Tsy mahatanty kritika ve ny fanjakana?
1. tahina119
(
23/01/2008 10:08)
Tsy mahatanty kritika ve ny fanjakana no mahatonga azy hampiato ny karajia.
Nefa mba milaza fa manjaka ny demokrasia eto madagascar.
Nefa mba milaza fa manjaka ny demokrasia eto madagascar.
novalian'i Jeankely ny 24/01/2008 08:01
3. bonazy
(
23/01/2008 13:30)
Tsy ny tsikera no tsy tantin'ny Fanjakana ry Akama ,fa ity toe-tsain-tsika Gasy sasany mahay mandrangitra zavatra tsy misy fotony rehetra izao ity,ary ny tena marina dia tsy mandinika loatra indraindray fa miteniteny foana,fantaro aloha ny antony mahatonga ny fahasahirana ary ny toeran'ny firenenao eo anivon'izany sy iharan'izany,ary mba efa niezaka nandray anjara ve ianao sa tsikera ihany no mba hany takatrin'ny sainao?
4. Jeankely
(
24/01/2008 03:19)
Izay fa tonga kosa ny akama. Misaotra anao bonazy. Mahazo miteny sy manoratra izay lazainy daholo tokoa ary na ny manao ela sy manompa mpitondra fanjakana aza tsy nisy voasambotra. Raha mandragitra sy hampiady kosa inona moa no tsy hisakanana izany. Fa tombotsoa ho an'ny vahoaka no zahavina sa ho ankilany vitsy na singany ao amin'ny fiarahamonina aza izy? Ato no miresaka hatramin'ny Diploma hananan'ny Mpitondra nefa ny tenany tsy jereny hoe inona ny vitany nandritra ny niainany? Mitovy ve ny mianatra sy manao? Fa iza no tsy hentanimpo rehefa mbola mpianatra fa rehefa homena andraikitra sahirana satria mifampiankina ary mifandroy daholo ny rehetra ary marefo dia marefo izay kely mba mamiratra?
5. tahina119
(
24/01/2008 05:36)
Tsy ny malagasy mihintsy no mandrangitra ry akama fa ny fanjakana no tsy mahatanty kritika a antony ilazana izany maninona ny olona no tsy avela haneho mazava ny safidiny fa mbola misy ihany ny faneriterena raha tsy ilaza afatsy ireny t@ fifidianana farany reny za maninona ihany koa no nahato ny karajia tao @ radio don bosco zay hany afahan'ny vahoaka maneho ny heviny afahana manitsy sy manatsara ny fitondrana.
Ka amiko raha milaza ianao fa fantaro ny tenanao de zao no ataokoa anao samia mandinika ny tenany dia fantaro ny tokony atao fa fomba fijery samy manana ny azy ka aleo ny olona haneho mazava ny fahafahany avelao ny olona hamoaka ny hetahetany fa refa tsy mahazaka dia mametrĂ fialana.
Ka amiko raha milaza ianao fa fantaro ny tenanao de zao no ataokoa anao samia mandinika ny tenany dia fantaro ny tokony atao fa fomba fijery samy manana ny azy ka aleo ny olona haneho mazava ny fahafahany avelao ny olona hamoaka ny hetahetany fa refa tsy mahazaka dia mametrĂ fialana.
6. Jeankely
(
24/01/2008 08:01)
Edrey angaha marary fo ry anona ty an? Iza moa no miaro azy fa angaha tsy fantatrao fa ny hidongy tsy hiala no betsaka ary mitady ny hijanona koa aiza no hametram-pialana aminao ry tonoka ity? Ny ahy dia tsy misy hiarovako azy fa anjarany ny miaro ny tenany rehefa tsy vitany izany dia mirodana ho azy eo izy fa kosa tsy mety ny miteniteny foana rehefa mahazo fahafahana miteny. Na eto amin'ity forum ity aza tsy hitanao fa fandrangitana adimpoko no tian'ny sasany atao ary misy ny faly raha nisy nandroaka olona avy amin'ny faritany hafa ny tany Toliary na Diego tsy haiko. Izany ve ary no mampibitaka sa mahafaly raha ny fahalalahana miteny no jerena. Misy ny manolokevitra fa ny manao tsy mety tsy voafehy noho izany samy manjavona.
