fifidianana manaraka : election régionale

1. ravatorano ( 06/02/2008 05:43)
maagaga fa toa amin'ny ankamaroan'ny olona tsy mahafantatra akoriny izay momba an'io fifidianana izay hatao atsy ho atsy io.Betsaka ireo olona nanontaniako sy nitafatafa tamiko fa raha natao ny salan'isa dia teo amin'ny 3% teo no mahazo tsara hoe inona ny antony hifidianana mpanolon tsainam paritra ary inona marina no tena asan'izy ireo raha lany eo zareo.
Amiko tokony hampafantarina ny olona aloha izay hataony mba hahafahany tsara manao ny adidiny amin'ny fifidianana satria io tsy fahalalana io dia mitarika tsy fahavitrihana eo amin'ny fandehanan mifidy.
Mbola manginy ihany koa ny tsy ahitana mpilatsaka afatsy ny tim , na dia atao hoe safidin'ny mpanao politika andry zareo manokana iny fa na izany aza mampieritreritra ihany.
novalian'i Jeankely ny 18/02/2008 15:05
2. badboy ( 06/02/2008 08:24)
Enao ndray ve ny ho atoro "politique"!! Ka rehefa tsy mahalala ny olona dia tsy mandeha mifidy ,dia ny mpifidy tim ihany no mifidy ka manome tombony ny tim!!! Efa nahazo anatr'ireo t@ nahalany an'i TGV!!
3. ravatorano ( 06/02/2008 10:50)
marina voalazani badboy fa dia aza sorena izany raha tim daholo no ho lany mpikambana ao amin'ny mpanolo-tsai-paritra eto gasikara !
za mino fa hihena indray ny isan'ny mpifidy amin'io na hanao ohatran'ny tao Antsirabe farany teo hoe saika nitovy ny vato maty sy ny azon'ilay lany Maire na ben'ny tanana !
:-D:-D:-D
4. gavoaty ( 06/02/2008 12:17)
MAHAMENATRA NY TOE-DRAHARAHA, MENATRA NY GASY FA ANTOKO TOKANA/15O ANTOKO MISY ETO MADAGASIKARA NO HANDRAY ANJARA AMIN'NY FIFIDIANANA.
DEMOKRASIA TSY HAY HOE INONA NO DEFINITION-NY
MAHAMENATRA. NY ZAVATRA METY HITRANGA DIA METY HO RESIN'NY VATOFOTSY SY VATO MATY NY TIM ETO ANTANANARIVO NA DIA HO AMBANY DIA AMBANY AZA (environ 2%)NY TAUX DE PARTICIPATION.
5. tezitra ( 06/02/2008 13:46)

BOYCOTT TOTAL DES ELECTIONS

ET

LE 13 FEVRIER? REPETITION GENERALE POUR LE 13 MAI

UNE SEULE SOLUTION
C LA REVOLUTION

SEULS LES POISSONS MORTS SUIVENT LE COURANT
6. badboy ( 06/02/2008 14:50)
Laissons les urnes dictées la couleur que vont choisir les électeurs!! C'est la voie la plus démocratique, même si on connait déjà la configuration qui va en sortir!!

Boycotter les elections n'a jamais été considéré par personne comme démocratique, c'est même antidémocratique car prive les élécteurs de leur droit à la liberté d'expression!!

Si on ne s'est pas présenté aux élection, c'est parce qu'on sent qu'on n'est pas représentative du tout!! La rue n'a rien à décider dans ce cas là puisque le choix en amont, démocratique, a été fait et vaut ,quoi qu'on dira, décision de la majorité du peuple!

Et le vote est l'expression la plus fondamentale de la démocratie!!!!
7. ravatorano ( 07/02/2008 04:48)
badboy < raha azoko tsara izany ilay teneninao dia ireo mpanohitra izay manao (bad)boy-cott dia tsy democraty
8. zamanoro ( 07/02/2008 05:07)
ravatorano:

maagaga fa 3% teo no mahazo tsara hoe inona ny antony hifidianana mpanolon tsainam paritra ary inona marina no tena asan'izy ireo raha lany eo zareo.

Dia mbola gaga amin'izany foana ve Ravatorano, Ianao ve aloha vato ranomandry sa rano mitsiranoka eh? ahahahaha
Io ohatran'ilay hoe firy amin'ny olona mpifidy no mahafantatra hoe inona ity lalam-panorenana anaovany eny sy tsia ity
Firy amin'ny mpifidy no tena mahafantatra ny asan'ny Depiote any aminy, fa heveriny hoe ireny no mpanamboatra lalana sy hopitaly
Dia mifidy ny olona dia mba mifidy eh
Mifidy fa sao tsy voatomboka ny karatra ka ampifalin'i Prezy rehefa misy raharaha atao ao amin'ny fokontany
Aza mitomany Ravato an, sao mitsiranoka eo a
9. rabaradaka ( 07/02/2008 06:52)
Dia marina ny voalazanareo ry dadatoa fa dia izao zany ny demokrasian'ny Gasy. Moa tsy toy ny tamin'ny 1982 sy 1990 ny zava-misy ? Mifidiana ihany na dia kamo aza e, fantatro fa kamo ny 70%-n'ny malagasy.
10. badboy ( 07/02/2008 07:08)
ravatorano:

badboy < raha azoko tsara izany ilay teneninao dia ireo mpanohitra izay manao (bad)boy-cott dia tsy democraty




Tsy miteny aho hoe tsisy kianina ny TIM. Saingy tsy tokony ho adinoina fa ny vahoaka malagasy no nifidy ny fanovana ny lalampanorenana "modification de la constitution". Ny tsy nieritreretin'ny rehetra t@ io dia ny fanidian'ny TIM ny "élection régionale".

Zay no antony ilazako hoe ny valiny efa fantatra, alohan'ny fifidianana d'efa fantara satria vao lany ilay fanovana lalampanorenana d'efa lany ny TIM!!!!

Noho izany ilay BOYCOTTAGE @ zao tsisy "valeur démocratique" satria tary amboalohany no tokony ho natao ilay izy mba hanovana ny lalana mikasika ny fifidianana ny "conseiller et chef de région".
11. tenagasy ( 07/02/2008 12:07)
Mankamamy e!

Dia ""Révolution"" mankaiza sy miaraka amin'iza hono izany eh? Ohatry ny mampihomehy ihany indraindray

BoyKôty e BoyKôty!

Mety hoe miteniteny foana angamba aho, fa mba hevitro ny ahy ka asehoko:

Ny fahitako azy:
- Tapi-dalankaleha toy ny sokina nanani-bato ny ankamaroany,
- Lany haika sy tsy misy hatokona
- Dia toy ireny tsy misy hatao rehetra ireny:
Minanaka sy mitabataba (Râler)
Masiaka tsikera (soa fa misy mahatsara azy na dia tafahoatra aza matetika)
Midongy sy mitokoka
... ... ...
Ireo rehetra ireo ==> Vesatry ny fandrosoana (Poids, Charge, Lest & Leste)

Mbola averiko ihany:
Na dia tsy mieritreritra aza aho hoe fotoana fanoloana izao, tsy misy dondrona eo ka tsy hanolo raha misy ny metimety kokoa vonona avy hatrany.

Ka raha hanolo: IZA ARY IZATO HAROSO? VALIO!!!

BôyKôty: "Les absents ont toujours tort!"

Mirary soa.
12. zokibee ( 09/02/2008 13:40)
mikorontana ny TIM
-Tsy ho senatera TIM intsony rajemison?
-Lasa nivory any France Andry TGV ;Sylla;Ekipa ratsiraka?
-Esorina tsy ho filohan'ny AN intsony i Sylla @Session manaraka?
-Ny Pm no mitoraka hoditr'akondro an'Dravalo
13. xxx ( 10/02/2008 02:08)
Ka le PM kosa efa mitetika ny fitondrana manaraka koa
14. madera2 ( 17/02/2008 18:57)
tsy fantatry ny ankamaroan 'gasy izy io fa alefa foana , na zaho zao de tsy mahalala ny andraikitry ny conseiller regionale io , avalao handeha any ka rehefa dobo ny sambo samia manavotra ny tenany ihany fa tsy haiko mihitsy no antony hanaovana io fifidianana io @ andro fahavaratra io !
15. Jeankely ( 18/02/2008 15:05)
F'angaha ao anaty sambo nareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0953