Manjaka marina ve ny demokrasia eto madagascar?

1. tahina119 ( 23/01/2008 05:47)
Miarahaba antsika rehetra ,hametraka hevitra kely ato @ forum ato ny tenako e fanontaniana mipetraka amiko @ zao de zao manjaka marina ve ny "DEMOKRASIA" eto madagascar zay lazaina ombeniombeny fa madagascar dia hanjakan'ny demokrasia zany tokoa ve no tena zava-misy marina?
Amiko tsy mbola manjaka ny demokrasia eto madagasikara antony ilazako izany de zao raha tsy ilaza fotsiny aho t@ reny fifidianana farany zay natao ireny fa nisy anie ny fanerena ankolaka e nisy mihintsy ny somary fandrahonana ny vahoaka ary zahay dfia anisan'ny zany tsy ilaza ny toerana aho fa niharan'zany zahay hoe hakanona ny sekoly raha tsy zahay no lany eo zany ve no atao hoe demokrasia en plus zany nahoana no nahato ny karajia tao @ radio don bosco zay hany afahan'ny vahoana maneho hevitra ankahalalana ka zany zavatra zany amiko dia tsy fampanjakana ny demokrasia mihintsy
zay fa dia misaotra antsika rehetra .
novalian'i Jeankely ny 24/01/2008 03:33
2. rakapy ( 23/01/2008 06:05)
TSIA no valiny. Tsy mbola misy firenena iray eto ambonin'ny tany hanjakan'ny Demokrasia tanteraka. Samy mbola manofy azy io avokoa ny tany manotolo.
3. xxx ( 23/01/2008 13:00)
Ny "Demokrasia"dia tanjona ihany ,ary tsy misy izany na aiza na aiza eto ambonin'ny tany!,fa ezaka mba hisian'izany no misy,any an-danitra any angamba tsy fantatra na mety hisy,fa raha mbola eto an-tany ka samy manana ny fisainany ny olombelona,dia revirevy hoatrin'ny revy rehetra ihany izany,koa raha milaza ianao ery ambony hoe"nofoanan'ny fanjakana ny karajia tao @ RDB" fanehoana malalaka izay heverin'ny vahoaka iharany fa marina,dia mazava ho azy fa tsy azo atao izany satria ny tany misy "Lalàna mifehy"ka raha hitan'ny mpitondra na ireo tompom-pahefana fa manohintohina ny fiheverany ny filaminam-bahoaka izany dia andraisany fanapaham-kevitra araka ny Lalàna,ka tsy hitako hoe 'inona no idiran'ny demokrasia am'izany? ny fahalalahana na adika koa hoe"fahafahana" anie ry akama tsy midika hoe"azo atao sy dradraina izay tiana sy heverin'ny tsirairay na ny fikambanana izatsy na zaroa poltika na tsotra hoe ny "MARINA é" misy ny sehatra ahafahanao mampita ny hevitra sy ny eritreritrao sy ahafahan'ny maro mitambatra dia ny fifidianana izany,Izany no heverina fa lalana Demokratika aloha hatramin'izao,fa ny ankoatr'izay dia azo heverin'ny tompon-pahefana sy Mpifehy fanjakana fa mandika Lalàna dia izay no vokany "foanany",ka ny tena olana anie ry sakaiza dia ity tsy fandehanana mifidy mandatsa-bato ary ireo antoko politika midongy lava ireo é!izany koa mantsy dia ahitana taratra fa tsy mahazaka Ilay atao hoe"Demokrasia"ary azo lazaina tsotra koa hoe"HAKANOSANA na fahatsapa-tena mialoha fa na izy sy ny Heviny aza dia tsy Politika fa fikendrena toerana fotsiny na ronono an-tavy tsy misy fototra dia aleo mialangalana"nefa ao anatin'ny tany demokratika dia tsy maintsy ifandimbiasana foana ny toerana sy ny fitondrana,fa tsy misy natao aharitra eo akory,ka raha aravina izany dia ny fandikana ny atao hoe "Demokrasia no tena tsy Mazava amin'ny rehetra"
4. Jeankely ( 24/01/2008 03:33)
Sady tsy manjaka no tsy hain'ny sasany koa ny miaina ao anatin'izany Demokrasia izany ka eo no manahirana. Efa voalazan'ny namana eo ambony fa tsy misy firenena efa anjakan'izany tanteraka na izany kosa aza dia samihafa ny fisehony ka misy no efa tafiditra lalindalina kokoa. Ny fampahalalana tsara ny tena dikan'izany demokrasia izany sy ny tombotsoa azo avy aminy angamba mbola tokony hazavaina satria be ny mbola miandry fanjakana amin'ny sehatra rehetra. demokrasia ve ohatra midika hoe mitsikera fotsiny ary tsy miasa fa miandry fanjakana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0611