Avy aiza Ny vadin

1. jorandys ( 09/02/2008 11:03)
Avy aiza kay ny vadin'ny Kaina sy Seta Zanak'i Adama sy Eva, moa ve tsy izy telo lahy ireo ihany no zanak'i Adama sy Eva(Kaina sy Abela ary i Seta taty aoriana)nefa dia nahita vady ihany izy mtsam, fa avy izay ireny, f'abgah tsy Adama sy eva ihany no Noharian'Andriamanitratamin'izany?:?::?::idea:
novalian'i fijo ny 13/02/2008 22:58
2. sariaka ( 09/02/2008 12:38)
Ny Testamenta Taloha tsy azo faritana hoe dia olona iray dia iray tokoa. Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ka ny iray dia an-tokon'olona, mety misy olona hafa nohariana fa tsy voafaritra mivantana amin'ny baiboly, ka noho izany mety tsy ho Kaina na Abela ihany tamin'izany no teo fa nisy olona hafa koa. Vakio ny Baiboly fa ao izay hoe vondron'olona izay :):)
3. soanja ( 09/02/2008 16:41)
jorandys:

Avy aiza kay ny vadin'ny Kaina sy Seta Zanak'i Adama sy Eva, moa ve tsy izy telo lahy ireo ihany no zanak'i Adama sy Eva(Kaina sy Abela ary i Seta taty aoriana)nefa dia nahita vady ihany izy mtsam, fa avy izay ireny, f'abgah tsy Adama sy eva ihany no Noharian'Andriamanitratamin'izany?:?::?::idea:


Nisy olona be dia be tao ivelan'ny saha Edena. Efa nisy efa ela ny civilizasionina maro samihafa.

Fa i Adama sy Eva no olon'ny finoana an'Andriamanitra voalohany amin'ny alalan'i Jiosy sy Xtianina io. Ireo olona roa ireo izany no olona miaraka amin'ny fanahy. Io aloha ny fahaizako azy fa afaka jerena ny hevitry ny hafa.


4. todisoa2 ( 09/02/2008 16:49)
ka ts voalaza en totalité ne n tantaran'i Adama sy Eva e.
1. Ireo, araky ny lovan-tsofina no mety honipoiran'i Mesia
2. Efa nisy olona tany t@izany vanim-potoana izany, matoa nahalala apela i Kaina, rehefa niala teo @ raiaman-dreniny.sns....
vakio tsara ny Gen fa misy loharano nipoirany bdb ao.lol
5. soanja ( 09/02/2008 16:55)
Izay mantsy tsy mahalaza tanteraka ka hanome antsika fahalalana tanteraka ny baiboly fa ilaina ny fandalinana isan-karazany hamakiana azy ampitiavana sy ampitoniana.
6. todisoa2 ( 09/02/2008 17:04)
msôtra an soanja @ toro-hvt.:lol:
7. soanja ( 09/02/2008 17:09)
tsy misy fisaorana ary!
8. ikaretsaka ( 09/02/2008 17:17)
soanja:

Izay mantsy tsy mahalaza tanteraka ka hanome antsika fahalalana tanteraka ny baiboly fa ilaina ny fandalinana isan-karazany hamakiana azy ampitiavana sy ampitoniana.

izay indrindra =D

9. rakapy ( 09/02/2008 21:42)
Ka raisina @ io tenin'i Soanja io izany dia midika izany fa tsy taranak'i Adama sy Eva daholo ny olona rehetra? Ary iza ireo olona tao ivelan'ny saha?
10. xxx ( 09/02/2008 22:23)
Misy marina ireo voalaza eo ambony ireo.
Fa na izany koa aza, araka ny "ny zavatra eritreretinao" dia mbola azo natao izany t@ androny (Kaina sy Abela).
Jereo anie fa na Abrahama sy Saraha ary anie ka mpianadahy no nivady (iray ny dadany) Genesisy 20:12.

Nisy tsy nahamety ny consanguinité angamba taty aoriana dia nivoaka ny didy folo. Dia nanomboka t@ izay ireo didy isankarazany momba ny azo atao sy ny tsy azo atao rehefa manambady.

"Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy" Levitikosy 18:9
11. rakaroka ( 10/02/2008 20:41)
Manamafy ny voalaza etsy ambony fa tsy voasoratra ao anaty baiboly avokoa anie ny fiainana tokony hodinihintsika e, izay no tokony hivelaran'ny saina
tsy ho voafehin'izay voasoratra ao fotsiny satria maro koa ny tsy voasoratra ao anefa "Tena ilaina ho enti-miaina"!
12. soanja ( 11/02/2008 01:15)
Bold text
rakapy:

Ka raisina @ io tenin'i Soanja io izany dia midika izany fa tsy taranak'i Adama sy Eva daholo ny olona rehetra? Ary iza ireo olona tao ivelan'ny saha?


Raha dinihina akaiky ny Baiboly ka arahina ny tantaran'i Kaina dia nony avy namono ny rahalahiny izy , i Abela io dia nanontany azy Andriamanitra hoe aiza ny rahalahinao? I Kaina moa namaly fa tsy mpiandry ny rahalahiny izy. Dia niteny taminy Andriamanitra fa mitomany ny ran'i Abela mitaraina. Nony nahatsapa fa diso i Kaina dia nitady fika hamono tena. Tsy nety anefa Andriamanitra dia nasiany marika ny tarehin'i Kaina hilaza amin'ny hafa fa tsy misy mahazo mamono anle io fa faizina izy ary hanenjika azy ny eritreriny.
Dia iny moa Kaina nifindra niala teo akaiky ny ray amnadreniny ka nandeha nanjeny tany amin'ny tanin'i NOD. (Iza ary ireo NOD ireo ary?) fa nidikan'io aloha raha nodinihina le NOD dia toeran'ny Mpanjeny. Raha Mpanjeny dia iza izany no mpanjeny?

Tapaka tampoka ny baiboly teo fa tonga de hoe nanambady lery.... De eo no misy goka be zany eo aloha an.....

Raha misy ny fanontaniana tohiny de tohizako fa raha tsisy de aza manahy ny amin'i Kaina fa izy efa lasana fa izy kosa dia namela taranaka be dia be tokoa.


13. ikaretsaka ( 11/02/2008 01:19)
hisy hiteny izao eo ry soanja hoe tsy ao anaty programa izany dia tsy hivoaka @ examen
14. rakapy ( 11/02/2008 01:36)
Ka raha araka ny voalazanao izany dia tsy taranak'i Adama sy Eva daholo ny olombelona. Izay angamba ve no mahatonga ny olona samihafa loko sy samihafa fisainana.? Angamba izany ny taranak'i Adama sy Eva dia ny olona izay manaiky sy manaraka ary mora mino ny baiboly fa ny olona tsy manaraka ny baiboly toa ny tenako dia taranaky ny Mpanjeny NOD?
15. ikaretsaka ( 11/02/2008 05:30)
asa re rakapy... samia mamisavisa....
16. fijo ( 13/02/2008 22:58)
izay le hoe na mandainga ny baiboly na mamitaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3088