aza ampediana ny fjkm sy ny katolika

1. news2dago ( 21/01/2008 12:01)
heno siho dresaka indray tato ato fa ny maha radio katolika ny rdb no namelezana ny karajia oe! dia io no vohizina etsy sy eroa oe mamely ny katolika ny fanjakana satria fanjakana entiny fjkm! gina ny tena naheno izany vaovao tsy dia mitombina laotra izany satria mety ho fifandrifin-javatra ihany ilay izy!tokony hitadrina isika tsy ho voarebireby @ izany sao manimba antsika ny fisaratsarahana satria samy kristianina avokoa na fjkm na katolika na loterana na anglikana na hafa ihany koa!
http://www.news2dago.co.cc/
novalian'i Jeankely ny 24/01/2008 08:14
2. Jeankely ( 21/01/2008 12:38)
Ny TGV katolika reka a. Tsy hitanao vare ny sariny natao kominio voalohany tamin'ny propagandy e? Ary aza adino fa ny President nifanesy anie ka katolika na lazaina nivadika katolika aza ilay t@'ny Repoblika Voalohany e. Na izany aza ny ho avin'ny firenena ve fampiadiana finoana sa asa e?
3. news2dago ( 21/01/2008 13:09)
misaotra anao nampatsiahy ny ben'ny tanàna oe katolika koa izy satria dia tena mandeha be ny resaka oa oe katolika no ao ambadiny ao hn dia avy any katolika izy no nampidirina teo ary hanozongozona ny fitondrana no napidirana azy eo mba hidirany katolika indray eo @ fitondrana!
4. maditra ( 21/01/2008 13:34)
newsdago> Raha azoko tsara izany dia lazainao fa ny Katolika no mamadika ilay resaka ho entre Katolika sy FJKM mba hakana fahefana.
Ianao ihany no mampiitatra ity resaka ity amin'ny tsy tokony alehany.
5. mitia04 ( 21/01/2008 15:12)
Ra ny fahitako an'io ry zareo dia zao a, tsy misy idiran'ny resaka hoe katolika na FJKM io fa ny fanjakana mintsy no tsy mahatanty demokrasia, ao ny oul no afaka miteny izay tiny tenenina ary misy zava-marina lazain'ny oul ao matoa nofoanana mintsy lé fandaharana, ka ny fanontaniana tokony ipetraka dia hoe: Inn marina no atao hoe demokrasia amin'ireo mpitondra fanjakana reo, so dia mba dictature no fiheverany azy.
6. news2dago ( 21/01/2008 15:16)
mitatitra @tsika fotsiny anle resaka aho fa sanatria velively raha hibolila ny resaka hataoko! za koa aza mba gina naheno io resaka io ka mampalahelo ahy ny fisainan'ny olona sasany efa nilaozan'ny toetr'andro
7. news2dago ( 21/01/2008 15:20)
maditra:

newsdago> Raha azoko tsara izany dia lazainao fa ny Katolika no mamadika ilay resaka ho entre Katolika sy FJKM mba hakana fahefana.
Ianao ihany no mampiitatra ity resaka ity amin'ny tsy tokony alehany.

sanatria velively ra mba ho tg @ izany aho!

8. ikaretsaka ( 21/01/2008 15:26)
tsy mi buy an'izay hevitrao izay koa aho ry maditra...

9. fetrakens ( 22/01/2008 07:48)
Tsy marina aloha izany e! samy ffpm ngeh reo e! fa na katolika io na secta io na fj, rehefa mandika lalàna dia ampiharina @ny lalàna. Nefa aloha na izany aza misy ihany koa ny manararaotra e!
10. Jeankely ( 22/01/2008 07:59)
Ny mpanararaotra misy foana fa anjaranao no mifehy azy. Foko ampiadiana aza mahafaly ny sasany satria izany no heveriny hikorotanana ary hianjeran'ny fitondrana ary hakany azy indray. Na fomba madioa io na fomba faran'izay maloto dia ampiasandry zalahy daholo. Izany aminy no politika. Raha tena hifandimbiasan'ny ratsy loha foana ny Fitondrana dia tsy hiantsara mihintsy ny fiainan'ny Malagasy noho izany ny vahoaka ihany no mila tonga saina fa tsy faly hanaovan'ny olona resaka alika sy ampiadiana eto fotsiny.
11. tsaramaso ( 22/01/2008 12:14)
misy devoly !!!! fiangonana miady !!!! misy devoly !!!!!! tssssssssssssss
12. Jeankely ( 24/01/2008 08:14)
tsaramaso sekta aza mahay miteny ratsy koa inona no marina? Samy demony daholo ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1384