toy izany ve ny rehinareo rehefa mitondra vohaka?

1. KilyBony ( 22/01/2008 14:08)
Faly miarahaba anareo rehetre!:D
Vao nanomboka tsy ho ela ny vohako, dia nirina tokoa moa izy inty, na dia lasa sahady ary ny rainy, eo aminy 1 volana sy tapany eo ho eo, ny manjoa ahy dia malemy tanteraka aho, mandoha lava (mpahazo ny be sy ny maro angamba) tsy mihinana raha tsy mofo maina ary rano. Fa manarak'izay de marary ahy ny kiboko sady somary hitako lehibe. Izao moa somary vaventy taolana fa tsy matavy. Dia inona no torohevitra omenareo ahy amin'ilay marary sy tsy misakafo? Marihina fa vao voalohany no tonga lavitra toy izao ny vohaka. Misaotra
novalian'i xxx ny 24/05/2008 22:41
2. ikaretsaka ( 22/01/2008 14:45)
manatona doko aloha dia raha ho'zy hoe norma d'iareto eo aloha fa ho afaka ihany rehefa afaka 9 volana sady mahazo kadoa olona kely vaovao
3. Bafota ( 22/01/2008 15:03)
Ohatr,ahy aloha mety ny hevitr'ikaretsaka izay e!Sady m'lay le mahazo ol kely vaovao an!Tsy mahavita miasa mihitsy fa maika hody foana hilalao zaza
4. sipagasy ( 22/01/2008 16:54)
manantona marina dokotera e! hitany eo ny mahasoa sy ny tokony hataonao!

mmhhh, lasa ahoana akia ny rainy? mahereza e!
5. fanantenana2003 ( 22/01/2008 20:54)
tsy misy afa-tsy ny makany aminy dokotera ihany io vahaolana, amin'izao fotsiny tsy afaka ny hanome torohevitra andry ny namana eto!tamin'izaho bevoka dia tsy nahiana-kanina koa aho fa apres 3 mois de noana lava foana, very 2 kg aza aho nadnritra an'io le telo volana io fa de mahereza eh
6. meva2 ( 23/01/2008 08:59)

tsy misy dia afaka atao loatra fa normal io ka izay tsaroan'ny vava dia andramo na dia kely aza sinon itako t@ site ny bevohoka koa hoe ny infusion ny sakamalaho hono mampijanona na mampihena ny nausée.
Ny fanaoko koa rehefa maraina iny dia mihinana zavatra kely alohan'ny hitsanganana avy eo ampandriana, izany hoe apetrakaka ny veille na koa raha misy afaka mikarakara sakafo kely vao maraina.
Ilay infusion fotsiny angamba ataovy mangatsiaka na glaçée mihitsy aza satria raha mafana vao maika tsy mety.
7. sakaizakely ( 23/01/2008 16:00)
ny hormones de grossesse io mampakaondrana ny taova rehetra, lasa mipaorna zany ny vavony de mihinankinampoana tsy hay be ihany

ilaina ny manatona dokotera am fanarahamaso ny fahasalamana rehefa bevohoka, fa saingy tsy dia misy azo atao loatra am ilay mandoa lava sy reradava. Mipetraha sy mialà sasatra tsara.

Matetika ilay telovolana voalohany iny ihany no tena sarotra. Rehefa avy eo miverina miandalana am laoniny ny fahasalamana.

Za klou tsy dia gaga loatra am mandoa sy reraka, fa ilay hoe kibo marary no hoatry ny tsy normal; ka manatona dokotera
8. fahamarinana ( 23/01/2008 16:14)
sakaizakely:
Za klou tsy dia gaga loatra am mandoa sy reraka, fa ilay hoe kibo marary no hoatry ny tsy normal; ka manatona dokotera



:arrow:iny koa no sarotra valiana fa tsy misy afatsy ny dr no afaka tena manome fanampipanazavana na fanafody raha ilaina ny mihinana azy.
Ny bobo kely isan-karazany moa dia tsy maintsy andalovana fa ny hafaliana manana azy an-kibo koa anie dia fahasambarana tanteraka e.Adino sy tsy tsaroina akory rehefa tonga ilay kely e.Mahareta e(l)
9. xxx ( 24/05/2008 22:41)
De arabaina e, sambatra ianao efa mitsaika... de mahereza e, mandehana manontany ny gynéco raha mbola marary ilay kibo, ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7075