Manjaka Vahoaka
1. xxx
(
24/01/2008 10:26)
Manjaka tokoa ny vahoaka, Demokrasia ara-bakiteny. :roll:
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=1105
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=1105
Midi:
Any amin’ny toerana antsoina hoe Sahondrika ao anatin’ny kaominina Morafena dia misy velarantany mirefy hatrany amin’ny 9Ha. Tany novidian’olona izy io ary ananany taratasy mazava tsara tokoa. Fantatry ny mponina manodidina fa misy volamena ilay izy koa dia nanaovan’izy ireo tery vay manta fotsiny izany ny fitrandrahana azy.Niezaka nandrara ilay tompony nefa dia izy indray no nahazo teny fandrahonana. Dia tsy sahy tokoa ilay olona. Efa nitondra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ihany koa izy fa niala maina. Sarotra tokoa mantsy ho an’ny olona ambanivohitra ny manazava ny fananana taratasy. Indraindray koa tsy te hahalala ry zareo. Misy volamena ao, izay no fantany dia mitrandraka izy ireny.Raha mbola eo am-pitadiavana ny vahaolana ilay rangahy dia mitombo hatrany ny fanilihana sy fandrahonana azy. Toa efa mitady ho tonga amin’izany hoe “hananganana hazo fotsy”. Any amin’iny faritra iny, misy dikany lehibe izany. Ny olona hananganana hazo fotsy dia voatondro ho mpamosavy, tsy hakana afo, tsy hindramana sira sy ny zavatra hafa rehetra. Dia mandefitra manana ny rariny eo ny tompony.
novalian'i Jeankely ny 24/01/2008 10:52
3. Jeankely
(
24/01/2008 10:52)
Ary raha misy solika koa ao ambanin'ny tranonareo dia ho lasan'ny fanjakana ny tanana sa tsy izany koa any amin'ny firenena hafa any?