Inona no atao raha tiana ny hampaharitra ny "FITIAVANA"?

1. tahina119 ( 23/01/2008 09:57)
Inona no tokony atao raha tiana ny hampaharitra ny fifankatiavan'olon-droa?
Ny zavatra hany mba tiako ambara ny @ fitiavana de zao matoa ny olona roa nifanaiky fa hifankatia amiko dia mifa mifampatoky ary mila mifanaja aloha voalohany indrindra tsy mifanitsakitsaka.Matetika mantsy ny ankabeazan'ny tanora @ zao fotoana tsy mifanaja milaza fotsiny hoe tiako ianao fa tsy hay akory ny mampiatra izany .tsy mahay mionona @ zay anjara fa mitady ny tsy hita foana ary zao no tokony ho tsaroan'ny sipa na bandy mampirafy manao ahoana no hiafaran'ny toka-trano rahatrizay mou ve refa tonga any @ tokatrano vao afaka hifehy tena na ihany koa afaka tena hoe ionona @ olona iray zao anefa no tsarovy fa ny fomba fiteny mùalagasy manao hoe "tanana zatra mitsotra sarotra ny mamokona azy" ka ny tiako ambara de zao refa mifankatia re dia aleo mifanaja aleo mifampatoky.
Zay fa misaotra indrindra!!
novalian'i fanasina1 ny 03/10/2018 16:13
2. tess ( 23/01/2008 10:58)
ka efa hiotanao ny valiny ary ko!
n y fifanajàna, fifampiresahana amin'ny rehetra, ny fifa^mpitokisana, fifandeferana,
tsy misy olona tonga lafatra indrindra eo am olona roa miaraka fa raha misy olana dia ny fifampiresahana no tsara indrindra....
3. mitia04 ( 23/01/2008 11:29)
Ary ra tsy mety lé fifampiresahana dia ahoana? sady indrindra indrindra ny mahagaga dia zao, refa mpisipa angé dia tsy hitanao mintsy ny totran'ilay ou miaraka aminao e, fa refa miara-mipetraka na ny loza aza refa mivady mintsy vo mipoitra daholo lé toetra ratsy, na lé lahilahy io na lé vehivavy, ka na ifampiresaka foana aza dia tsy mety tsony? ka inn ndray zany no hatao mba hampaharitra ny fitiavana amzay?
4. tess ( 23/01/2008 11:40)
ka ao ampanambadiana ao anie no tena ahitàna ny kileman'ny iray e! ka mila mi fampi-comprendre ny toetran'ny tsirairay manaiky ny kileman'ny iray rehefa mifampiresaka mlamina foana ny olana misy
fa rehefa tsy mety hifampiresaka izy dia efa baraingo tokony hieritreretana izany.....
tsy azo forcéna aharitra koa anie ilay fitiavana rehefa tsy hety izay e! aleo misaraka refa tsy mety fa tsy lmifandany andro mifampila kisa eo!
ny dialogy no tena mampiravina ny fiainan'ny couple vlou fa raha mbola manohy ny betiziny izy isaky izay avy miresaka dia izy tsy hiova am toetra ratsiny izy izay....de anao no mieritreritra
5. ari.malala ( 23/01/2008 13:07)
mitia04, mety hoe ita iany angamba, fa mbola mafana ny fo am le fitiavana d odiana ts ita, izay ilay ataon'ny mpihira hoe "atao hoe jamba sy mareina izay tia", d refa mihalefy ilay fitiavana de lasa ita miharihary ilay toetra tsy nampanin talou, d ts lefitra tsony d lasa hoe ts nampoiziko fa efa tao antokantrano vo niseho... fa misy koa aloha ny olona joko tsoriaka e ts izy rehetra fa misy mints! fa i ovoalazan'i tess io we refa avy miresaka no mbola manohy ilay ts zakanao iany ny ankilany efa zavatra hafa kosa iany...mandraisa fanapahankevitra!
6. mitia04 ( 24/01/2008 12:26)
Ari.malala, dia ahoana ndray zany ny monba anlé oul efa miaraka efa ela be reny, efa am-taonany nifampitarika eny dia refa mivady amzay d gidragidra, fomba ahoana ary no tsy nahitana an'ilay toetra ratsy nandritra ny fotoana (taona) maromaro, iza no oul hahavita hanafin-toetra mandritra anizay? lé fitiavana angé tsinn tsy hoe tam mpisipa iany no kojakojaina fa indrindra ao am fanambadiana aza vo tokony hisaina hoe inn no hatao hampaharitra azy e, ary refaveo lé fomba fialàna ao kou ra raisina ndray lé hoe mandray fanapahankevitra, :roll: tsa moramora a!!
7. Mandefitra ( 24/01/2008 12:34)
mitia04:
dia ahoana ndray zany ny monba anlé oul efa miaraka efa ela be reny, efa am-taonany nifampitarika eny dia refa mivady amzay d gidragidra, fomba ahoana ary no tsy nahitana an'ilay toetra ratsy nandritra ny fotoana (taona) maromaro, iza no oul hahavita hanafin-toetra mandritra anizay?

Za mahita hoe ireny ndrindra no mora voafitaka.Rehefa mpisipa mantsy, variana nifandamoro fa tsy dia mametraka tanjona loatra.
Ka raha ela loatra ny niarahana, de lasa mandeha ho azy, tsy nisy nifananatra, tsy mifampiteny hoe zao no tiako na tsia, zao no mba tanjoko, ny fahazaran-dratsy tsy de voamarika loatra satria mbola tsy iray trano etc ...
Tonga ao antokantrano vo mifanolana sy gaga hoe taiza zany no tsy hita hatrizay ... ary sarotra ny hitsabo azy satria efa ela loatra le "vanim-potoanan ny nandeha ho azy" teo @ fitiavana.
8. ari.malala ( 24/01/2008 13:04)
io efa voalazan'i Mandefitra io mints no naika hoteneniko ry mitia04!
9. endrika01 ( 24/01/2008 19:48)
Mba hampaharitra ny fitiavana?mifanalavitra,tsy miara-mipetraka tsy haiko alou hoan\'ny hafa fa amiko dia io no hitako tena mahomby. Indrindra hoan\'ireo mpiady lava\"lavitrin\'ny maso akaikin\'ny fo\"
10. mitia04 ( 25/01/2008 04:41)
Pfff! saro-baliana be kou lé fanotaniana fa io angamba samy manana ny fomba entiny hampaharitra azy e! ra ny fahitako lé resaka rehetra nandé teo zany dia mila fantarinao tsara ny toetran'ny oul miaraka aminao, alohan'ny iarahanao aminy ary surtout alohan'ny hivadiana aminy, d io kou refa samy tena tia d tsy misy mifanakiana zany fa ekena foana na inn na inn no toetran'ilay oul, kony ve? sa tsy zany?
11. ari.malala ( 25/01/2008 07:31)
mitia04, voalazanao, fantaro tsara mintsy alou ny toetrany, aza avela misy mandeha hoazy izany ohatra hoe enao ts mahazaka olona mandray alikaola nefa izy manao izay, d'efa teneno dieny mialoha alou we ts mety amko, k efa tohiziny d miala no fahendrena fa aza mampijaly tena mints... ohatroatr'izay le izy, de ts hoe tsy mifanakiana, fa afaka kianinao izy dans le but hoe hanova ny toetra ratsiny, fa refa miziriziry izy de zya le mandray fanapahankevira aky a, d courage fona
12. mitia04 ( 25/01/2008 13:41)
ari-malala, ary ra efa fantatrao ny toetra ratsiny ohatra, nefa mbola novadiana ihany, (mba nisy espoir zany fa mety hiova ny toetrany refa mivady), ka inn no loza fa vo maika aza niha-pire:evil:) dia ahoana? efa miady hevitra iany manko dia alefako ihany ny fanotaniana, tsy voatery hoe zavatra mihatra amiko lé izy fa ndraindray kou eritreritra mandalo, na cas mahazo ny namako, dia mba ato a no maka hevitra e!
13. ari.malala ( 28/01/2008 08:08)
k zany kosa adalana ra efa fantatra d mbola nidirana iany e!
14. ikaretsaka ( 28/01/2008 20:56)
iombonako hevitra
15. mitia04 ( 29/01/2008 07:29)
Tsitako tsony zany zé tenenina!
16. papala ( 31/01/2008 10:34)
=))=))=))=))=))=))=))=))=))=)).Mba manao mampime foana deo^oo^oo^oo^oo^oo^o .mitsikitsiky foana. :-*:-*:-*:-*.de bisous bisous foana, de zay foana.........mahafinaritra ny miaramonina amin'izay. de miaramivavaka foanade=((=((=((=(( de maharitra be amin'izay lay "FITIAVANA" kanefa io no lehibe indrindra !
17. latina ( 01/02/2008 06:52)
Tsy tokony ho saro-piaro loatra fa lasa mahatsiaro gadra ny iray dia sepotra @ farany. Mila miara-mivoatra fa tsy mora mionona fa manjary mankaleo be . Noho izany dia mila manana tanjona fohy sy lavitr'ezaka izy roa. Mila mba taitairina foana ilay ol miaraka amin'ny tena fa tsy faly ny hoe efa ana ity dia tsy ahava-tena intsony (silipo mivaroraka lastika, soutien lozitra, volom-bava matsilotsilo ho an'izay miaratra, volo tsy voakarakara,col akanjo maloto sns... marobe)
18. soanja ( 02/02/2008 16:32)
tahina119:

Inona no tokony atao raha tiana ny hampaharitra ny fifankatiavan'olon-droa?
mila mifanaja aloha voalohany indrindra tsy mifanitsakitsaka.

tsy mahay mionona @ zay anjara fa mitady ny tsy hita foana ary zao no tokony ho tsaroan'ny sipa na bandy mampirafy manao ahoana no hiafaran'ny toka-trano rahatrizay mou ve refa tonga any @ tokatrano vao afaka hifehy tena na ihany koa afaka tena hoe ionona @ olona iray zao anefa no tsarovy fa ny fomba fiteny mùalagasy manao hoe "tanana zatra mitsotra sarotra ny mamokona azy" ka ny tiako ambara de zao refa mifankatia re dia aleo mifanaja aleo mifampatoky.
Zay fa misaotra indrindra!!


Io teny MIFANAJA io dia zava-dehibe tokoa. Zany hoe tsy tokony hisy io teny aho raha tsy efa nifampiresaka ianareo roa ary nahita ny hevitry ny tsirairay avy. Dia ny manantanteraka an'iny no fifanajana.

Raha fahitako azy mantsy raha io teny eo ambany io dia ny hevitrao no mibahana momba ny atao hoe fifanajana. Izy tsy eo dia tsy nilaza ny momba ny fifanjana eo aminy. Sa ve iraisan'ny fiaraha-monina ny hevitry ny fifanjana amin'ny samy mpisipa na mpivady?

Raisiko ny ohatra:
Rakoto manambady an-dRasoa. Rakoto efa niteny fa tsy tiany loatra izy antsoina any ampiasana fa rehefa foatoana fialan-tsasatra ihany. I Rasoa nilaza tamin-dRakoto fa rehefa Asabotsy izy dia tiany ny mandeha mamonjy fivorian'i Zaikaben'i Vehivavy any ampiangonana. Ka tsy vonona handeha hamonjy fivoriam-pianakaviana fa io no ihany no tiany.
Raha samy mifanaja sy mifankatia ireo olona ireo dia tsy maintsy hitady marimaritra iraisana hoe hiantso an-Rakoto zany Rasoa any ampiasana raha sanatria ka misy tampoka na olana goavana be mihatra aman'aina. Dia nanaiky Rakoto.
Tahak'izany koa Rasoa nanaiky hoe hanaraka an'dRakoto amin'ny asabotsy iray ihany na roa ao anatin'ny taona resaka fianakaviana ankoatran'ny andro fety.
Rehefa mifanaiky ireo sy manaraka izany tsy misy olana dia izay no FIFANAJANA. Ao anatin'io ny fifampitokisana fa samy manao ny tokony ataony tokoa fa tsy mivily lalan-kafa amin'izay aleha. N amivily dia manazava ny antony niviliana sy natao tany ampitiavana. Mihaino koa torak'izany , ampitiavana.

Koa ny hitako dia ilaina io fitadiavana hoe inona no mahafinaritra sy manaitaitra ny tsirairay avy?
Inona no mahasoa sy maharitra amin'ny fiarahana?


Mila resahina amin'ny antsipirihany mihitsy:

-sipa? Ianao ve tia sipa isan-karazany sa iraika dia iraika madigna? Inona no atao raha fantatro fa manao sipa hafa ianao? sns sns... Zah? Tia lehilahy ve zah? Bandy ohatra ny ahoana ny manaitaitra ahy? Asarotam-piaro aiza ho aiza any aminao? betsaka sa kely?
-Namana: Rehefa ahoana isika miaraka , de rehefa ahoana no ianao miaraka amin'ny namanao? Tia namana ve ianao? sa mila miaraka isika refa miaraka amin'ny namanao ianao? sns sns
- Vola: iza no mi-pail refa mijery cinema sa samy mandoa ny azy? Resahina daholo. Ohatrinona no vola tokony lanintsika sy ianao rehefa miaraka mba tsy hahabaky anao na zah? inona ny zavatra tianao hovidiako ho anao matetika? sns sns..
Mihevitra ve ianao fa manataka aho raha mba mangataka vola indrindray any aminao? Ianao ve mba sahy mangataka vola amiko raha misy manahirana anao?
-Toaka na sigara.
-Firaisana: ahoana ary oviana? Mampiasa kapoty sa tsia? bedy sa tsy bedy? tia matetika sa tsy tia? impiry sns...

Bref SOKAFY NY SERASERA fa aza mihevitra fa izay heverinao tokony ho fantany efa fantany!

Raha hitanao fa miala bala amin'ireo resaka ifampiresahana sy important aminao ireo izy dia aleo ajanona ny fiarahana satria manimba fotsiny anao amin'ny fitiavana azy izany. Izy anefa tsy vonona handray sy hanatsara ny fiarahana. IO NO MARIKY NY FITIAVANA. Vonona handray ary vonona hanome!




19. fanasina1 ( 03/10/2018 16:13)

mitia04:

Pfff! saro-baliana be kou lé fanotaniana fa io angamba samy manana ny fomba entiny hampaharitra azy e! ra ny fahitako lé resaka rehetra nandé teo zany dia mila fantarinao tsara ny toetran'ny oul miaraka aminao, alohan'ny iarahanao aminy ary surtout alohan'ny hivadiana aminy, d io kou refa samy tena tia d tsy misy mifanakiana zany fa ekena foana na inn na inn no toetran'ilay oul, kony ve? sa tsy zany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.183