Fiteninao, raha misy mahasorena
Hilaozanao, havelanao irery aho
Izaho foana hoy ianao, no tsy hahasaraka
Fa ianao efa tofoka sy lao
Zary lasa fahafinaretanao
Ny mandratra @ teny maharary
Tsapako hatrizao tsy misy intsony ao
Ilay fitia fa nisy fetra ny ho doria
Ref: Toa rakibolana vaovao
No ampiasainao, tsisy zay tsy niova tao
Na ny dikany hoe tia niova ho lasa leo
Ny mandrakizay toa tapitra hatreo
na izaho aza miombon-kevitra aminao
Toa tsy ho laitra intsony raha mbola hikiry sy hifikitra aho
Nanapakevitra aho,f'izaho no handao anao
F'efa lao noho ny fandrahonanao
Aleo atao mitovy ny fijery
@ zay izaho tsy ho irery
Tsy ilay tavela teo
Nangaina nitoreo
F'efa nahafoy sy sahy nandao anao
Ref: (x2)
Tsofiko rano,hahita soa
Avelao aho mba hilamina tsisy toreo
Ref.....
POOPY