anarana Gasy/Vazaha

1. megabass ( 04/02/2008 13:49)
Aorianan'ny francisation d'un nom ve dia afaka tehirizina ny anarana gasy rehefa any madagasikara ?
novalian'i penina ny 18/02/2008 18:13
2. Ralay ( 04/02/2008 15:15)
Rehefa franchiser-na ny anaranao dia tsy maintsy milaza @ ambasady malagasy ao @ toerana misy anao ianao dia ry zareo ny manao ny necessaire rehetra ny momba anao any dago.Noho izany dia mazava ho azy fa tsy azonao tazomina intsony ny anaranao gasy na any dago aza nefa ny indro kely anefa matetika dia tsy tomombana aradalana ny asan'ny masoivohontsika aty ivelany ka tsy tonga any dago ny fiovana rehetra mikasika anao hany ka lasa manana identité roa ianao ohatra koa hoe selibany ny momba anao any dago nefa manambady ianao any ivelany.
Soa ny mandroa hono :P
3. kiadi ( 04/02/2008 16:15)
fa manina no franciser_na zany eh? mahamenatra anaga le anarana gasy sa te ho lasa vazah?
4. anidi ( 04/02/2008 17:43)
Manaitra be mihitsy fa ahoana no miova anarana , tena tsy azoko mihitsy fa na ny zanako ary nampitondraiko anarana gasy avokoa , ny vazaha anie taratasy e
5. ni81 ( 04/02/2008 17:49)
hoy anidi Manaitra be mihitsy fa ahoana no miova anarana , tena tsy azoko mihitsy fa na ny zanako ary nampitondraiko anarana gasy avokoa , ny vazaha anie taratasy e

Mba tiany ho vazaha avokoa izany ny momba azy rehetra!
6. sipagasy ( 04/02/2008 19:10)
vazaha taratasy reh izany, fa mainty fihodirana ihany e!!!!! hihihihih, miala tsiny fa taolana ireto nifiko fa tsy tanako ny hehy e!!!!
7. ni81 ( 04/02/2008 20:20)
Mahasoa azy izany matoa nataony kah
8. rakaroka ( 04/02/2008 21:19)

Misy fanazavana tsotra anton-javatra resahiko ity?
Tsy vao i Megabass no nisaina ity fa nisy namako
nanana ny maha-izy azy tokoa fa niharan'ny "sivana" teo amin'ny fitadiavana asa.
Mila mivelona anefa izy, ary hananany ny "atout" hafa tsy izay monja no vato misakana. Ary tena misy anefa io "sivana" io aty. Rahateo misy anarana dia mampitondra faisana mihitsy ny nitondra izany
eo amin'ny fanaovana taratasy fa tsy voasain'ireo ray aman-dreny nanao izany (lava loatra ilay anarana
no sarotsarotra amin'ny vazaha) dia à chaque fois mandalo "admnistration" misy "blem" foana, matetika diso tsipelina ny secrétaire, anefa "ammerdemment BBBbe ny vokany avy eo. Donc tahaka izany ny antonantony tsara ho fantatr'ireo mpanome tsiny be ihany!
9. ni81 ( 05/02/2008 07:24)
Marina sady mitombina tsara io resakao io rakaroka , sarotra be @ vazà mihitsy ilay anarana gasy fa sady lava no sarotra tononina. Miova hatramin'ny dikany aza indraindray. Dia izay no nanaovako teo ambony hoe "mahasoa azy izany matoa nataony kah"
10. megabass ( 05/02/2008 08:46)
kiadi sy anidi > ianareo efa manana ny valiny manokana, tsisy tsiny.
Mitohy tsy toa ny forum sasany ny antsika fa "forum namana" ny eto.


11. aloalo ( 12/02/2008 05:54)
tsy d hitako alou ny olana raha fohy ilay anarana (RABE, RASOLO, RAOLY ohatra) fa raha ilay à rallonge ireny dia tsara raha fohizina fa tena handicap any ampiasana, lasa ataon'ny vaza fihomehezana.
ny ankizy moa no tena mampalahelo, marina fa azavaina azy fa isika d'origine gasy, misy anarana sarotra kokoa toa ny an'ny sinoa, tavaratra fa na izany aza ny namany manala azy.
anidi> ny zanako nomeko anarana gasy mora antsoina koa, samy manana ny safidiny
12. penina ( 18/02/2008 18:13)
aloalo:
lasa ataon'ny vaza fihomehezana.

tonga dia ompaina izy amin'ireny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.156