fanovàna permis de conduire eto Frantsa

1. veromahefa ( 24/01/2008 08:59)
Ho antsika eto Frantsa : raha efa nanana "permis de conduire gasy' dia mila ovàna ho "permis vazaha" ao anatin'ny herintaona nahazoana "titre de séjour" voalohany izy io.
Raha ny gasy aty amin'ny faritra misy anay anefa dia tsy misy mahazo ilay permis vazaha hatramin'izao fa hoe mbola hamarinin-drizareo ao am préfécture eto Frantsa any amin'ny Faritany any Dago ilay permis hoe ara-dalàna ve?.
Dia maro ireo manantena tsy misy e!nefa ny an'ny vahiny hafa mitovy am tena tonga eto tsy misy olana fa voavadika ho vazaha ho azy ny permis.
Milaza koa zareo fa rehefa tsy mivaly ao anatin'ny herintaona dia mila mamerina manala permis vazaha mihitsy...ary ny antsika gasy ihany io mampisy olana io. Mba toy izany ve ny anareo?
novalian'i johnbeuh ny 16/06/2014 22:00
2. menalamba ( 24/01/2008 09:37)
Ilay izy tsy hoe ny antsika gasy ihany fa izay tany rehetra ivelan'ny UE dia tratran'io avokoa.Enim-bolana eo no faharetan'lay fikarakarana.Ny tsara indrindra dia ny mandefa olona ao @ faritany manafaingana ilay fandefasana ilay fanamarinana ,dia serena @ izay ny ao @ préfektiora ,fa raha tsy izay dia arirarirany eo ianao.Ary tsarovy tsara fa ny lalana aza dia milaza fa ny code fotsiny no averina dia manome ny permis ry zareo fa raha tsy mahalala ianao dia odian-dry zareo fanina dia mamerina
3. Iandou ( 24/01/2008 11:04)

NY ahy zao tsisy olana t@za nangataka fanovana permis na dia efa 6mois taty aorianany nazahoana ny 1 titre no nampidirina fa azo 2mois après .Arakaraky ny préfecture misy anareo io. Tsy rehefa gasy koa dia hilana vaniny fa ny étudiant no tsy mahazo mamadika permis no lalana fantatro.Fa ilay permis gasy tazomindry zareo fa ataovy photocopie dia mba maka duplicata any Dago raha tsy azao ampiasaina any ilay permis aty.
4. lemenakely ( 24/01/2008 11:54)
ny tenanay aloha dia isan'ny ni galére vao nahazo fa dia mahereza e ! tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto
5. veromahefa ( 24/01/2008 11:57)
Menalamba>misaotra anao nampahafantatra izany fa tena tsy fantatro raha tsy ianao!Manampy anay aty zany fa maro2 zahay no mitovy cas!
Ny ahy zao efa tapitra ilay ttsy enim-bolana nomen'i zareo iny...Ilaina ve ny permis original raha ho ao am faritany? sa numéro dia mety ?
Nisy namana iray zao nitondra ilay ttsy avy ao am faritany an-tanana fa lazain'izareo fa asan-drizareo ihany zany dia narirarirany teo, asa raha hoekeny ihany fa miandry
Iandou> Tena arakarak'ilay faritra tokoa angamba fa gaga mihitsy zahay, zahay aloha tsisy mpianatra fa manambady aty daholo.
Mamerina ny fisaorana zareo a!
6. ni81 ( 24/01/2008 14:48)
Ny ahy aloha dia ny tany dago no nanondrana satria nandalo tao @ faritany dia hoe mandehana mankany @ intérieur. Dia tonga tany dia hoy ilay madama tao @ intérieur hoe: asehoy hoe izany permis nao izany, dia naseho ary nosavaina raha toa voasoratra ao anatin'ilay boky be ny anarana sns...Dia nasainy natao ny demande. Avy eo dia hoe tongava afaka 3 andro fa vita io dia mba ataovy izay mety. Misy dikany io resaka io nefa asany ny manome ny certificat d'authenticité ange e!
7. menalamba ( 24/01/2008 21:50)
veromahefa>Aty ianao dia tsy maintsy miady fa tsy manaiky lembenana,t@ voalohany aho no somary niahotra fa itako @ izay fa rehefa mahasaky azy ianao sy mampiseho fa mahalala ny zonao dia milfemaka ireo ,ary izany aza no mahatonga ny any @birao rehetra aty izao saika tankorany no ataon-dry zareo eo @ fandraisana mba hanalika anao.Fantaro ny lalana fa raha manontany any @ ireny auto-ecole ireny ianao ,dia azavainy tsara fa raha tsy voasolo ao anaty ny 1 taona nahazoana ny séjours ny permis dia ny code ihany tompoko no haverinao alana dia iny taratasy iny no hoentina mankany @ prefecture dia soloiny ny anao.Dia ampahalalao azy fa fantatrao ny lalana.Mazana olona tsy mahay ninoninona @ lalana akory ireo mpandray anao eo ireo fa manipitsipy fotsiny.tahaka ny t@ izahay hanolo ny @ vadiko,dia taraiky ny ambasady ndreo tany dago dia efa nihoatra ilay 6 mois,dia tsy mahazo mitondra intsony hono fa sintonina ny permis ,avy dia nambanako ny tribonaly administratifa ,satria hoaho ianareo no taraiky ko izahay no hizaka ny vokany?Ny nahazendana dia ny afak"ampitso dia niantso ry zareo fa efa ato ny permis fa alaivo!!!:roll::roll:
8. veromahefa ( 25/01/2008 08:26)
misaotra amin'ny fanampiana ry Menalamba a!
ni81> ilay gasy fantatro nandoa 2.000.000fmg satria nanao izay mety:lol:
9. menalamba ( 25/01/2008 08:43)
2.000.000 ??? :evil::evil:HOAY SAKA !!! F'angaha mbola mitoy sy misy ihany ny afindrafindrao tahaka izany any @ tanana lé???
10. ni81 ( 25/01/2008 09:01)
ouuuuuuuu! Izao ry havana vao tena manjaka ny afindrafindrao any @ tanàna ah! Indrindra moa fa ao @ paositra raha mandefa entana dia tsy aseho anao eo ilay sarany fa toa afinafenina ao ambany latabatra ary ny hajia mipetaka eo @ fandefasana tsy mitovy @ vola naloanao akory
11. veromahefa ( 25/01/2008 09:13)
ie, ka ny afindrafindrao tsy azo avela koh!:-D
Tena marina io momba ny paositra io, efa nisy resaka nandeha teto momba io:wink:
12. menalamba ( 25/01/2008 20:59)
Ketraka aho mahare izany kah!! Fa resak'eto...fotsiny vé izany ity hoe Bianco eh ...etc etc?Mampalahelo sy mahasorena :-/:-/
13. ni81 ( 26/01/2008 12:35)
Asa na tena mandray andraikitra tokoa ny BIANCO na tsia fa raha ny resaka paositra dia saika ny olona rehetra no mahalala ny zavatra tsy mandeha ao. Ny ttasy alefa tsy misy tonga any @ tompony (avy aty ivelany io) ary tena manana porofo mivaingana mihitsy zahay.
14. veromahefa ( 28/01/2008 10:22)
hatraty io:cry:
15. gasystras ( 25/01/2009 16:45)
za ry reto vao omaly no nametraka le dossier changement de permis , tena kivy be za maheno zany resak'areo zany ! dia ovainy foana zany le ttsy permis provisoire iny mandra paha sa ve tonga dia tsy misy permis ntsony ? le permis provisoire mantsy toa juska mois de mars zany oe deux mois dia tokony hahazo valiny zany za sa fika nofa be fotsiny io ? tsssss !!! :cry:
:-*
16. ni81 ( 03/02/2009 19:09)
za ry reto vao omaly no nametraka le dossier changement de permis , tena kivy be za maheno zany resak'areo zany ! dia ovainy foana zany le ttsy permis provisoire iny mandra paha sa ve tonga dia tsy misy permis ntsony ? le permis provisoire mantsy toa juska mois de mars zany oe deux mois dia tokony hahazo valiny zany za sa fika nofa be fotsiny io ? tsssss !!!
Mbola alefany any dago ny demande de certificat d'authenticité an'ilay permis-nao vao omeny ilay permis vazà ianao! raha tsy efa niova @ ity taona 2009 ity!
17. johnbeuh ( 16/06/2014 21:56)

veromahefa:

Ho antsika eto Frantsa : raha efa nanana "permis de conduire gasy' dia mila ovàna ho "permis vazaha" ao anatin'ny herintaona nahazoana "titre de séjour" voalohany izy io.
Raha ny gasy aty amin'ny faritra misy anay anefa dia tsy misy mahazo ilay permis vazaha hatramin'izao fa hoe mbola hamarinin-drizareo ao am préfécture eto Frantsa any amin'ny Faritany any Dago ilay permis hoe ara-dalàna ve?.
Dia maro ireo manantena tsy misy e!nefa ny an'ny vahiny hafa mitovy am tena tonga eto tsy misy olana fa voavadika ho vazaha ho azy ny permis.
Milaza koa zareo fa rehefa tsy mivaly ao anatin'ny herintaona dia mila mamerina manala permis vazaha mihitsy...ary ny antsika gasy ihany io mampisy olana io. Mba toy izany ve ny anareo?
18. johnbeuh ( 16/06/2014 22:00)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1714