Raha vao nanomboka

1. zamanoro ( 26/01/2008 15:13)
Tsaroko tsara izao fony faha-Radidy
fa raha vao nanomboka dia nanovokovok\\\'izy.
Namboarina ny lalana Toamasina-Tana
Farafangana-Mananjary, Antsirabe sy Mazanga.

Dia namorin\\\'orinasa Siranala, Kobama
nanitatra ny sehatry ny envestisema.
Dia nihoraka ny pokona \\\"Oe Oe ny aty zalahy!\\\"
ka ny rehetra nirohotra, nisorotra AREMA.

Kanjo ny ambadiky ny mamy ny mafaitra sy mangidy
f\\\'izao rehetra izao no indray nisondro-bidy.
Ny sasany tsy hita raha tsy teny an-dalambe
ombam-bidy lafo na filaharana ela be.

Am-polo taona aty aoriana

Ireo voalaza ireo no toa miverina indray,
saingy ny fomba fivarotana no mba natao nilay.
Fa ny hany andrandraina dia ho tanteraka ny MAP
ka ny olona rehetra hisonenika sy hanana ny ampy

Amena
répondu par Jeankely le 31/01/2008 14:00
2. xxx ( 27/01/2008 14:08)
:evil:
:twisted:
:-D
:-*
3. xxx ( 27/01/2008 17:22)
Tsara le poezia, mety misy eritreritra ny hamadihana ireo ho hira ve?
4. Jeankely ( 28/01/2008 03:39)
Anisany talentan-tsiaka ny manao poezia. Ny asa atao ankira vita tsy natao hoy ny sasany. Ny eritreritra betsaka fa ny fanatanterahana tsy ampy. Ariary zato ampandriana mandeha ihany. Na MAP io na DSRP io na DCPE tsy misy fampihomehezana izany fa ny fizahavana izay fampandroso ny Firenena mihoatra ny hafa no hiara-mitady. Izaho dia menatra ary malahelo fa tsy mirehareha manao poezia ny fahavoazana. Rehefa miresaka amin'ny vahiny ve dia ny fanaovana poesia no asesika sa mba menatra raha anontanian'ny olona ny dingana vitan'ny firenenao ianao?
5. LazaDaddy ( 28/01/2008 04:26)
Jeankely:
...sa mba menatra raha anontanian'ny olona ny dingana vitan'ny firenenao ianao?
ka tsy misy miresaka dingana izany r'ise fa...Sahia Manao Fingana Lehibe!
6. Jeankely ( 28/01/2008 09:33)
Ho anao ary anao sy ny sahala anao ny resaka fingana fa tsy haiko na kely aza. Izaho tsy any Madagasikara ary mifampikasoka amin'ny terantany maro samihafa. Samy mirehareha amin'izay dingana vitany ny tsirairay ary samy mampiseho izay mampiavaka azy. Tsy fantatro ary tsy atoroko ny Malagasy sahala ahy izany fingana izany. Ny ahy dia ny mifanoro hoe ataovy izay hampisongadina ny firenenao. Na mahantra aho na tsy manambola tsy misy rehareha ho ahy ny fahavoazan'ny Malagasy sy i Madagasikara. Ataovy ny poezia fa hidera anareo ny hafa.
7. zamanoro ( 28/01/2008 17:54)
xxx
Aleo aloha aho hianatra hitsoka sifole, dia asiako feony amin'izay io.
Samia mitondra ny anjarany eh... Tsy misy fivoarana raha tsy misy tsikera...
8. volazanao ( 28/01/2008 20:09)
Alefaso na dia sifole iany ry zamanoro a. Izaho afaka mively ireny sarom-bilany ireny ihany an.
9. zamanoro ( 28/01/2008 23:48)
volazanao:

Izaho afaka mively ireny sarom-bilany ireny ihany an.

Ka le vilaninay tsy misy sarony intsony fa efa potika tamin'ny hetsika teo aloha koa.
Mety le zantin'le bisikileta tamin'ny 2001 ngamba no asaina velesinao.
10. Jeankely ( 29/01/2008 03:15)
Tolona motraka vao mainka mamarina ankady. Tolona matotra ve misy? sa revirevy hanalana azy? Hampandroso haingana koa ve izany sa mba hanomezana seza andry zalahy hafa koa?
11. volazanao ( 29/01/2008 03:52)
Fa aona ny hafa no tsy mba hahazo seza anefa moa e, tsy misy maharitra eo izany.
12. Jeankely ( 29/01/2008 04:51)
Raha resak ady seza indray tsisy ho anay izany ary tsy mitady izany koa izahay. Rehefa tsy misy soa ho an'ny firenena tsy azonareo amin'izany intsony ny Malagasy. Mafy ary mijaly fa ny seza zahavinareo koa ve hanala ny mafy? Ankoatr'izay fandanianao andro sy fotoana. Mba mahalala mivoaka andafy nefa tsy mahalala menatra mijery ny firenenea sahirana avy eo atao tenimbazaha indray ny fahavoazana ho hitan'ny vazaha tsara fa samy donto iray trano tia ho deraina
13. zamanoro ( 29/01/2008 21:44)
volazanao:

Fa aona ny hafa no tsy mba hahazo seza anefa moa e, tsy misy maharitra eo izany.

Ny ahy izao ny sezan'ilay VTT 150.000 iny no vao nozairina dia mila seza ihany aho izany.
Efa mba saika hoe hipetraka tamin'ny sezan'ny 4L aho, fa le izy tsy mbola nisy nanafatra. Dia eto aho izao Rafotsy be eto fotsiny.
14. Jeankely ( 31/01/2008 14:00)
Rafotsibe ve tsy ny fasana no andrasana e=))=))=))sa mbola afaka mitarika tolona rafotsy=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1013