MBA TSARA RAHA MANANA HAMBOPO NY GASY.
1. tontavao
(
22/01/2008 14:16)
Raha ny fitenenantsika teny frantsay no efa nahatafavoaka antsika dia mba anisan'ny firenena efa tena natanjaka isika. Misy mahay teny vazaha anie ry zareo ny gasy fa dia ny omaly tsy niova ihany é.
Raha vao diso kely ny teny vazaha any ampiasana any dia mitrerona ny lehibe gasy, nefa mba jereo anie ny vazaha mba manao teny gasy é, tsy mipetraka amin'ny tokony ho izy ny tsindrimpeo nefa mimehimehy fotsiny fa tsy misy sahy mibedy.
Gaga aho amin'ity fitiavana ity teny frantsay izay nanalikana ny olobe tany aloha tany ity.
Mba kevoka ery raha mba mahay kely an'iny teny vazaha io, dia mody tsy mahay teny gasy mihitsy aza.
Dia mahavariana fa tiantsika ilay andevozina, marina é.
Andevo fisainana daholo ianareo rehetra tia mikiteniteny vazaha io fa tsy ambony araka ny fiheveranareo azy akory . Bado tsy misy ilàna azy. Ny teninao aza tsy hainao akory.
Mety masiaka aho, marina izany fa aza manambany ny anao fa io teny vazaha io no nanandevozana ny olobenao tany aloha tany ka mandraka ity ny androany.
Bedeso indray aho fa tsy maninona é.
AMPIASAO IO REHEFA HIRESAKA AMINY FA AOKA TSY HASEHO MASOANDRO MIHITSY IO TENY VAZAHA IO REHEFA ISIKA SAMY ISIKA NO MIRESAKA;
TOKONY FOANANA AMIN'IZAY KOA ITY fampiasana tenin'olona ho teny fampiasa amin'ny asa ity fa mankaleo é.
Ataovy teny gasy izy io fa io no antsika na ampy io na tsia dia antsika io.

novalian'i Jeankely ny 31/01/2008 13:49
2. XxxX
(
22/01/2008 14:59)
"tontavao":inona leity ity ny dikan- andevo fisainana ty? ary ialahy v leity nahay interineto raha tsy nanomboka t@ io teny frantsay io?
Andevo fisainana daholo ianareo rehetra tia mikiteniteny vazaha io fa tsy ambony araka ny fiheveranareo azy akory .
3. tontavao
(
22/01/2008 15:18)
AMPIASAO IO REHEFA HIRESAKA AMINY FA AOKA TSY HASEHO MASOANDRO MIHITSY IO TENY VAZAHA IO REHEFA ISIKA SAMY ISIKA NO MIRESAKA
Mba vakio tsara itony aloha vao mitrerona é.HAy FOANA ITY ATERINAETO ITY NA DIA TAMIN'NY TENY SINOA FOTSINY AZA (TSY MAINTSY NIANATRA MANTSY ISIKA MIANAKAVY ).
NY TIAKO AMBARA AMINAO DIA NY FANAOVANA HO TENY AMBONY ILAY TENY FRANTSAY NO TSY LAITRAKO. Tsy midika hoe aza ianarana, fa ianaro tsara amin'izay raha manompa anao izy mba ho fantatra fa tsy atao teny ambony noho ny rehetra izy akory. Izay mantsy ny fisainantsika, mampalahelo fa dia izay no iainana hatrizay ETO.
4. yuka
(
22/01/2008 15:37)
za aloha raha gasy no miresaka amiko tsy mety miteny
vahiny za fa teny gasy ihany,indrindra raha eto @ serasera.
vahiny za fa teny gasy ihany,indrindra raha eto @ serasera.
6. xxx
(
22/01/2008 15:56)
Teny frantsay = Teny Baiko
Teny gasy = Tenin-drazana
Teny hafa = Teny Vahiny
Eny tokoa hoa !
Teny gasy = Tenin-drazana
Teny hafa = Teny Vahiny
tontavao:
Dia mahavariana fa tiantsika ilay andevozina, marina é.
Eny tokoa hoa !
7. naughtyboy
(
22/01/2008 18:29)
betsaka ny tsy azoko ekena @ resaky tontavao,reto misy oh.3 reto ankoatry ny hafa marobe itarihaiko ny sainy tontavao andinika aloha vao mitsara ny hafa
1.fidirany kolontsaina sy ny teny vahiny @ firenena iray tsy midika fa lasa matanjaka fa milaza fivelarana eo @ tontolo manodidina fa ny fahaizany mitantana sy fiarovany ny toekareny no antony voalohany
2.ny fomba nidirany teny vahiny tao @ nosintsika no tsy ekeko satria noterena fa tsy t@ fahalalahana nefa ankehitrio dia afaka misafidy daholo fa tsy misy nandevozina izany raha miteny vahiny(taratry ny fandrosoana)
Oh.ny varotra zay anisany fototry ny toekarena erantany de tsy mandeha lalana raha tsy mampiasa teny vahiny ekena fa matotra sy mandroso
3.ny fanakianana tsy voatery fanabatiana ny hafa ,ra misy ny bado de
tontavao no voalohany fa tsy ny rehetra satria fahalalahana ny fianarana ny teny hafa (zay marihiko fa teny indramina fotsiny fa tsy asolo ny any tena akory) tsy fanandevozana akory sanatria
4.raha ao madagasikara fotsiny oh. aza de misy fitenimparitra samihafa @ reo foko 18 nefa 1 ihany no tsy maintsy ifampiresahana sy ifanakalozana antsoina oe ofisialy ,maro ny antony ahamora ny fifandraisana no ahatsara ny fifaneraserana,tsy misy hafa @ zay ny teny vahiny hafa indramina ifanakalozana @ reo olona amanetsiny erantany
Farany dinidiniho ny zv lazaina alohany analabaraka ny tena fa androny fandrosona izao fa efa lasa ny fanandevozana zany(efa vaovao ny fotoana iainana fa tsy tonta intsony na tontavao..)misaotra tompoko

8. tontavao
(
23/01/2008 10:38)
ra misy ny bado de
tontavao no voalohany fa tsy ny rehetra satria fahalalahana ny fianarana ny teny hafa (zay marihiko fa teny indramina fotsiny fa tsy asolo ny any tena akory)
Tsy nilaza mihitsy aho hatramin'izao hoe tsy ilaina ny teny vahiny. Ilaina ny mianatra azy io mba ahazoana miatrika ny mondialisation, globalisation ..., Ka indramiko io hevitrao eo ambony io.
teny indramina fotsiny fa tsy asolo ny any tena akory. Tsy io voalazanao io ANEFA no zava-misy fa IREO mba nahita fianarana kely, mipentsompentsona miteny vazaha nefa dia samy gasy zao ihany no miresaka. Tsy fanambaniantena ve izany aminao.
Amin'ny resaka fitondran-draharaham-panjakana (ADMINISTRATION)eny amin'ny birao, teny frantsay daholo no hitanao eny hatramin'ny Certificat de residence, certificat d'occupation , situation juridique ,sarintany, ......momba ny tany any amin'ny 200 km ambanivohitra lavitra be any miala ny renivohitry ny fokontany dia amin'ny teny vazaha daholo no anaovana azy. Ka lasa misetrasetra ny mba nahita sombintsombimpahalalana manararaotra ny tsy fahaizan'olona any dia lasany moramora ny tanin'olona. Satria irahiny misonia zavatra tsy fantany ohatra.
Tsy marary ve ny fonao amin'izany raha ny havanao na ny olompantatrao no tratran'izany. Ary tranga maro io fa tsy indraindray fotsiny.
Fipingapingana amin'ny tenin'olona, ka maninona izy io raha atao teny gasy dia mba ho azon'ny ankabeazan'olona ny voasoratra ao anatiny. Tsy mindrana intsony isika fa manao ho tompony mihitsy.
Eto andrenivohitra indray dia lazaina ho tambanivohitra be raha tsy asiana kely teny vazaha eny antsefatsefany eny toy ny ataoko eo ambony io. Tsy fidiny ho ahy izy io fa voatery aho satria mety tsy ho azonao izay teneniko raha tsy asiako io vary amin'anana io (efa fahavoazana izay).
Tsara ny mianatra ny an'olona fa kosa ny an'ny tena tokony omena sehatra betsaka kokoa, ohatra: Chine, tany arabo,japoney, rosiana, koreana, eny fa na dia ny frantsay aza dia teny frantsay no ampiasainy , anglisy...., ny teniny ihany no anaovan-draharaha amin'ny birao rehetra fa ny antsika dia tenin'olona nanandevo an'ny tena. Raha teny anglisy dia mbola azo ihafihafiana ihany aloha. Ny tenin'ny hafa dia natao hifaneraserana aminy no ilàna azy FA TSY HAMPIASAINA AMIN'NY FIAINANA ANDAVAN'ANDRO. Ary izay no ilàna ny olona mianatra mba mianatra mamehy ny zavatra ataon'ny hafa.
Ny mpiandry omby na ny ankabeazan'ny tambanivohitra any rehetra any dia efa any no asany sy amelomany tena dia mba zavatra hafa indray no atao any aminy fa tsy izao tenimbazaha rehetra izao (PASIPAORO ohatra )no tenenina aminy any dia mazava fa tsy dia voany izay.
9. tontavao
(
23/01/2008 10:51)
Mety hilaza amiko ianao hoe ny AMERIKANA dia mampiasa teny Anglisy. Fantaro fa ny anglisy no mbola maro an'isa ao amin'io tany io. Mpifindra monina daholo ny any USA.
Fa ny eto amintsika dia isika no eto na dia mpiavy avy any Azia sy afrika koa aza. Izay no naha-gasy antsika SY NANANANTSIKA TENY GASY izay iray ihany raha tena mandinika ianao.
Fa ny amerikana anie ka tsy nanana teny amerikana mihitsy fa dia izay maro an'isa tao no lasa tompon'ny teny.

10. naughtyboy
(
24/01/2008 18:22)
misy azoko ekena koa nefa ny voalazanao na izany fa tsy oe diso daoly ,Oh.@ sehatra tsy maintsy ampiharana teny vahiny de tsy azo iodivirana zany fa ra iresaka @ olona tsotra zay tsy de ilaina ngamba (indrisy nefa fa eo ndray de tsy azo fefena ny ts1-1 fa samy manana ny antony samihafa ao ny mizesta, ny tsy fahazarana intsony sns..nefa za mino fa tsy voatery ho bado reny olona reny)
Amiko manokana tsy olana zay teny ifampiresahana na gasy ranoray na afangaro na teny hafa ny zvdehibe zany de ny vontoatiny ambarany fa tsy ny teny ampiasaina noho izany tsy omeko tsiny ny hafa raha manankambara fa tsy miteniteny foana,na reo teny anglisy sy frantsay ary espanol,portugues aza de mifangaro fa tsisy 1 zany tao ny grika,romana,latin ,gallois sns.. na reo teny efa mivoatra reo aza de mbola tsy maintsy mifangaro oh.ny frantsay zao de mampiasa weekend na de manankarena voambolana aza sns sns...

11. Jeankely
(
26/01/2008 03:38)
Ny fananana ambompo dia misy saingy amin'ny samy Malagasy no mifanindry samy tia ho ambony. Vao miala kely anefa dia lelafina daholo izay vahiny hita. Na ny vehivavy sasany aza milaza fa tsy alehany ny lehilahy Malagasy. Ny tompon'andraikitra Malagasy amin'ireny Ministera ireny raha Malagasy no tonga hanontany zavatra dia lazainy tsisy na tsy azo avoaka nefa na Mpianatra vazaha kely aza dia omena hatramin'izay tsy ilain'ilay olona. Tia ho derain'ny vahiny ary mifanambany no ambompo misy. Ny Mpianatra milaza mahay nohon'ny efa amperin'asa. Ny amperin'asa tsy mihaino fa mihevitena fatratra nefa ny asa tsy hita hoe mandroso mankaiza. SAMY DISO ary SAMY MILA MISAINA.
12. badboy
(
26/01/2008 15:26)
naughtyboy:
Amiko manokana tsy olana zay teny ifampiresahana na gasy ranoray na afangaro na teny hafa ny zvdehibe zany de ny vontoatiny ambarany fa tsy ny teny ampiasaina noho izany tsy omeko tsiny ny hafa raha manankambara fa tsy miteniteny foana,na reo teny anglisy sy frantsay ary espanol,portugues aza de mifangaro fa tsisy 1 zany tao ny grika,romana,latin ,gallois sns.. na reo teny efa mivoatra reo aza de mbola tsy maintsy mifangaro oh.ny frantsay zao de mampiasa weekend na de manankarena voambolana aza sns sns...
Tsy diso saingy tsy ampikely, ireo teny voalaza ireo dia ny fiandohany no nifangaro fa ny fiafarany dia teny tokana iray ao @ ilay firenena iray! Raha misy ahitana fitoviana kely tsindraindray ny teny ampiasain'ny samy européana dia noho ilay hoe nitovy ny fiandohany.
13. naughtyboy
(
28/01/2008 16:20)
laviko tsisy zany teny 1 zany fa tsy maintsy mifangaro arakaraky ny kolotsaina sy ny zvmisy iainany mponina ao oh.ny teny frantsay ao frantsa v de iray tahaka ny any canada na belgique tsia..ny teny anglisy ao United Kingdom v de itovy ny any amerika sy australia na new zealand tsia ... ary mbola mivoatra foana izy reny zay no mahatonga ny fikambanana akademika manova ny voambolana isantaona (dictionary sns..)ny deucth ao holland v de ! ny any @ boers South africa tsia..
14. Jeankely
(
31/01/2008 13:49)
F'angaha moa resaka fisian'ny teny iray no alahatra fa ny hoe teny miasa sy hiainan'ny olona isaky ny tany misy azy. Ny teny ao Singapore mifangaro ny Malay, Sinoa, Indian Tamil ary ny teny Anglisy koa na izany aza lazainy hoe io ny teniny. Sahala izay koa ny Teny rehetra satria sisintany no hiraisana dia mazava fa mifanambady, miaramiaina ary mifampiditra ny tany na izany aza miavaka foana hoe ity ny atsy sy aroa. Na volo Malagasy na bulu Malay, na lelahy sy lelaki rehefa atao hoe ity Malagasy iry Indonezian na Malay dia izay fa tsy ny hoe tany avary ihany io ary iry tsy teny fa ny atsy no teny. Izay teny ampiasan'ny Malagasy amin'izao afaka entiny mivarotra eran'izao tontolo izao ve? Mamokatra ve ny Malagasy sa be ambopo sa be revirevy?