Fanesorana dinika

1. hery ( 30/01/2008 07:52)
Alohan'ny hanoratra eto amin'ny forum, alohan'ny hanontany hoe naninona ny dinika napetrako no voafafa, sns... dia http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy

Raha tsy hita ao ny valiny dia manorata amin'izay.

novalian'i kiadi ny 14/02/2008 16:44
2. sakaizakely ( 30/01/2008 08:50)
Fitsipi-pifehezana forum.serasera.org
Mombamomba ny takelaka
Ny takelaka forum.serasera.org dia nisokatra ny 12 avril 2003 ho fanampin'ireo takelaka vokarin'ny serasera.org efa misy. Toerana natokana indrindra handinihana sy hiadian-kevitra an-takelaka momba ny lohahevitra maromaro voafaritra. Raha misy lohahevitra mahaliana anao kanefa tsy hitanao ao dia azonao ilazana ny mpitantana ny takelaka ao amin'ny admin@serasera.org

Ny fomba fisoratana anarana
Raha te handray anjara dia mila misoratra anarana ho namana. Mandehana eto amin'ny Fisoratana anarana.
Rehefa voasoratra anarana ianao dia alefanay any amin'ny adiresy imailaka (email) nampidirinao ny tenimiafina (password) ahafahanao miditra ato amin'ny takelaka. Azonao atao ny manova izany rehefa avy eo.
Ilaina tadidiana hatrany ny solonanarana sy ny tenimiafina. Raha sendra adino moa dia misy fomba fitadidiavana azy ao amin'ny site... ery ankavia.
Tokony hofenoinao araka ny tokony ho izy ihany koa ireo zavatra hafa toa ny anarana, sy ny sisa. Mahatsara ny fifandraisana ny fahamatorana sy ny fahamarinan'ireo mombamomba anao.

Fitsipika fohy
Ny forum.serasera.org dia takelaka malagasy rano iray natao ho an'ny namana mahazo ny teny malagasy mba hahafahany miady hevitra. Tsara raha vakianao tsara aloha ireto fitsipika fohy ireto alohan'ny hidiranao ho namana.
Ny mpitantana ny namana ato amin'ny namana.serasera.org dia manana ny zo:
- Hanova ny votoatiny manontolo na ampahan'ity fitsipika ity.
- Hanova ny votoatiny manontolo na ampahan'ny takelaka.

1. Momba ny fidirana ho namana
Ny fidirana ho namana ato amin'ny namana.serasera.org dia maimaim-poana. Ny hany ilaina dia ny fanananao adiresy imailaka mazava tsara sy mandeha tsara.
Ny namana misoratra anarana dia manaiky fa hanaraka ny voalaza ato amin'ity fitsipika ity. Manaiky ihany koa fa ny mombamomba azy izay apetrany ato dia marina sy azo itokisana. Tsy iantohan'ny mpitantana anefa ny maha marina na tsia ny mombamomba ny namana iray.
Ny mpikambana rehetra dia manana SOLONANARANA (login na pseudo) izay ampiasainy mandritra ny fitsidihana ny takelaka. Azon'ny mpandrindra esorina avy hatrany ireo Solonanarana izay tsy manaja ny mahaolona na manohitohina ny firindran'ny takelaka na mamoafady na koa tsy mifanaraka amin'ny lalàna manan-kery.
Ny namana ihany no mahalala ny TENIMIAFINA izay ampiasainy. Ny namana no tomponandraikitra voalohany amin'ny fitehirizana ny Tenimiafina izay nofidiny. Azon'ny namana atao ny manova ny tenimiafina araka izay tiany miaraka amin'ny mombamomba azy.
Ny namana izay tsy mamangy ny takelaka mandritra ny 120 andro dia voafafa ho azy ao anaty lisitra. Azony atao indray anefa ny misoratra anarana aorian'izay.
2. Momba ny fitondrantena
Ny forum.serasera.org dia tsy tomponandraikitra amin'ny mety ho toetra na fomban'ny namana tsirairay ao anatiny. Ankinina tanteraka amin'ny fahendren'ny namana ny momba izany.
Azon'ny tsirairay atao kosa anefa ny mandefa fitarainana momba ny toetra ratsy ataon'ny namana iray. Raha voamarina izany dia esorina tsy ho namana intsony izay ninia nanao hadisoana. Ny hafatra mandeha moa dia azon'ny mpitantana ny manala azy araka ny fitsipika voalaza etsy ambany.
Ny fitarainana mety hanesorana namana ao anatin'ny lisitra, raha voamarina, dia ny fanopana na fanozonana ny namana hafa, ny fandefasana sary na teny maloto amin'ny namana, ny fametrahana teny maloto na sary maloto ao amin'ny mombamomba ny namana.
Ny namana mametraka sary na teny mamoafady manafintohina ny namana hafa dia esorina tsy ho namana intsony ary tsy afaka miverina ho namana vaovao intsony.
Ny fitarainana rehetra momba ny takelaka dia azonao alefa amin'ny hery@serasera.org na koa alefa mivantana amin'ny mpandrindra ny serasera.org dia ny webmaster@serasera.org.
Ny fahendrena malagasy no entina mifampitondra ato amin'ny namana ka matoky ny fahendren'ny namana tsirairay avy.
3. Fitsipika anatiny amin'ny forum.serasera.org
Ity fitsipika ity dia azon'ny tomponandraikitra ovaina misy na tsy misy fampandrenesana.
Ny namana rehetra mampiasa ny forum (tomponandraikitra, namana tsotra, mpamangy) dia manaiky fa hanaja ity fitsipika ity alohan'ny hanoratana ao amin'ny forum. Raha voaporofo ny tsy fanarahana ity fitsipika ity dia azo sakanana tsy hiditra ato amin'ny forum intsony ny tsy nanara-dalàna.
Tomponandraikitra voalohany amin'ny dinika tsirairay iandraiketany ny mpandrindra sy ny mpamorona ny lohahevitra. Raha misy fitarainana momba ny lohahevitra, anatiny sy ivelany, dia any amin'ireo mpandrindra na mpamorona azy no alefa.
Raha misy fitarainana momba ny zavatra ataon'ny mpandrindra na ny tompon'ny lohahevitra dia azo atao ny mifandray mivantana amin'ny tomponandraikitry ny takelaka miaraka amin'ny porofo.
Ny hafatra manohintohina ny fifandraisana amin'ny ompa, fanenjehana bontolo, fanaratsiana mivantana na ankolaka mihatra amin'ny namana mpikambana (amin'ny fampisehoana solonanarana), na ny tomponandraikitra, na olona hafa ka handraisana fitarainana dia hoesorina ary mety hiafara amin'ny fanesorana tsy ho namana ny mpikambana nanoratra azy.
Mba hisian'ny fifampitaizana amin'ny Teny malagasy dia ezahina ho teny Malagasy ranoray no ifandraisana ao amin'ny forum.serasera.org. Azon'ny mpandrindra ny lohahevitra esorina ny hafatra tsy mifandraika amin'izany. Azo leferina kosa ireo vaovao nalaina tamin'ny loharano hafa ka tsy voadika amin'ny teny malagasy.
Teny mendrika sy feno fifanajana no ifandraisana. Noho izany dia tsy ekena ny fisian'ny fifamaliana ara-poko sy firazanana, ara-pinoana ary ara-pirehan-kevitra
Tsy azo atao ny mampiditra dokam-barotra handraisam-bola ao anatin'ny lohahevitra tsy mifanaraka amin'izany raha tsy misy alalana manokana avy amin'ny mpitantana na ny mpandrindra ny lohahevitra.
Azon'ny mpanoratra atao ny tsy milaza ny solonanarany rehefa mandefa hafatra. Mba hialàna amin'ny fisandohana kosa dia hofafaina izay hafatra soratan'ny namana tsy mitondra solonanarana kanefa misy sonia eo ambany, na soniany ihany izany na sonian'olon-kafa.
4. Teny avy amin'ny mpandrindra
Ny mpandrindra ny serasera.org dia manome toky fa hanaja ny namana tsirairay ao aminy sy ny mombamomba azy.
Ny mpandrindra ny serasera.org dia tsy hizara na hanome olona hafa ny adiresy imailaka na koa ny mombamomba ny olona iray.
Ny serasera.org dia hiezaka hatrany hanatsara ny takelaka. Raha sanatria anefa misy ny tsy fahatomombanan'ny takelaka dia tsy voafatotra amin'izay mety ho fahaverezan'ny hafatra na famafana ny mpikambana ny mpandrindra.
Ity fitsipika fohy ity dia azon'ny mpandrindra ovaina na ampiana araka izay mahamety azy.
Natao teto Antananarivo ny vendredi 12 avril 2003 09:58:45 Eugene Heriniaina webmaster@serasera.org

Nampiana sy nahitsy ny 23 desambra 2004
nahitsy ny and.3 teboka 6
nahitsy ny and.3 tebooka 8
Nampiana sy nahitsy ny 07 martsa 2005
nahitsy ny and.3 teboka 5
nahitsy ny and.3 teboka 6
nahitsy ny and.3 teboka 7
nampidirina ny and.3 teboka 8
Nahitsy ny 10 jolay 2006
nosoloina ny and. 3 teboka 9
3. sakaizakely ( 30/01/2008 08:51)
nasiako sarisarikely de mba mahafinaritra ny mamaky azy fa sarotra be fa raha vao tsisy sarisary
4. booboo ( 30/01/2008 09:13)
hihihihi izy hoà hafa ihany hihihihihihi
5. kallie ( 30/01/2008 09:35)
:-D:-D
6. fanantenana2003 ( 30/01/2008 10:02)
f'aiza daholo le dinika teo aloha no tsy hita! n'importe quoi
7. booboo ( 30/01/2008 10:12)
fanantenana 2003 > hihihihihi tsy namaky hatr@ farany a :°) nefa efa misy jereo eto sy io naverina io sady miampy kisarisary
8. kelly13 ( 30/01/2008 11:13)
Momba ny fitondrantena
Ny forum.serasera.org dia tsy tomponandraikitra amin'ny mety ho toetra na fomban'ny namana tsirairay ao anatiny. Ankinina tanteraka amin'ny fahendren'ny namana ny momba izany.
Azon'ny tsirairay atao kosa anefa ny mandefa fitarainana momba ny toetra ratsy ataon'ny namana iray. Raha voamarina izany dia esorina tsy ho namana intsony izay ninia nanao hadisoana.


d mba tokony taterahana io satria d misy ny minia fa tsy nanasoketa nefa efa omena porofo betsaka
9. xxx ( 30/01/2008 11:53)
fanantenana2003:

f'aiza daholo le dinika teo aloha no tsy hita! n'importe quoi



Makà mitsy lou toi toerana tsara dia AVERENO KELY NDRAY MANDEHA
10. ikalamako ( 30/01/2008 12:46)
mba ampio tosika biby hafa kosa le gidro fa tsy godraka be ve lery irery mikandra be manondinkodina tanana eo nefa ity resaka toa lavabe ! :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
11. fanantenana2003 ( 30/01/2008 12:58)
za tsy namaky eh lava loatra fa sombitsombiny ihany no novakiako sady alohan'ny nadefasako le hafatra tsy namaky aho a tonga de nanoratra:D
12. ari.malala ( 30/01/2008 13:35)
ikalamako:-D:-D:-D:-D
13. ikaretsaka ( 30/01/2008 14:17)
mampihomehy be ny mijery le gidro@ iphone:-D:-D
14. tess ( 30/01/2008 17:36)
:-D:-D:-D:-D:-D
15. penina ( 30/01/2008 18:02)

[center][/center]

.

fa nisy dinika marina ange nampidiriko tamin'ny analamahitsy fa nanonona no nesorina eh?
16. heidi ( 30/01/2008 20:09)
raha voafafa mamorona indray ry zalah ah! fadio fotsiny ny manonona ps, ataovy teny baiko dia vita!;-)
17. ari.malala ( 31/01/2008 06:14)
fa de tsisy sary hafa afaka anmpidirina v fa mampimeme b mints ny maita anle gidro e, zay efa igagan'ny oul mints fa mimeme rery fona=))=))=))=))=))=))=))
18. tess ( 31/01/2008 06:17)
:-D:-D:-D:-D tena rabôfy maria io miala any manarabody ahy atsy sy eroa io
ho an'i rabôfy!!!oupssssss tamberina mantsy e!http://serasera.org/namana/?rub=namana/sary&asa=tsikera&saryid=s47a145676b96b
19. tess ( 31/01/2008 06:22)
diso hefitra aho fa tokony tary io hevitra io any am fiaraha-monina:wink:
20. ikaretsaka ( 31/01/2008 06:33)

[center][/center]


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2009