Rock Copal

1. soanja ( 09/02/2008 04:40)
Misy mahalala momba ny fisian'io karazam-bato na karazana otrikazo io ve eto azafady ary misy toerana azo ividianana azy ve any Mada? Misaotra indrindra.
novalian'i soanja ny 11/08/2009 14:18
2. rakapy ( 09/02/2008 05:39)
sao dia opal fa tsy Copal? raha opal mantsy dia misy eny @ mpivarotra jeu solitaire any @marche artisanal digue.
3. soanja ( 09/02/2008 17:25)
An an tsy le vato mainty iny le izy fa somary mavomavo izay ary tsy tena vato no fiantombohany fa dintin-kazo na sakafon-kazo dia lasa mivadika vato rehefa mianjera amin'ny tany ka aotriky ny tany raha toa ka efa lo ilay hazo nisy azy.

Hazo conifer no azahona aza hono ary any Mada ihany no nahitana io karazan-kazo efa tsy mi-exist io intsony fa ny vatony no sisa tavela.

Misoatra ihany na izany aza.
4. rakapy ( 09/02/2008 18:58)
Sao dia Ambre ary izany? indraindray misy insects na zava-maniry efa maty ao anatiny? somary mitovy @ loko n'ireny whiskey dore ireny ny lokony?
5. soanja ( 09/02/2008 20:02)
rakapy:

Sao dia Ambre ary izany? indraindray misy insects na zava-maniry efa maty ao anatiny? somary mitovy @ loko n'ireny whiskey dore ireny ny lokony?



Mifanahaka amin'i Amber tokoa ny Copal satria toa mpihavana ireo (samy mavomavo toa io voalaza io tokoa). Ary samy azo avy amin'ny hazo conifers avokoa, izay efa lany tarangana.
Mino aho fa ny toerana azo ividianana ilay Amber any Mada any ampotony dia azo ividiana ilay Copal satria ny Copal no mivadika Amber ny farany rehefa ela niaretana.
Ny Resins no ilaina mantsy amin'ilay izy hanaovana fiarovana amin'ny sary hosodoko.
" Copal painting medium" saingy tsy ilay azo amin'ny amber.
Aiza any Mada no mety azahoako mividy Amber any ampotony? Misaotra.

6. rakapy ( 09/02/2008 21:33)
Any Cap d'Ambre alaina fotsiny!:-D:-D:-D vazivazy iny fa ny fahafantarako azy dia efa rare ny fisian'io zavatra io. Nefa mbola misy milaza sy mivarotra azy ihany eny @ marcher artisanal eny.Tsy ampy loatra ny fahalalako ny momba ny ahitana azy io fa raha mahafantatra olona aho dia homeko valiny ianao.
7. soanja ( 10/02/2008 12:52)
Dia isaorana anao mialoha noho izany sy ny fanampianao rehetra.
8. ikaretsaka ( 10/02/2008 13:29)
iny avaratra iny tokoa nahitako fa tsy haiko raha misy hoe amidy na tsia
9. tslem ( 27/03/2008 08:20)
Itony ve zany?

[URL=http://imageshack.us][IMG]http://img264.imageshack.us/img264/9625/vatosoafs0.jpg[/IMG][/URL]

mety tsy misy tsony ngamba reny kah!
10. soanja ( 27/03/2008 16:03)
zay zany no nampalahelo raha tsisy tsony!
11. soanja ( 11/08/2009 14:18)
Hoy, hoy!!!! nahita ihany aho ny farany. Faly be mihitsy. Tsy atoroko n'iza n'iza anefa satria efa tena vitsy be ilay izy ary mety tsy ho ampy amin'ny ilako azy aza raha ny fandinihana.
Misaotra anareo nanampy na izany aza! :D :D :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6959