mitady hiran'i mahaleo Embona sy Hanina

1. Angolaina ( 30/01/2008 09:59)
Salut ! mba mitady ny tononkiran'ny tarika mahaleo ilay embona sy hanina za sao mba misy namana !
Misaotra mialoha e !
2. ravatorano ( 30/01/2008 10:18)
sao dia ilay misy an'izao
manembona anie aho rey roy .....
hihihi
d tsary tadidiko tsony ny toiny
:-D:-D:-D:-P
3. hery ( 30/01/2008 11:02)
http://tononkira.serasera.org/?rub=tononkira/mpihira&id=1
4. mampikanto21 ( 30/01/2008 11:30)
Embona sy hanina, tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo
Ny havoana tazanina,tsy hita hodinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary, ny fo maratra
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
Mba nihika mafy ihany aho nefa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Ts'isy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
Fa noho ny hasomparan'ny tany
Izaho aty, ianao lavitra any
Tsy azo iadiana ny anjara
'Zay 'ngamba no heveriny ho tsara
F'izaho tsy kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty honahona aza hotafarina
Na halevina mety handifitra olona
Hiposaka haniry hamololona
Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
Izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Tsy ny halavitana, tsy ny taona
No hahasakana ny fontsika tsy hihaona RadioVazoGasy
Tadiavo ao amin'ny RVG
Mpihira
Mahaleo


Hampiditra sary
Momba ny hira
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 25/10/2001 16:10
Mpamaky : 3178

Tondrom-peo gitara
Nampidirin'i naivoidealy
Nampidirin'i tuika

Hampiditra tondrom-peo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0525