TOA MITADY FANAMPIANA SAHADY TGV?

1. tsinjo ( 31/01/2008 10:24)
taitra tampoko aho ra nahare fa we mitady fanampina sahady ny TGV ,de nihomehy aho hoe: aiza le we aingampade ny TGV ?hihihi(FAR:fanarenana Antananarivo Renivohitra )
novalian'i Jeankely ny 13/03/2008 07:35
2. comptezo ( 31/01/2008 10:59)
:?:
3. Jeankely ( 31/01/2008 11:17)
Na TGV io na TGVendrana, io no lany teo. Tsy mbola lany io dia nanoratra aho hoe miomana fa hanome lesona ny vahoaka mpifidin'Antananarivo. Avy indray aho nanoratra hoe tsy ny TGV no heverin'ny olona ahatonga azy aiza fa manome lesona ny Mpitondra izy ary izay no hitany fa mety aloha. Ka izay nanatenabe dia azy ny azy. Ny sasany aza eto dia mahita izany hoe tokony hitady asa hafa ny mpampianatra fa hisy fampianarana maimaimpoana betsaka. FA RESAKA SAHALA IZANY DAHOLO VE NO HEVERINAREO TAKATRY NY VAHOAKA MALAGASY?. Rehefa samy mifampijery fotsiny ary tsy mihevitra ny hiezaka mafy ary miamafy hatrany dia samy hitan'ny havany eo.
4. latina ( 31/01/2008 11:49)
Ataoko ity ange Ra-8 ka mba nitady fanampiana koa t@ vao tonga teo @ fitondrana ny tananan'Antananarivo! sa tsy tadidinao intsony? Toneo ihany ny fo sao dia ho faty tampoka @ izany fahataitairana tampoka izany.
5. ankoay ( 31/01/2008 12:10)
oadray marina!
fa tsy tokony hitady fanampiana izany izy fa dia hitaza² fotsiny eo!
Ra mba nisy enti-mihetsika ahay ange navelan'ny teo aloha mety mba afaka niasa izy tsy nitady fanampiana eh!
mampanahelo le toe-tsaina faly hanakiana!!
6. lamie ( 31/01/2008 12:41)
mila vonjy tgv satria be loatra ny"dettes", an'Antananarivo io,io no lova efa taoriann'ny fitondràna taloha, ny jirama koa moa tena nitsipozipozy,tsy mahagaga, ny fananany kosa ve ry zalahy no amenoany ny trosan'ny hafa:?::?::?:omeo tànana izy fa aza akifika fa ialintsika ny manana firenena vanona!
7. jacqueline ( 31/01/2008 13:23)
Aza dia mitsaratsara olona tahak'izany, fa mbola eo am-panombohana sy am-pandinihana izy ny amin'ireo ratsy navelan'ny sasany. Tsy aleo olona tonga dia hita hoe miainga amim-pahamarinana, sy am-pahatsorana toy izay olona miseho nahavita an'izao sy hoe nahatsangana an'izao nefa vola avy aiza ireny fa tsy volam-panjakana na volam-bahoaka no naodikodina nanaovana an'izao mba ho entina hireharehana. Koa mba saino kely aloha ny fijalian'ny vahoaka tamin'izany.
Sady tsy terena anie ianao handrotsaka e!
Ho an'izay manam-pitiavana amin'ny fandrosoana ny Tanan'Antananarivo no takiana amin'izany fa tsy ho an'ny olona ratsy fijery sy fanakianana amin'ny zavatra vao miantomboka.
8. Jeankely ( 31/01/2008 13:27)
Tsy ny ho ampiana kosa no handehanany teo araka ny teniny. Marina fa tsy ny ampaosiny no ahavita fa izy no nilaza FA TSY SEZA NO ZAHAVINY FA SEHATRA ka rehefa azo ny sehatra hoy izy dia NY ASA TOKONY VITAINA ANIO ATAO ANIO FA TSY RAHAKAMPITSO ka raha tsisy mpanampy ary ve dia lasa amin'ny herinandro koa tsy milaza fa marina ary nitombona ny tsy nahavitan'ny sasany teo aloha haingana dia haingana?
9. zamanoro ( 01/02/2008 00:33)
Le vavan-dRa8 nilaza hoe ataoko toa an'i Fianarantsoa Antananarivo no nahatonga ahy hanao an'ilay hoe O ry... mba milaza ihany an'ity fairano ara-bola atao amin'Antananarivo Renivohitra ity

Na anaovana antsojay
Mba hiketraka sy ho fay
Saingy ireto olona eto an’ivo
Tsy hiato ... hiaro an’Iarivo
… Ilay Tanananay

Fa taloha navela ho sola
Izao indray arirarira amim-bola
Saingy tsy haharitra tsy akory
Avalony any ... ataovy rony
… Aza mampifilafila
10. tsinjo ( 01/02/2008 06:07)
fa nga kous mou alouhany idirana eo aminy fitondrana tsy tokony ho fantany fandehany zvt retra ao ?matoa masahy miditra vonona ny hizaka zay efa ao fa ts dradradradraina etsy sy eroa we misy anizao sy zao ao ka refa tafiditra vao mitady tanana aminy vahoka ,ny olona matoa mifidy anao de de ianao atao hizaka anio sy ahatsara ze ao antiny ao , fa tsy ny vahoaka efa mahantra ndray no mbala angatahana ,inona fotsiny zany no nifidina anao teo aminio toerana io ?
11. mignone ( 01/02/2008 08:13)
politika re zany ry tsinjo aaa!!:lol:
12. tsinjo ( 01/02/2008 08:39)
ka politika ny inn ary e ry mignone a
13. raniry ( 01/02/2008 13:14)
normal ra mitady fanampina e, Ra8 koa ange nanao tahak'io t@ izy lasa maire ra tadidinareo. Budget isataona ny fanjakana gasy aza moa fanampiana no betsaka ao, ka tsy magaga zany .
14. latina ( 01/02/2008 13:34)
Sao dia Rafaly aza tsinjo io dia manao alahelon'ny tsy lany.:cry:
15. tsinjo ( 01/02/2008 16:41)
latina an an ka otrany gaga be fotsiny za we fa maninona no manalabaraka tena otrany reny nefa ny fampanatenana tsy otran'ireny we ny vahoka no angatahana vola ialanao aminy trosa ao aminy kominina
16. pakopako ( 01/02/2008 18:23)
Mbola 1 volana ve izy nitondra d maika hanakiana sahady ry tsinjo d mitsinjo akaiky marina fa tsy MItsinjo lavitra zany,tokony efa mba hova @zay ny fijery eeeh! tadidiko tsara ny mpanarabaovao taloha t@ andron'iRadidy d raha vô lasa any andafy d hoe lasa nanao meomeo any andafy d tonga R8 d lasa nitady vola izy d ity indray TGV d vô 1 vola d hoe mila vonjy sahady.Tsy vitan'olo 1 leroa zany mitondra vahoaka zany eh!!!
17. fijo ( 01/02/2008 21:09)
amiko tsy olana ny fitadiavana fanampiana,satria isika mbola firenena tsy manambola avy dia hiasana izany.ny olana amiko dia hoe aiza io fanampian aio no hangatahany???ny fanjakana ve?sa ny mpampindrambola?
18. Jeankely ( 02/02/2008 04:16)
Izay no tsy takatry ny mpifidy mihintsy angamba fa ny mandihindihy sy ny manao fety ary manantena ny sasany no ao antsainy. Vao hiditra ny candidat dia ny fomba fahaizany mampiasa ny volakelin'ny Commune no tokony resahany fa tsy ny ity hatao ity tsy mety nefa avy eo mitady fanampiana.
19. papala ( 12/03/2008 12:39)
I TGV ndray aloha de lay olona tsy mba dynamique mihintsy ireny e! Amin'izao aloha de any frantsa ihany no hitany fa hanampy azy, fa ataon'ny frantsay saribakolikely ndray i TGV, ka ho raisin'ny frantsa ambongadiny indray atsy ho atsy Antananarivo raha vao mivenaka eo! mba araho tsara ihany ange ny ataon'ny TGV e! 8O8O8O8O8O8O8O
20. Jeankely ( 13/03/2008 07:35)
Fa i Papala angaha tsy mahavoa Parantsay koa? ho anay aloha dia ny foto-pisainan'ireo Malagasy sasany ao Parantsa no hafa kely. Ny fanampiana tsy maintsy mandeha satria tsy mampiditra firy ahafahana miasa. Izay nefa tsy asehon'ny mpilatsaka ho fidiana hoe ahoana no fahaizany mampiasa ny vola miditra tsy ampy fa dia ny mitanisa ny hoe iry amboarina, iry tsy mety fotsiny. Hafa ny toetsaina entina mifidy raha samy mahalala fa miasa amin'ny vola tsy ampy ary mila olona mahay mitady famantsiana maro avy ivelany. Asisika ao antsaina fotsiny hoe volabe no mhodina ao ary lasan'ny mpitondra fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3904