fanehoan-kevitra

1. tahina119 ( 22/01/2008 13:19)
Miarahaba antsika rehetra mpamaky ny forum mandray anjara ny tenako momba ny fihaton'ny "KARAJIA" tao @ Radio Don Bosco zay hita fa nahafahan'ny vahoaka naneho ny heviny ankahalàlahana tokoa ka raha ny fomba fijeriko manokana dia zao tsy mahay miaina ao anatin'ny demokrasia ny malagasy milaza ny fitondrana fa manjaka ny demokrasia eto madagascar satria afaka maneho ny safidiny malalaka ny vahoaka nefa izany tokoa ve ny zava-misy? amiko tsy mitombona zany ary tsy mbola manjaka vely² ny demokrasia eto madagascar satria mbola misy ny faneriterena mbola misy ny fanerena ankolaka raha tsy hilaza fotsiny za ohatra t@ reny fifidianana farany teo ireny ka ny zavatra tiako ho lazaina de zao refa tsy mbola mahay mamaritra ny atao hoe demokrasia dia aleo tsy lazaina
zay ihany fa dia misaotra indrindra tompoko!!
novalian'i Jeankely ny 24/01/2008 08:31
2. Jeankely ( 24/01/2008 08:31)
Demokrasia tsy midika hoe samy miteny izay tiany lazaina. Rehefa tsy mahalala ny atao hoe demokrasia ny mpandray anjara sasany ary miteraka olana ny resaka lainga sy fampiadiana dia fandravana no mety amin'ny fandaharana. Managana vaovao ary ampahalalana ny zavatra tokony resahina izay hampandroso ny tanana fa tsy ny hampietsimpo fotsiny. Sa aleo hifanompa mivantana ihany no tsara?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0671