02/2008 13:58)
Isaoana ireo nandray anjara. Hita fa mbola mahatsapa isika fa misy lanjany lehibe ilay fihavanana ho antsika Malagasy. Fa le nipoiran'ity fiaraha-misakfo ity izao no tena olana, satria lasa manaotao foana isika ka manaraka fotsiny izay fomba navelan'ny razana eo aloha. Soa ihany fa zavatra tsara sy zava-dehibe tokoa no narahana sy notohizana.
Ka raha avadika indray le fanotaniana de atao hoe: "dia tena hanamafisana an'ilay fihavanana fotsiny ihany ve no antony nahatonga ny olona hiara-misakafo rehefa misy vanim-potoana manokana eo amin'ny fiainana e"?
11. ainaheri ( 13/02/2008 15:38)
xxx:
Ny olona iarahanao misakafo dia ny olona raisinao ho tena namana . Izany hoe raha misy milaza fa namanao kanefa mbola tsy niaraka nisakafo nareo dia tsy mbola tena mpinamana nareo izany.


Za zao misy namako ato @ sera² nefa tsy mbola tsy niaranisakafo tamiko d tsy namako izy zany ve?
12. ikaretsaka ( 13/02/2008 23:00)
za fijo samoina izao ohatra 9 taona no efa mpinamana net ary efa mpinamana talohan'ny serasera ... fa zahay tsy mbola niaraka nisakafo nefa...mpinamana .. de ahoana:wink:
13. soanja ( 14/02/2008 04:44)
Alaina:

Raha mandinika isika dia tsy miala ny fiaraha-misakafo rehefa misy fihaonana teo amin'ny malagasy: na fahoriana izany na hafaliana. Ny fomba entina maneho azy no miva arakaraka ny zava-misy sy ny faritra. Fa inona tokoa no tena hevitra fonosin'io fiaraha-misakafo io ary iza no namorona azy io?


Amin'ny hevitra maimaika dia ohatran'izao no fijerana azy.

Inona avy no sakafo hohanin'ny Malagasy rehefa mihaona izy ireo : vary, laoka omby matetika, gisa, vorontsiloza, romazava sns...

Dia iny raisina tsirairay hoe: inona ny hasin'i Vary eo amin'ny Malagasy? Omby? Kitoza? Inona no fitaovana nampiasaina namitana izany fisakafoanana izany? Iza no mpahandro ary inona no sotroina? ny razana manoloana ny toaka?

Mandritra ny fotoana fisakafoana inona avy no mitranga: kabary? hatsikana? tonokalo? hirahira vako-drazana? zavamaneno ampiasaina?

Dia amin'ny alalan'izay no ahitana ny tena tanjona sy votoatiny: kolontsaina.

Mazotoa mitady ny marina ary!


14. diamondra27 ( 15/02/2008 21:19)
Alaina:

Raha mandinika isika dia tsy miala ny fiaraha-misakafo rehefa misy fihaonana teo amin'ny malagasy: na fahoriana izany na hafaliana. Ny fomba entina maneho azy no miva arakaraka ny zava-misy sy ny faritra. Fa inona tokoa no tena hevitra fonosin'io fiaraha-misakafo io ary iza no namorona azy io?



:miam::miam::miam:
15. Alaina ( 15/02/2008 21:22)
soanja:

Inona avy no sakafo hohanin'ny Malagasy rehefa mihaona izy ireo : vary, laoka omby matetika, gisa, vorontsiloza, romazava sns...

Dia iny raisina tsirairay hoe: inona ny hasin'i Vary eo amin'ny Malagasy? Omby? Kitoza? Inona no fitaovana nampiasaina namitana izany fisakafoanana izany? Iza no mpahandro ary inona no sotroina? ny razana manoloana ny toaka?

Mandritra ny fotoana fisakafoana inona avy no mitranga: kabary? hatsikana? tonokalo? hirahira vako-drazana? zavamaneno ampiasaina?

Dia amin'ny alalan'izay no ahitana ny tena tanjona sy votoatiny: kolontsaina.



Tena mahaliana le fantanina ka raha jerena tko de ny omby no tena ampesaina rehefa lanonam-be no atao ary lasa voninahitra tokoa le we bdb ny omby novonoina ary saika lasa we arakaraka ny isan'ny ombynovonoina no mampalaza a-le fihaonana.
Inona tokona ny lanjan'ny omby teo amin'ny sakafo malagasy?
16. Alaina ( 15/02/2008 22:44)
Ampiasaina ny omby nefa amin'ny vanim-potoana sasany dia misy karazana omby fidina manokana ihany koa. Fa nahoana?
Nahoana no omby ary nahoana no tsy ny omby rehetra fa karazany sasany fotsiny?

Fa ao anatin'ireo ny vary tsy miala fa eny foana. Dia ahona koa ny momba an'io?
17. diamondra27 ( 15/02/2008 23:14)
alaina: ny vary r'ise no fototsakafon'ny malagasy a!
(taloha zany an zao efa lafo le izy de lasa minana mangahazo , katsaka ny ol)

omby manga no tena tsara sa ahoana
(tsy haiko kambony)

ozy noro we misy ifandraisany @ resaka finoana angamba io, ny gasy toa tsy mihinana zavatra vandana
izay vandana manko dia kary
ny amalombandana izao de misy tsy minana fa amalona tsotra de minana le ol

azonao ve ny tiko lazaiNA?

somary HS kely za an, za naheno fa hoe any am faritra atsimo any hono ra tsy efa naNgalatra omby enao de tsy mahazo manambady....

18. Alaina ( 16/02/2008 11:02)
diamondra27:

somary HS kely za an, za naheno fa hoe any am faritra atsimo any hono ra tsy efa naNgalatra omby enao de tsy mahazo manambady....


saika ho HS ihany io fa mety hevitra azo hijerena azy ihany koa satria mety misy lanjany tokoa zany ny omby matoa apetraka ho fanamby be otran'zany. Olona manana ny maha-izy azy sy matanjaka ary afaka hiaro ny fianakaviana matoa mahasahy mangalatra omby. Tsy le lafiny ratsy we mangalatra no jerena eto fa ilay heri-po sy fahasahiana angamba hozy aho.


19. soanja ( 02/03/2008 20:55)
Alaina:

"dia tena hanamafisana an'ilay fihavanana fotsiny ihany ve no antony nahatonga ny olona hiara-misakafo rehefa misy vanim-potoana manokana eo amin'ny fiainana e"?



Tsy izay fotsiny ka. Io no fomba entina hampitana ny kolontsaina sy ny fahendrena tamin'izany fotoana izany satria tsy mbola nisy ny sekoly talohan'ny nahatongavan'ny vazaha.
Tsy ny fisakafoana loatra no tena zava-dehibe tamin'izany fa ny zavanisy nahatonga ny fisakafoana. Ohatra raisiko dia ny ala faditra izay goavana tokoa tamin'izany fotoana izany.
Ny kabary sy ny joro ary izay rehetra mitranga mandritra ny fisakafoanana ary ny fiaraha misalaha mamita na asa ifanakonana no andraindrain'ny be sy maro tonga eo, ankoatran'ny fihinanana ny henanomby.
Ka ny asa vita dia ifampisaorana amin'ny fiarahamisakafo.

Nisy vazaha iray nitantara fa ny kitoza naely efa ho amapolo-taonany, tantely, vary ary ronono no sakafo tao androva nony nasain'ny mpanjakavavy Rasoaerina ry zareo.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4441