Mba mahatsikaiky ity teny Gasy ity indraindray !

1. rakapy ( 10/02/2008 02:50)
Izaho ve no tsy mahay teny Gasy sa? Raha vao nanokatra ny site serasera aho anio dia nahita filazana iray mikasika ny fiangona gasy ao Paris. Hoy ilay filazana hoe:
"FJKM" FIANGONAN'I JESOSY KRISTY ETO MADAGASIKARA AO PARIS(MONT...)
Ny napihomehy ahy dia ilay hoe ETO MADAGASIKARA AO PARIS=))=))=))=)) fa angaha misy Paris koa eto dago?
Ohatra ilay vazivazy hoa "Ici a Paris a Antaninandro"
novalian'i lizabeth ny 10/02/2008 22:49
2. ikaretsaka ( 10/02/2008 02:56)
iny indray no tsy hitako le:-D
3. penina ( 10/02/2008 03:46)
:-D
4. ainaheri ( 10/02/2008 05:04)
rakapy:
FJKM" FIANGONAN'I JESOSY KRISTY ETO MADAGASIKARA AO PARIS(MONT...)
Ny napihomehy ahy dia ilay hoe ETO MADAGASIKARA AO PARIS


F'angah tsy azon'i toi fa ny mpikambana ato amintsika hamindra an'ny Tour Eiffel eo Anosy!!=))=))=))=))
5. agoago ( 10/02/2008 06:12)
Mety ho izay mihintsy ny fanalavana ny FJKM, tsy haiko fa izaho moa katolika
6. tess ( 10/02/2008 07:38)
:°)mba sendra diso reh izy:°)minambary aza misy laoka:°)
7. tslem ( 10/02/2008 07:41)
ary tena nandinika lalina mitsy rakapy zany an :-D:-D:-D
tokony mba ovaina oe FJKF zany!!!
8. Papoose ( 10/02/2008 07:58)
FJKP koa!:-D
9. blogy ( 10/02/2008 11:41)
de inona no problemanao @ zany enao nga tonga lafatra
10. ikaretsaka ( 10/02/2008 13:39)
mba soratana tsara kosa e..
naninona izao raha natao hoe propestanta fotsiny ohatra:wink:
izay no ilaina ilay proofreading rehefa zavatra ots'reny ry tess an.. sady @ izay pub be ery ambony ery
11. Robert ( 10/02/2008 14:13)
Tokony FJKF (FIANGONAN'I JESOSY KRISTY ETO FIRANTSA) tokoa no atao anarany. Amin'izay fantatra tsara fa protestanta malagasy ao France..
Ny FJKF Paris tokoa ve misy ifandraisany @ FJKM any Dago? FJKM foibe Tanà ve no manendry ny mpitandrina?

12. booboo ( 10/02/2008 17:30)
efa misy FPMA dia aleon-dry zareo nitana ny anarana hoe FJKM. Sady ny rafitra sy ny trucs trucs rehetra momba ny fjkm any M/car no tazon-dreo.

Zà kounkou zao skoto aty ivelany nefa ny insignes entiko @ tenue-ko misy hoe " tily eto Madagasikara " sy ilay Ravinala (scout unioniste malagasy).

Bizarroïdes tokoa fa bof !
13. ikaretsaka ( 10/02/2008 17:43)
Tokony nesorina ilay hoe ETO anie izany dia milamina e..
ny ahy koa ry booboo misy hoe "Antilin'i Madagasikara" tsara kokoa ilay fanononana sady mety foana fa tsy ETO sy ANY ihany
14. pissoa ( 10/02/2008 17:48)
Fa maninona no tokony esorina ? tsy tahaka ny anarana ihany ve io e ? izany hoe na any Paris na any NY dia entina eny foana ... na dia ohatran'ny mampime aza :-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 10/02/2008 18:00)
Raha natao hoe Fiangonan'i Jeso Kristy an'ny Malagasy eto Paris izao dia OK koa
Fa henoy ange fa mampihomehy be ilay hoe "Eglizy Katolika eto Roma eny Ambolonkandrina":-D:-D:-D:-D
Tsy hadalana ilay nanao hoe Malagasy sy Romanina
ampiasao tsara hoa ilay teny
16. ikaretsaka ( 10/02/2008 18:02)
booboo:

efa misy FPMA dia aleon-dry zareo nitana ny anarana hoe FJKM. Sady ny rafitra sy ny trucs trucs rehetra momba ny fjkm any M/car no tazon-dreo.


fa Eritr2a sendra mandalo: Fa sambihafa ve? taoko hoe samy Propestant!


17. lazounet ( 10/02/2008 18:13)
Ka ny ranomasina anie no valam-PARIS é!
18. rakapy ( 10/02/2008 19:57)
Ilay izy anie dia tsy maninona sady isika gasy dia efa mahalala ny tiany mpanoratra ho lazaina. Fa ny mampihomehy dia raha sendra misy vahiny mangataka traduction de tsy hita no lazaina fa voatery tsy maintsy mamorona mba hiisy sense ilay anarana. Io Voalazan'i Ika io izao no hitako fa mety"Fiangonan'i Jesosy Kristy an'ny Malagasy" dia mijanona ho FJKM ihany ilay anarana. Dia rehefa any Paris dia FJKMP, Washington DC dia FJKMDC. Liban FJKML:-D:-D:-D sa ahoana hoy nareo?
19. Papoose ( 10/02/2008 20:08)
farny ho lasa ny alfabet mikorontana fotsiny izy ty!
20. lizabeth ( 10/02/2008 22:49)
ikaretsaka:

booboo:

efa misy FPMA dia aleon-dry zareo nitana ny anarana hoe FJKM. Sady ny rafitra sy ny trucs trucs rehetra momba ny fjkm any M/car no tazon-dreo.


fa Eritr2a sendra mandalo: Fa sambihafa ve? taoko hoe samy Propestant!






Samy protestanta ireo, aty France ihany no misy FPMA (fiang protest malg aty andafy, France). Ny FJKM dia io voalaza io. ny FPMA dia fiangonan'ny malagasy protestanta aty andafy na FJKM io na loterana ny fihaviany. Ankoatran'ireo izany dia misy koa ny fiangonana malagasy loterana fotsiny : FLMF (fiang loter mlagasy eto France).
Ny FPMA dia tsy mpikambana am FJKM/FLM any Madagasikara fa amin'ny FPF (fédération protest de france) sy FLM (fédération luthérienne mondiale) : manaraka ny fitsipik'ireo, am lafiny teolojika, fa mahaleo tena amin'ny fitantanana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1135