passport taloha sy ilay vaovao
1. sariaka
(
27/01/2008 17:40)
Hono ho'aho, ho an'ireo izay mipetraka eto Italia tahaka ahy ka mbola tsy manana ilay passport vaovao, henonkenonareo ve mandra-pahoviana no manan-kery ilay passport taloha ? araka ny mba henonkenoko dia hoe mbola manan-kery ilay taloha hatramin'ny desambra 2008 ka raha mody tsy miverina amin'ity taona ity dia mbola tsy misy olana fa ireo mbola miverina inona no hataony, havaozina any Dago ve sa mila manontany amin'ny ambassade malagasy ao Roma satria efa nisy donnés nalefa any ? Misaotra anareo.:)
novalian'i mbaliana ny 04/02/2008 20:03
3. kelly13
(
28/01/2008 07:07)
toa hatramin'ny fin decembre 2008 le passeport talou, ms iandrasana an'izay v ny fanamboarana ny vaovao? ra ho any mada alohan'io d any atao. fa anontanio iany ny ambassady :)
4. penina
(
29/01/2008 01:16)
Dain, tsy koah raha Italy :-D
Tsy mbola notantaraiko anareo ilay za tany Firenze fa raikitra ny ankitady hoe marina ve ny passeport-ko sa tsia. Dia raikitra ny ankitady eraky ny birao, ireny ny lisitry ny paozin'ny pasipaoro avy amin'ny firenena be dia be. Tonga teo amin'ilay Madagasikara amin'izay dia voadingana. :-D:-D Dia nojerena kely aho dia hoe marina io rangaha ah. :-D

5. zamanoro
(
29/01/2008 02:05)
Arakaraky ny taona nakana azy ry Sariaka
Tamin'ny taona 2003-2005 teo ho eo izao dia folo taona no faharetan'ny pasipaoro
Saingy raha taona tao ambadik'ireo dia telo taona daholo
Fa ilay daty marina no somary tsy tsaroako dia aleo tsy ambara sao manoro vohana eto fotsiny

6. mbaliana
(
29/01/2008 19:15)
ohatry ny tsy azoko ny fanontanian'i sariaka... hatramin'izao ny ambassady gasy ao italy mbola tsy niantso ny gasy mipetraka ao hoe tongava amin'izay fa amboarina ny passeport-nao... dia mbola manankery zany mandra-piantsony.. raha mody nefa ianao dia any ianao manao passeport vaovao.. dia miverina koa.. satria raha efa mipetraka eto ianao dia tsy mila visa fa permis de sejour dia ampy...ny olona zay rehetra nody tny gasy tamin'iny taona 2007 iny nanamboatra passeport vaovao daholo ...
7. sariaka
(
29/01/2008 21:05)
misaotra amin'ny fanazavana, toa mifanarakaraka amin'ny noeritreretiko ihany, tsy ho ahy irery mantsy no anontaniako azy fa mba ho an'ny olom-pantatra tsy afaka na tsy manana connexion internet loatra e. Rahefa nanadihady aho ankoatr'ity serasera ity dia eo am-piandrasana ny hanaovana ny passeport electronique ny ambassade ao Roma ka ho an'ny olona izay hody amin'ity taona ity dia afaka hararaotiny hamboarina any ny passeport vaovao fa ilay taloha toa hoe mbola manan-kery hatramin'ny desambra 2008. OK :):)
10. mbaliana
(
04/02/2008 20:03)
fijo> tsy maintsy ka... efa zay no nolazainy... fa afaka manontany any koa anie . mitelephone ihany koa