Hitondra aiza moa ty adihevitrareo ato ty????

21. latina ( 31/01/2008 11:58)
mapme le fanontanian'i badboy; "hitondra aiza ity resaka ato ity", hitondra any @ fahazahoana lagy indraindray hihihihi!
22. badboy ( 31/01/2008 12:58)
Mipatrapatraka tahaka ny avandra fanehoankevitra, mivatravatra toy ny tselatra tsisy orana ny fanohanankevitra, mifofofofo tahaka ny rivomahery ny fanoherankevitra, milatsadatsaka tsisy fitsaharany tahaka ny orampahavaratra ny fanompana, maizina sy mandrahona tahaka ny rahona mainty ny fijery sy famaliana ny hevitry ny tsy mitovy amin'ny an'ny tena.
Mahafinaritra hoy ny sasany, mahaliana hoy ny hafa!
Ireo rehetra ireo anefa rehafa nojerena akaiky ny vokany de mampalaelo fa aotra "zéro"!!! Ny teny pôkaty, ny hevitra mitsitaingina, ny valiny mitongilana!!!
Ka averiko eto indray Hitondra aiza moa ty adihevitrareo ato ty
????
23. Jeankely ( 31/01/2008 13:23)
Ny anao valiana voalohany hoe fa mitetika ho aiza no hidiranao ato. Ny sasany efa samy mahalala ny tiany haleha sy ny tiany hatongavana fa ianao izao no mila mandinintena sy manontany tena fa tsy ny hafa no hamaly ny tsy fahalalanao izay lalana halehanao=))=))=))
24. zamanoro ( 31/01/2008 13:52)
badboy:

nojerena akaiky ny vokany de mampalaelo fa aotra "zéro"!!!

Tsara aloha ilay fanamarihana, fa aza adino koa fa tsy azo atao ny mitondra fananarana ho an'ny adala. Ary tsy dia tsara ny jiro tokana anitin'ny haizina.
Ka raha miresaka amin'ny adala dia asiana hadalana

25. Jeankely ( 31/01/2008 13:54)
Resaka adala mananatra adala dia samy adala ve=))=))
26. badboy ( 31/01/2008 15:04)
Ka ho aiza ary e? sa hifanadala fotsiny zany! Mampety tsara ny fiainan'ny fanatika sy ny mpandrebireby zany!!
Fa ho an'ny nihevitra zavatra hafa, ho aiza???
Sa mba ahamora ny handraisana ny tenin'ny tsirairay dia aleo raisina ho adalana sy vazivazy zany ny resaka ato!
27. xxx ( 01/02/2008 10:12)
Hoy i Jeankely:

""Ny anao valiana voalohany hoe fa mitetika ho aiza no hidiranao ato. Ny sasany efa samy mahalala ny tiany haleha sy ny tiany hatongavana fa ianao izao no mila mandinintena sy manontany tena fa tsy ny hafa no hamaly ny tsy fahalalanao izay lalana halehanao""

Ianao koa raha hampihomehy an?

Matetika tokoa ny zava-marina rehefa tenenina mahitsy sy mivantana zary mahaloky tokoa an!!!

28. badboy ( 01/02/2008 12:51)
Matetika tokoa ny zava-marina rehefa tenenina mahitsy sy mivantana zary mahaloky tokoa an

tsy azo atao ny mitondra fananarana ho an'ny adala. Ary tsy dia tsara ny jiro tokana anitin'ny haizina.
Ka raha miresaka amin'ny adala dia asiana hadalana

Ny sasany efa samy mahalala ny tiany haleha sy ny tiany hatongavana


Ireo rehetra ireo dia manamarika ny olana ato @ ty forum ty! Ny kely hevitra misarika ny manankevitra hitovy refy aminy! Ny manankevitra manao izay tsy hampivoatra ny fandinihan'ny kely hevitra!

Tena vao amika mitombona ilay hoe Hitondra aiza moa ty adihevitrareo ato ty????
29. Jeankely ( 02/02/2008 04:20)
Hitondra amin'ny fahaizana mandika izy aminay fa ho anao mitetika hanitsy mpitondra angamba na mitetika ho Ministre rahatr'izay no mety sahirana raha aty no mitonatonana=))=))=)). Izahay eto no revinay na tsy mankaiza io na io izy hita eran'izao tontolo izao io.
30. ainaheri ( 02/02/2008 09:10)
Resaka mandany jiro ilay izy,misy ny karazan\'oul zay tsy azonao resena lahatra,ary manana sosokevitra entina hanitsiny ny azy izy,izany akory tsy midika we beloha na miseo ho lohany ,fa zay ny heviny!!!!
Alaiko @ reo famalinao reo ry badboy;maninona ianao misisika mamaly foana ary????? Vakio tsra ny zvtr soratana zay vao mitsara oul!!! Ary aza maka laginy @ oul tia mandresy lahatra(ianao ko ao antiny) fa samy manana ny heviny ny tsi11,ka na ambany na ambony araka ny voalazanao,azy izany ary zay ny kely ananany,ka mananjo izy hamoaka azy eto!!

Araka ny teninao;Ny teny pôkaty, ny hevitra mitsitaingina, ny valiny mitongilana!!! Ka raha fantatrao fa nanome ireo valinteny ireo!! Taiza ianao no tsy nanitsy fa nitaza-potsiny? An\'iza ny tsiny? An\'ilay nanome ny heviny ny heviny lazainao fa poakaty sy .... sa ity ianao nanao tazandavitra zay tsy nanitsy:?: Mbola averiko ihany fa nateraka ho tsy hitovy fisainana isika eto antany:!:
31. badboy ( 02/02/2008 09:35)
Averiko eto, za mandinika dia manamarika! Ary manome toky ireo zay matahotra ny ho very seza na mahatsiaro ho voadona @ izay volalazako ato ny tenako fa tsy misy tanjona ny haka ny toearn'iza na iza na hamotika n'iza na iza ny tenako.
Rehefa nodinihako ny hevitra misiditsidina ato dia ireo voalazakao eo ambony ireo no hitako.
Ny tenako dia isan'ilay mankafy ny fisondrotana sy ny fivoarana. Rehefa alalinina anefa ny fomba firesaka ato dia tsy ny hisarika ny fivoarampisainana mihintsy no tanjon'ny rehetra fa ny hanao akamakama @ hevitra 1 zay mety ho tsara mety ho ratsy, ary koa ny hampihena ny refimpandinihan'ny tsirairay mba hahamora resy lahatra azy!
Ka Hitondra aiza moa ty adihevitrareo ato ty????
32. fafa75 ( 02/02/2008 14:34)
Raha izaho no ohatran'i badboy dia aleoko tsy manketo intsony raha toa ka tsy misy soa azo! Lany andro, vizana manoratra sy mamaky ny resaky ny hafa. Sao dia any ankafa no misy tombony ho anao:?:
33. ainaheri ( 02/02/2008 14:48)
sady be filozofia,donk afera klassé,no komenty:roll:
34. badboy ( 02/02/2008 17:57)
Tsy isan'ilay olona faly mihomehy ny fahavoazan'ny hafa ny tenako!! Tsy nampianarina ahy zany fony kely!
Raha manana ho zaraina aho dia zaraiko!! Eto ny hevitra no zaraina!! Maneho ny hevitro tahaky ny rehetra ny tenako saingy be no voaelingelin'ilay voalazako dia mamporisika ny hijanonan'ny fanehoankevitra!!
Nampianarina ahy koa ny tsy hiravoravo tanana fa raha misy azo atao dia atao!!!
Zay ilay toetsaitsika oe tsy mety aminao ao de aza mijanona ao fa ndana mijery metimety kokoa! Raha misy olona mahasaky maneho ny tsy mendrika ataon'ny sasany dia tsy mahafaly!
Dia tsy hivoatra mihintsy ramalagasy sy ny fitiavatenany!!! Sa zay le hoe "ahy aloha vao reniakoho"!!!
35. Jeankely ( 03/02/2008 07:18)
Nanana ny tanjony ny Mpamorona sy mpamolavola ny SERASERA ka raha tonga taty aoriana mandray anjara ary mahalala ny tanjony nefa mitady hanitsy sy hanova izay ao anatiny dia tsara ho azy ny mamorona hafa mifanaraka amin'ny tanjony. FAFAO ALOHA NY LELO AMIN'NY ORONAO VAO MITENY NY HARINA AMIN'NY ANDRIN'NY HAFA.=))=))=)) Mihavotsy feno toy ny taindelo. Vitao haingana ity fianarana ary raiso ny andraikitra avy eo Ra-badboy=))=))=))
36. badboy ( 03/02/2008 11:06)
Jeankely:

mitady hanitsy sy hanova izay ao anatiny dia tsara ho azy ny mamorona hafa mifanaraka amin'ny tanjony.


Dia izay mitovy hevitra ihany zany no mahazo mande ato?
Izay mitondra hevibaovao sy manaraka ny toetrandro zany tsy manana ny toerany ato?:twisted::twisted::twisted::twisted:

37. Jeankely ( 04/02/2008 03:50)
Manana ny tanjony ny SERASERA alohan'ny nanokafan'ireo mpanokatra azy fa tsy an'ny fanjakana akory izy io angamba ka izay tonga dia anova satria be saina.=))=))=)).
38. badboy ( 04/02/2008 08:55)
Tsy zakanao mihintsy le olona manakevitra milay noho ny tenanao an!!!
Aza be fialonana otr'io moa "petite jeanne"!:twisted::twisted::twisted::twisted:
39. Jeankely ( 04/02/2008 09:23)
Tsy nibata aho koa ahoana no hoe tsy zakako ity hevitry ny tsy mbola nahita fampiharana ity. Ireo manao tsy ambinina hafa fa ny mbola andakilasy mila miakatra kianja ary maneho ny fahaizany alohan'ny zava-dehetra. Tsy vita tsy natao akory io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1738