Sary indray mipika ;)

1. LazaDaddy ( 28/01/2008 05:08)
Filamatra ny "miasa miasa miasa ihany"
Sy "mamokatra mamokatra mamokatra hatrany"
"Miasa" ho an'i TIKO sy ho an'i MAGRO
Fa "mamokatra" kosa ho an’i "Decagô"

Sahia Manao Fingana Lehibe
Ianareo mahantra, izahay mirehareha
Noho ny fiaranay dia natao ny arabe
'Nareo mahaiza mionona amin’ny taxi-be

Ny vola betsaka fa ny ampiasana azy no tsisy
'Zahay mirobaroba, nareo mitsako tsy misy
Aza manadala ny polisy fa Dory ny dahalo
Tahaka ny ataonay izay sahy mijoro ho fahavalo.


Ny tonga miaraka dia fanombohana
F'izay tsy anay tsimaintsy darohana.
Ny miasa miaraka no fahombiazana
Kanefa 'nareo tsimaintsy ho giazana.


Tsy ho ela dia ho nofinofy sisa ny delestazy
Tsisy idiranay 'zany fa 'zay mpanao barazy
Ho nofinofy satria ho soloina labozia
Ny ao an'efitrano sy ao an-dakozia


Ianareo mpanohitra tsy mahay ilay fikafika
Fa ny anay tsimaintsy premier tour dia vita.
Tsy rarahako mihitsy izay tenin'ny vahoaka,
Raha naona mihafia fa aza mihinan-daoka.
novalian'i Jeankely ny 29/01/2008 03:06
2. Jeankely ( 28/01/2008 09:45)
Izaho indray aloha tsy miray hevitra aminao dadato Lazadaddy. Misy ny asa ary tsy ampy ny vita. Mihavizana ny vahoaka sasany fa afaka mivoatra koa ny sasany na vitsy aza. Tsy mino aho fa ny havan'ny mpitondra ihany no mahita rirany amin'izao fotoana izao. Izay mikaroka afaka mahita atao na sarotra aza ny lalana. Ny mpitondra afaka soloina rehefa tonga ny fotoanany saingy ny fikafika lany andro ary vaomainka mitetika handany andro ny vahoaka tsy hekenay. Ny miasa tsy ampy azo atao ny mitsikera azy saingy tsy mety kosa ny mamingana satria ny Firenena no voa fa tsy izy tsy mahay miasa. Ny taiza Politikan'ny tranainy ve no avela hanjaka dia ny ravao ravao ary aza avela hisy mijoro. Izany no ahitan'ny sasany vahana. Tsy ao izahay. Madagasikara mila mandroso na sarotra io na ahafaty na hampijaly. Ny Jeneraly tsy nanao "Guerre" faly mitondra kitana saingy tsy mankaiza eo anatrehan'ny namany niaina ny ady vao mitondra kintana. Ny mpianatra any andakilasy tsy mbola niasa tsy mahalala ny fahasarotan'ny andraikitra. Ny poezia tsy hinanankanina koa
3. tamberina ( 28/01/2008 10:37)
marina izany ry jean kely sy lazadaddy!izay miasa betsaka no mahazo betsaka e!
4. Jeankely ( 28/01/2008 10:44)
Ny anay dia ny mamporisika ny olona hampitombo ny herimpony satria ho azy ny vokatra azony. Tsy ny olona no handrasanao hanesika sakafo ny vavanao fa ny herimponao. Ny mpanao politika mihevitra ny hanao poezia dia ahazo seza. Na iza na iza mpitondra tsy hivadika Directeur ny Mpamafa lalana ka hoe ity ny poezia fa ahazo vokatsoa ianareo. Tsy maintsy hiasa foana ianao fa aza manaiky rebirebena amin'ny dihy vody.
5. tamberina ( 28/01/2008 16:11)
ka asan'ireo be menomenona fa tsy ny asa no sorohina ry namana!izay milofo no mandroso ry zareo fa ny tsikera mampiditra kizo sy mahabe rora!samy manana ny tandrify @ adidy eto @ firenena, fianakaviana , fiaraha-monina dia mandeha io ry zalahy e!
6. Jeankely ( 29/01/2008 03:06)
Izay indrindra. Sasatry ny miverindalana ny vahoaka liana ny hivoaran'ny taniny. Tsy ny TIM no jerenay fa i MADAGASIKARA. Misehoa izay favy sy ahavita fa tsy ny findrasana poakaty akory no hamahana ny fahantrana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0549